< 2 Samoela 8 >

1 Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin’ i Davida tamin’ ny tanan’ ny Filistina.
此后,大卫攻打非利士人,把他们治服,从他们手下夺取了京城的权柄;
2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin’ ny tany ireo ary nohariny tamin’ ny kofehy, ka izay indroan’ ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon’ i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
又攻打摩押人,使他们躺卧在地上,用绳量一量:量二绳的杀了,量一绳的存留。摩押人就归服大卫,给他进贡。
3 Dia resin’ i Davida koa Hadadezera, zanak’ i Rehoba, mpanjakan’ i Zoba, tamin’ izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata.
琐巴王利合的儿子哈大底谢往大河去,要夺回他的国权。大卫就攻打他,
4 Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany.
擒拿了他的马兵一千七百,步兵二万,将拉战车的马砍断蹄筋,但留下一百辆车的马。
5 Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an’ i Hadadezera, mpanjakan’ i Zoba; dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
大马士革的亚兰人来帮助琐巴王哈大底谢,大卫就杀了亚兰人二万二千。
6 Ary nametrahan’ i Davida miaramila tany Syria momba an’ i Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
于是大卫在大马士革的亚兰地设立防营,亚兰人就归服他,给他进贡。大卫无论往哪里去,耶和华都使他得胜。
7 Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ ny mpanompon’ i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
他夺了哈大底谢臣仆所拿的金盾牌,带到耶路撒冷。
8 Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan’ i Hadadezera, no nahazoan’ i Davida mpanjaka babo varahina be dia be.
大卫王又从属哈大底谢的比他和比罗他城中夺取了许多的铜。
9 Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan’ i Hadadezera rehetra Davida,
哈马王陀以听见大卫杀败哈大底谢的全军,
10 dia nirahin’ i Toy Jorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon’ i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
就打发他儿子约兰去见大卫王,问他的安,为他祝福,因为他杀败了哈大底谢(原来陀以与哈大底谢常常争战)。约兰带了金银铜的器皿来,
11 dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin’ ny firenena rehetra izay efa resiny,
大卫王将这些器皿和他治服各国所得来的金银都分别为圣,献给耶和华,
12 dia tamin’ i Syria sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin’ i Hadadezera, zanak’ i Rehoba, mpanjakan’ i Zoba.
就是从亚兰、摩押、亚扪、非利士、亚玛力人所得来的,以及从琐巴王利合的儿子哈大底谢所掠之物。
13 Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin’ ny Lohasahan-tsira.
大卫在盐谷击杀了亚兰一万八千人回来,就得了大名;
14 Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon’ i Davida. Ary Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
又在以东全地设立防营,以东人就都归服大卫。大卫无论往哪里去,耶和华都使他得胜。
15 Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
大卫作以色列众人的王,又向众民秉公行义。
16 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
洗鲁雅的儿子约押作元帅;亚希律的儿子约沙法作史官;
17 ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;
亚希突的儿子撒督和亚比亚他的儿子亚希米勒作祭司长;西莱雅作书记;
18 ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no mpanolo-tsaina.
耶何耶大的儿子比拿雅统辖基利提人和比利提人。大卫的众子都作领袖。

< 2 Samoela 8 >