< Asan'ny Apostoly 21 >

1 Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
Cum autem factum esset ut navigaremus abstracti ab eis, recto cursu venimus Coum, et sequenti die Rhodum, et inde Pataram.
2 ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
Et cum invenissemus navem transfretantem in Phœnicen, ascendentes navigavimus.
3 Ary nony nahatsinjo an’ i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin’ ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan’ ny sambo.
Cum apparuissemus autem Cypro, relinquentes eam ad sinistram, navigavimus in Syriam, et venimus Tyrum: ibi enim navis expositura erat onus.
4 Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin’ ny Fanahy hilaza amin’ i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
Inventis autem discipulis, mansimus ibi diebus septem: qui Paulo dicebant per Spiritum ne ascenderet Ierosolymam.
5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan’ ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
Et expletis diebus profecti ibamus, deducentibus nos omnibus cum uxoribus, et filiis usque foras civitatem: et positis genibus in littore, oravimus.
6 ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
Et cum valefecissemus invicem, ascendimus navem: illi autem redierunt in sua.
7 Ary ny niafaran’ ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
Nos vero navigatione expleta a Tyro descendimus Ptolemaidam: et salutatis fratribus, mansimus die una apud illos.
8 Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon’ i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin’ izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
Alia autem die profecti, venimus Cæsaream. Et intrantes domum Philippi evangelistæ, qui erat unus de septem, mansimus apud eum.
9 Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
Huic autem erant quattuor filiæ virgines prophetantes.
10 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
Et cum moraremur per dies aliquot, supervenit quidam a Iudæa propheta, nomine Agabus.
11 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon’ i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain’ ny Fanahy Masìna: Toy izao no hamatoran’ ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan’ ny jentilisa izy.
Is cum venisset ad nos, tulit zonam Pauli: et alligans sibi pedes, et manus dixit: Hæc dicit Spiritus sanctus: Virum, cuius est zona hæc, sic alligabunt in Ierusalem Iudæi, et tradent in manus Gentium.
12 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin’ izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
Quod cum audissemus, rogabamus nos, et qui loci illius erant, ne ascenderet Ierosolymam.
13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Tunc respondit Paulus, et dixit: Quid facitis flentes, et affligentes cor meum? Ego enim non solum alligari, sed et mori in Ierusalem paratus sum propter nomen Domini Iesu.
14 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon’ ny Tompo no hatao.
Et cum ei suadere non possemus, quievimus, dicentes: Domini voluntas fiat.
15 Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
Post dies autem istos præparati, ascendebamus in Ierusalem.
16 Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin’ i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
Venerunt autem et ex discipulis a Cæsarea nobiscum, adducentes secum apud quem hospitaremur Mnasonem quendam Cyprium, antiquum discipulum.
17 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin’ ny fifaliana ny rahalahy.
Et cum venissemus Ierosolymam, libenter exceperunt nos fratres.
18 Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin’ i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra.
Sequenti autem die introibat Paulus nobiscum ad Iacobum, omnesque collecti sunt seniores.
19 Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa izy.
Quos cum salutasset, narrabat per singula, quæ Deus fecisset in Gentibus per ministerium ipsius.
20 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an’ Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin’ i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
At illi cum audissent, magnificabant Deum, dixeruntque ei: Vides frater, quot millia sunt in Iudæis, qui crediderunt, et omnes æmulatores sunt legis.
21 sady efa novokisan’ olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin’ ny jentilisa hahafoy an’ i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
Audierunt autem de te quia discessionem doceas a Moyse eorum, qui per Gentes sunt, Iudæorum: dicens non debere eos circumcidere filios suos, neque secundum consuetudinem ingredi.
22 Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
Quid ergo est? utique oportet convenire multitudinem: audient enim te supervenisse.
23 Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;
Hoc ergo fac quod tibi dicimus: Sunt nobis viri quattuor, votum habentes super se.
24 raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
His assumptis, sanctifica te cum illis: et impende in illis ut radant capita: et scient omnes quia quæ de te audierunt, falsa sunt, sed ambulas et ipse custodiens legem.
25 Fa ny amin’ ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
De his autem, qui crediderunt ex Gentibus, nos scripsimus iudicantes ut abstineant se ab idolis, immolato, et sanguine, et suffocato, et fornicatione.
26 Dia noraisin’ i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan’ ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an’ ny isan-dahy.
Tunc Paulus, assumptis viris, postera die purificatus cum illis intravit in templum, annuncians expletionem dierum purificationis, donec offerretur pro unoquoque eorum oblatio.
27 Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an’ i Paoly teo an-kianjan’ ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an’ i Paoly,
Dum autem septem dies consummarentur, hi, qui de Asia erant, Iudæi, cum vidissent eum in templo, concitaverunt omnem populum, et iniecerunt ei manus, clamantes:
28 ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan’ ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masìna.
Viri Israelitæ, adiuvate: hic est homo, qui adversus populum, et legem, et locum hunc, omnes ubique docens, insuper et Gentiles induxit in templum, et violavit sanctum locum istum.
29 (fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin’ i Paoly teo an-kianjan’ ny tempoly izy).
Viderant enim Trophimum Ephesium in civitate cum ipso, quem æstimaverunt quoniam in templum introduxisset Paulus.
30 Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan’ ny tempoly; ary niaraka tamin’ izay dia narindrina ny vavahady.
Commotaque est civitas tota, et facta est concursio populi. Et apprehendentes Paulum, trahebant eum extra templum: et statim clausæ sunt ianuæ.
31 Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny antokon’ ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
Quærentibus autem eum occidere, nunciatum est tribuno cohortis: Quia tota confunditur Ierusalem.
32 ary niaraka tamin’ izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an’ i Paoly.
Qui statim assumptis militibus, et centurionibus, decurrit ad illos. Qui cum vidissent tribunum, et milites, cessaverunt percutere Paulum.
33 Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin’ ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
Tunc accedens tribunus apprehendit eum, et iussit eum alligari catenis duabus: et interrogabat quis esset, et quid fecisset.
34 Ary ny sasany tamin’ ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
Alii autem aliud clamabant in turba. Et cum non posset certum cognoscere præ tumultu, iussit duci eum in castra.
35 Ary rehefa tonga teo amin’ ny ambaratonga izy, dia nobetain’ ny miaramila noho ny fifanosehan’ ny olona;
Et cum venisset ad gradus, contigit ut portaretur a militibus propter vim populi.
36 fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
Sequebatur enim multitudo populi, clamans: Tolle eum.
37 Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin’ ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
Et cum cœpisset induci in castra Paulus, dicit tribuno: Si licet mihi loqui aliquid ad te? Qui dixit: Græce nosti?
38 Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
Nonne tu es Ægyptius, qui ante hos dies tumultum concitasti, et eduxisti in desertum quattuor millia virorum sicariorum?
39 Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin’ izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin’ ny olona.
Et dixit ad eum Paulus: Ego homo sum quidem Iudæus a Tarso Ciliciæ, non ignotæ civitatis municeps. Rogo autem te, permitte mihi loqui ad populum.
40 Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin’ ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin’ ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin’ ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
Et cum ille permisisset, Paulus stans in gradibus, annuit manu ad plebem, et magno silentio facto, allocutus est lingua Hebræa, dicens:

< Asan'ny Apostoly 21 >