< Daniela 11 >

1 Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.
Аз же в первое лето Кирово стах в державу и крепость.
2 Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan’ i Grisia.
И ныне истину возвещу тебе се, еще трие царие востанут в Персиде четвертый же разбогатеет богатством великим паче всех и по одержании богатства своего востанет на вся царства Еллинская:
3 Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin’ ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony.
и востанет царь силен, и обладает властию многою, и сотворит по воли своей.
4 Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an’ ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an’ ny hafa, fa tsy ho an’ ireo.
И егда станет царство его сокрушится и разделится на четыри ветры небесныя, и не в последняя своя, ниже по власти своей, еюже совладе, понеже исторгнется царство его и другим кроме сих отдастся.
5 Ary hahery ny mpanjakan’ ny atsimo; nefa ny anankiray amin’ ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.
И укрепится царь южский, и от князей их един укепеет нань и обладает властию многою над властию его.
6 Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin’ ny mpanjakan’ ny atsimo hankany amin’ ny mpanjakan’ ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin’ izay nampahery azy tamin’ izany andro izany.
И по летех его смесятся, и дщи царя южска внидет к северску царю, еже сотворити завет с ним, и не удержит крепости мышцы, и не станет племя ея, и предастся та и приведшии ю, и дева и укрепляяй ю во временех.
7 Fa hisy solofony anankiray avy amin’ ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian’ izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin’ ny mpanjakan’ ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.
И востанет от цвета корене ея на уготование его и приидет в силу, и внидет во утверждения царя северскаго и сотворит в них и одержит:
8 Ary ny andriamaniny koa mbamin’ ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan’ ny avaratra izy.
и боги их со слиянными их, вся сосуды их вожделенны сребра и злата с пленники принесет во Египет, и той востанет паче царя северска:
9 Ary ho tonga amin’ ny fanjakan’ ny mpanjakan’ ny atsimo izy, nefa hody any amin’ ny taniny ihany.
и внидет в царство царя южскаго, и возвратится на свою землю.
10 Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.
И сынове его соберут народ силен мног, и внидет грядый и потопляяй: и мимо прейдет и сядет, и даже до крепости его снидется.
11 Ary dia hisafoaka ny mpanjakan’ ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin’ ny mpanjakan’ ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.
И разсвирепеет царь южский, и изыдет и брань сотворит с царем северским, и поставит народ мног, и предастся народ в руце его.
12 Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery.
И возмет народы, и возвысится сердце его, и соодолеет тмам, и не укрепеет.
13 Fa hiverina ny mpanjakan’ ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka.
И возвратится царь северский и приведет народ мног паче прежняго: и на конец времен лет приидет входом в силе велицей и со имением многим.
14 Ary amin’ izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan’ ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin’ ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy.
И в лета она мнози востанут на царя южска, и сынове губителей людий твоих воздвигнутся, еже поставити видение, и изнемогут.
15 Ka dia ho avy ny mpanjakan’ ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin’ ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany.
И внидет царь северский и сотворит окоп и возмет грады тверды, мышцы же царя южскаго не станут и востанут избраннии его, и не будет крепости еже стати.
16 Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin’ ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.
И сотворит входяй к нему по воли своей, и несть стоящаго противу лица его: и станет на земли савеи, и скончается в руце его.
17 Dia hivonona tsara handeha amin’ ny herin’ ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin’ ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.
И вчинит лице свое внити в силе всего царства своего, и праве вся сотворит с ним: и дщерь жен даст ему еже растлити ю, и не пребудет, и не будет ему.
18 Ary hitodika mankany amin’ ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony.
И обратит лице свое на островы, и возмет многи, и погубит князи укоризны своея, обаче укоризна его возвратится ему.
19 Dia hitodika hankany, amin’ ny fiarovana mafy any amin’ ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita.
И обратит лице свое в крепость земли своея, и изнеможет, и падется, и не обрящется.
20 Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin’ izay tsara indrindra amin’ ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin’ ny fahatezerana, na amin’ ny ady.
И востанет от корене его сад царства на уготование его производяй творяй славу царства: и в тыя дни еще сокрушится, и не в лицах, ни в рати:
21 Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin’ ny fahafetsena,
станет во уготовании его ункчижися, и не даша нань славы царства: и приидет со обилием и соодолеет царству лестьми,
22 ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin’ ny andriana vita fanekena aminy koa.
и мышцы потопляющаго потопятся от лица его и сокрушатся и старейшина завета.
23 Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny.
И от совокуплений к нему сотворит лесть, и взыдет, и преодолеет их в мале языце:
24 Hiditra tsy ampoizina amin’ ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ ny rainy na ny razany; hahahany eny amin’ ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin’ ny fotoana.
и во обилие и в тучныя страны приидет, и сотворит, яже не сотвориша отцы его и отцы отцев его: пленение и корысти и имение им расточит, и на Египта помыслит мыслию даже до времене.
25 Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan’ ny atsimo amin’ ny miaramila maro; ary ny mpanjakan’ ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.
И востанет крепость его, и сердце его на царя южскаго в силе велице, царь же южский сотворит с ним сечь силою великою и крепкою зело, и не станут: яко помышляют нань помышления
26 Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.
и изядят потребная его и сокрушат его, и силы разсыплет, и падут язвении мнози.
27 Ary ny fon’ ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin’ ny fotoana ihany.
И оба царя, сердца их на лукавство, и на трапезе единей возглаголют лжу, и не предуспеет, яко еще конец на время.
28 Ary hiverina ho any amin’ ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masìna; ary hahefa sy hiverina ho any amin’ ny taniny izy
И возвратится на свою землю со имением многим, и сердце его на завет святый, и сотворит, и возвратится на свою землю.
29 Amin’ ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
На время возвратится и приидет на юг, и не будет якоже первая и последняя.
30 fa ny sambon’ i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin’ ny fanekena masìna ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin’ ireo efa mahafoy ny fanekena masìna.
И внидут с ним исходящии Китяне, и смирится, и возвратится, и возярится на завет святый: и сотворит, и возвратится, и умыслит на оставльшыя завет святый.
31 Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masìna, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan’ andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.
И мышцы и племена от него востанут и осквернят святыню могутства и преставят жертву всегдашнюю и дадят мерзость запустения,
32 Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin’ ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an’ Andriamaniny kosa dia hifikitra amin’ izany ka hankatò azy.
и беззаконнующии завет наведут со прелестию: людие же ведуще Бога своего премогут и сотворят,
33 Ary izay hendry ao amin’ ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.
и смысленнии людие уразумеют много, и изнемогут в мечи и в пламени, и в пленении и в разграблении дний.
34 Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin’ ny fihatsaram-belatsihy.
И егда изнемогут, поможется им помощию малою, и приложатся к ним мнози со прелестию.
35 Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ ny andro farany, fa mbola ho amin’ ny fotoana ihany izany.
И от смысливших изнемогут, еже разжещи я и избрати, и еже открыти даже до конца времене, яко еще на время.
36 Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
И сотворит по воли своей, и царь возвысится и возвеличится над всяким богом, и на Бога богов возглаголет тяжкая, и управит, дондеже скончает гнев, в скончание бо бывает.
37 Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan’ ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.
И о всех бозех отцев своих не смыслит, и рачении жен, и о всяцем бозе не уразумеет, понеже паче всех возвеличится.
38 Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.
И бога маозима на месте своем прославит, и бога, егоже не ведеша отцы его, почтит сребром и златом и камыком честным и похотьми,
39 Dia homban’ ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.
и сотворит тверделем убежищ с богом чуждим, егоже познает, и умножит славу, и покорит им многи, и землю разделит в дары.
40 Ary amin’ ny faran’ ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan’ ny atsimo; ary ny mpanjakan’ ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin’ ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.
И на конец времене сразится ратию с царем южским: и соберется на него царь северский с колесницами и с конники и с корабли многими, и внидет в землю, и сокрушит, и мимоидет,
41 Hiditra ao amin’ ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan’ ny taranak’ i Amona.
и внидет на землю саваимску, и мнози изнемогут: сии же спасутся от руки его, Едом и Моав и начало сынов Аммоних.
42 Haninjitra ny tànany amin’ ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.
И прострет руку свою на землю, и земля Египетска не будет во спасение.
43 Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan’ i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.
И владети начнет в сокровенных злата и сребра и во всех вожделенных Египта и Ливиев и Ефиопов, в тверделех их.
44 Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin’ ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.
И слышания и поткщания возмутят его от восток и от севера: и приидет во ярости мнозе, еже погубити многи.
45 Ary haoriny eo anelanelan’ ny ranomasina sy ny tendrombohitra masìna mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin’ ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
И поткнет кущу свою ефадано между морями, на горе святей савеи, приидет даже до части ея, и несть избавляяй его.

< Daniela 11 >