< Amosa 1 >

1 Ny tenin’ i Amosa, izay isan’ ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andro nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, roa taona talohan’ ny horohorontany.
當猶大王烏西雅,以色列王約阿施的兒子耶羅波安在位的時候,大地震前二年,提哥亞牧人中的阿摩司得默示論以色列。
2 Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon’ i Karmela.
他說:耶和華必從錫安吼叫, 從耶路撒冷發聲; 牧人的草場要悲哀; 迦密的山頂要枯乾。
3 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an’ i Gileada;
耶和華如此說: 大馬士革三番四次地犯罪, 我必不免去她的刑罰; 因為她以打糧食的鐵器打過基列。
4 Fa haterako afo ny tranon’ i Hazaela, ka handevona ny tranoben’ i Beni-hadada izany.
我卻要降火在哈薛的家中, 燒滅便‧哈達的宮殿。
5 Hotorotoroiko koa ny hidin’ i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’ i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan’ i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah.
我必折斷大馬士革的門閂, 剪除亞文平原的居民和伯‧伊甸掌權的。 亞蘭人必被擄到吉珥。 這是耶和華說的。
6 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma;
耶和華如此說: 迦薩三番四次地犯罪, 我必不免去她的刑罰; 因為她擄掠眾民交給以東。
7 Fa haterako afo ny mandan’ i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
我卻要降火在迦薩的城內, 燒滅其中的宮殿。
8 Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an’ i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin’ ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
我必剪除亞實突的居民和亞實基倫掌權的, 也必反手攻擊以革倫。 非利士人所餘剩的必都滅亡。 這是主耶和華說的。
9 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;
耶和華如此說: 泰爾三番四次地犯罪, 我必不免去她的刑罰; 因為她將眾民交給以東, 並不記念弟兄的盟約。
10 Fa haterako afo ny mandan’ i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
我卻要降火在泰爾的城內, 燒滅其中的宮殿。
11 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava;
耶和華如此說: 以東三番四次地犯罪, 我必不免去她的刑罰; 因為她拿刀追趕兄弟,毫無憐憫, 發怒撕裂,永懷忿怒。
12 Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben’ i Bozra izany
我卻要降火在提幔, 燒滅波斯拉的宮殿。
13 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ ny taranak’ i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny;
耶和華如此說: 亞捫人三番四次地犯罪, 我必不免去他們的刑罰; 因為他們剖開基列的孕婦, 擴張自己的境界。
14 Fa hampirehitra afo ao amin’ ny mandan’ i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin’ ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ ny andron’ ny tadio;
我卻要在爭戰吶喊的日子, 旋風狂暴的時候, 點火在拉巴的城內, 燒滅其中的宮殿。
15 Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
他們的王和首領必一同被擄去。 這是耶和華說的。

< Amosa 1 >