< 2 Samoela 23 >

1 Ary izao no fara-teny nataon’ i Davida: hoy Davida, zanak’ i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr’ i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin’ ny Isiraely:
Voici le dernier discours de David: Parole de David, fils de Jessé, parole de l’homme haut placé, de l’élu du Dieu de Jacob, du chantre aimable d’Israël:
2 Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako;
L’Esprit du Seigneur a parlé par ma bouche, son verbe repose sur ma langue.
3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;
Il a dit, le Dieu d’Israël, Il a prononcé à mon sujet, le Rocher d’Israël: "Qui domine sur les hommes doit être juste, gouverner dans la crainte de Dieu.
4 Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin’ ny tany noho ny hain’ andro manarakaraka ny ranonorana.
Quand le soleil brille, éclairant le matin un matin sans nuages par ses rayons et par la pluie la verdure sort de la terre…
5 Ary tsy toy izany indrindra amin’ Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin’ ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
Ma maison n’est-elle pas ainsi avec Dieu? Aussi m’a-t-il assuré une alliance perpétuelle, alliance bien ordonnée et bien gardée; ne fait-il pas germer mon salut et l’objet de tous mes désirs?
6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin’ ny tanana izy;
Les pervers sont tous comme des épines qu’on évite, qu’on ne saisit point avec la main;
7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin’ ny afo avokoa amin’ izay itoerany ireny.
Si quelqu’un y touche, il s’arme de fer ou du bois d’une lance: c’est par le feu qu’il faut les détruire sur place.
8 Ary izao no anaran’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
Voici les noms des vaillants guerriers de David: Yocheb-Bachébeth, le Tahkemonite, chef de la garde, le même qui, en une seule rencontre, tua huit cents hommes avec sa lance.
9 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo, zanak’ i Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery teo amin’ i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely;
Après lui, Eléazar, fils de Dodo, fils d’Ahohi, l’un des trois vaillants compagnons de David, qui bravèrent les Philistins rassemblés là pour la bataille, quand les Israélites battirent en retraite;
10 dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ ny tànany ka efa niraikitra tamin’ ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin’ izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan’ ny olona azy.
lui s’élança et abattit des Philistins jusqu’à ce que sa main fût engourdie et comme collée à son épée. Ce jour-là, le Seigneur procura une grande victoire au peuple, qui revint derrière son chef, mais pour piller.
11 Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak’ i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin’ ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,
Après lui, Chamma, fils d’Aghé, le Hararite. Les Philistins s’étaient rassemblés en corps d’armée. Là se trouvait une pièce de terre pleine de lentilles, et le peuple fuyait devant les Philistins.
12 dia nijanona teo afovoan’ io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
Mais lui, il prit position au milieu du champ, le défendit et battit les Philistins; le Seigneur opéra ainsi une grande délivrance.
13 Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin’ i Davida tao amin’ ny zohin’ i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby teo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
Trois des trente chefs descendirent un jour, au temps de la moisson, et arrivèrent près de David, dans la caverne d’Adoullam un corps de Philistins se trouvait campé dans la vallée de Rephaïm.
14 Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
David était alors dans la forteresse, et les Philistins avaient un avant-poste à Bethléem.
15 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady!
David eut un désir et dit: "Ah! Si on pouvait me faire boire de l’eau de la citerne qui est à la porte de Bethléem!"
16 Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tamin’ ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah iny.
Les trois guerriers s’ouvrirent un passage par le camp des Philistins, puisèrent de l’eau à la citerne qui est à la porte de Bethléem et l’apportèrent à David; mais celui-ci ne voulut pas la boire et en fit une libation à l’Eternel,
17 Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
en disant: "Dieu me préserve de faire pareille chose! N’Est-ce pas le sang de ces hommes qui sont allés là au péril de leur vie?" Il refusa donc de boire. Voilà ce que firent ces trois guerriers.
18 Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, no lehibe amin’ izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
Puis Abisaï, frère de Joab, fils de Cerouya, le chef des Trois: il brandit un jour sa lance sur trois cents ennemis qu’il immola, et se fit un nom parmi les Trois.
19 Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.
Il fut plus estimé que les Trente, car il devint leur chef, cependant il n’arriva point jusqu’aux Trois.
20 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny;
Puis Benaïahou, fils de Joïada, d’un vaillant aux nombreux exploits, originaire de Kabceël; ce fut lui qui triompha des deux Ariel de Moab; ce fut lui aussi qui descendit et tua un lion dans une fosse par un jour de neige.
21 ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Il tua aussi un Egyptien, homme de grande mine, et, dans la main de l’Egyptien, il y avait une lance: il descendit vers lui avec un bâton, et il arracha la lance de la main de l’Egyptien et le tua avec sa lance.
22 Izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
Voilà ce que fit Benaïahou, fils de Joïada, renommé parmi les trois héros.
23 Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
Il fut plus estimé que les Trente, mais il n’arriva pas jusqu’aux Trois. David l’admit dans son conseil.
24 Asahela, rahalahin’ i Joaba, no anankiray amin’ ny telo-polo, ary Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
Assahel, frère de Joab, fut l’un des Trente. Puis Elhanan, fils de Dodo, de Bethléem;
25 Sama Harodita, Elika Harodita,
Chamma, le Harodite; Elika, le Harodite
26 Heleza Paltita, Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta,
Héléç, le Paltite; Ira, fils d’Ikkech, de Tekoa;
27 Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita,
Abiézer, d’Anatot; Mebounnaï, le Houchatite;
28 Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,
Çalmôn, l’Ahohite; Maharaï, de Netofa;
29 Haleba, zanak’ i Bana Netofatita, Itahy, zanak’ i Ribay, avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina,
Hêleb, fils de Baana, de Netofa; Ittaï, fils de Ribaï, de Ghibea des Benjamites;
30 Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy,
Benaïahou, de Piratôn; Hiddaï, de Nahalë-Gaach;
31 Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita,
Abi-Albôn, l’Arbatite; Azmaveth, le Barhoumite;
32 Eliaba Salbonita, tamin’ ny zanak’ i Jasena, Jonatana,
Elyahba, le Chaalbonite; des fils de Yachên: Jonathan;
33 Sama Hararita, Ahiama, zanak’ i Sarara Hararita,
Chamma, le Hararite; Ahiam, fils de Charar, l’Ararite;
34 Elifeleta, zanak’ i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak’ i Ahitofela Gilonita,
Elifélet, fils d’Ahasbaï, fils du Maakhatite; Eliam, fils d’Ahitofel, de Ghilo;
35 Hezray Karmelita, Paray Arbita,
Heçraï, le Carmélite; Paaraï, l’Arbite;
36 Jigala, zanak’ i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,
Yigal, fils de Nathan, de Çoba; Bâni, le Gadite;
37 Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
Célek, l’Ammonite; Naharaï, le Beêrotite, écuyer de Joab, fils de Cerouya;
38 Ira Jitrita, Gareba Jitrita,
Ira, le Yithrite; Garêb, le Yithrite
39 Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan’ izy rehetra.
Urie, le Héthéen. Total: trente-sept.

< 2 Samoela 23 >