< 2 Mpanjaka 9 >

1 Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin’ ny zanakalahin’ ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikìna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
And Elisha the prophet called one of the sons of the prophets, and said to him, Gird up thy loins, and take this vial of oil in thy hand, and go to Ramoth-Gilead.
2 ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak’ i Josafata, zanak’ i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin’ ny namany, ary ento any amin’ ny efi-trano anatiny izy;
And when thou art come thither, look out there Jehu the son of Jehoshaphat, son of Nimshi, and go in, and make him rise up from among his brethren, and bring him to an inner chamber;
3 ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin’ ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
then take the vial of oil, and pour it on his head and say, Thus saith Jehovah: I have anointed thee king over Israel; and open the door, and flee, and tarry not.
4 Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon’ ny mpaminany, nankany Ramota-gileada.
And the young man, the young prophet, went to Ramoth-Gilead.
5 Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin’ iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
And when he came, behold, the captains of the host were sitting. And he said, I have an errand to thee, captain. And Jehu said, To which of all of us? And he said, To thee, captain.
6 Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin’ ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan’ ny Isiraely oloko.
And he rose up and went into the house; and he poured the oil on his head, and said to him, Thus saith Jehovah the God of Israel: I have anointed thee king over the people of Jehovah, over Israel.
7 Ary hamely ny tamingan’ i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an’ i Jezebela ny ran’ ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ ny mpanompon’ i Jehovah rehetra.
And thou shalt smite the house of Ahab thy master; and I will avenge the blood of my servants the prophets, and the blood of all the servants of Jehovah at the hand of Jezebel.
8 Eny, ho fongotra ny taranak’ i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin’ ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin’ ny Isiraely;
And the whole house of Ahab shall perish, and I will cut off from Ahab every male, and him that is shut up and left in Israel.
9 Ary ny taranak’ i Ahaba hataoko tahaka ny taranak’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tahaka ny taranak’ i Basa, zanak’ i Ahia;
And I will make the house of Ahab as the house of Jeroboam the son of Nebat, and as the house of Baasha the son of Ahijah.
10 Ary Jezebela hohanin’ ny alika ao amin’ ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
And the dogs shall eat Jezebel in the plot of Jizreel, and none shall bury her. And he opened the door and fled.
11 Ary Jeho nivoaka nankao amin’ ny mpanompon’ ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan’ iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
And Jehu came forth to the servants of his lord. And one said to him, Is all well? why came this madman to thee? And he said to them, Ye know the man, and his mind.
12 Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain’ i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely Aho.
And they said, It is false! tell us now. And he said, Thus and thus spoke he to me saying, Thus saith Jehovah: I have anointed thee king over Israel.
13 Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’ i Jeho teo amin’ ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
Then they hasted and took every man his garment, and put it under him on the very stairs, and blew with trumpets, and said, Jehu is king!
14 Ary Jeho, zanak’ i Josafata, zanak’ i Nimsy, nikomy tamin’ i Jorama (fa Jorama mbamin’ ny Isiraely rehetra niaro an’ i Ramota-gileada noho ny fananihan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, azy;
And Jehu the son of Jehoshaphat, son of Nimshi, conspired against Joram. (Now Joram kept Ramoth-Gilead, he and all Israel, because of Hazael king of Syria;
15 Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
and king Joram had returned to be healed in Jizreel of the wounds that the Syrians had given him, when he fought against Hazael king of Syria.) And Jehu said, If it be your will, let not a fugitive escape out of the city to go to tell [it] in Jizreel.
16 Dia niakatra teo amin’ ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran’ i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, efa nidina hamangy an’ i Jorama.
And Jehu rode in a chariot and went to Jizreel; for Joram lay there. And Ahaziah king of Judah had come down to see Joram.
17 Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon’ ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin’ i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
And the watchman stood on the tower in Jizreel, and saw Jehu's company as he came, and said, I see a company. And Joram said, Take a horseman, and send to meet them, and let him say, Is it peace?
18 Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin’ ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
So there went one on horseback to meet him; and he said, Thus saith the king: Is it peace? And Jehu said, What hast thou to do with peace? turn thee behind me. And the watchman told saying, The messenger came to them, and he does not return.
19 Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin’ ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
And he sent out a second on horseback; and he came to them and said, Thus saith the king: Is it peace? And Jehu said, What hast thou to do with peace? turn thee behind me.
20 Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran’ i Jeho, zanak’ i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
And the watchman told saying, He came to them, and does not return. And the driving is like the driving of Jehu the son of Nimshi; for he drives furiously.
21 Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan’ ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, samy nitsangana teo amin’ ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an’ i Jeho, ary nifanena taminy teo amin’ ny tanin’ i Nabota Jezirelita izy.
Then Joram said, Make ready! And they made ready his chariot. And Joram king of Israel and Ahaziah king of Judah went out, each in his chariot; and they went out to meet Jehu, and met him in the plot of Naboth the Jizreelite.
22 Ary Jorama, nony nahita an’ i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va, ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’ i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
And it came to pass when Joram saw Jehu, that he said, Is it peace, Jehu? And he said, What peace, so long as the fornications of thy mother Jezebel and her sorceries are so many?
23 Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin’ i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
Then Joram turned his hand, and fled, and said to Ahaziah, Treachery, Ahaziah!
24 Ary nohenjanin’ i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an’ i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan’ ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin’ ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin’ ny kalesiny.
And Jehu took his bow in his hand, and smote Jehoram between his arms, and the arrow went out through his heart; and he sank down in his chariot.
25 Ary hoy Jeho tamin’ i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin’ ny sahan’ i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an’ i Ahaba rainy, dia nolazain’ i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
And he said to Bidkar his captain, Take him up [and] cast him in the plot of the field of Naboth the Jizreelite. For remember how, when I and thou rode together after Ahab his father, that Jehovah laid this burden upon him:
26 Efa hitako tokoa omaly ny ran’ i Nabota sy ny ran’ ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin’ ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin’ io tany io araka ny tenin’ i Jehovah.
Certainly I have seen yesterday the blood of Naboth, and the blood of his sons, saith Jehovah; and I will requite thee in this plot, saith Jehovah. And now, take [and] cast him into the plot, according to the word of Jehovah.
27 Ary nony hitan’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izany, dia nandositra tamin’ ny lalana mankamin’ ny trano ao anatin’ ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin’ ny kalesiny teo amin’ ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan’ i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
When Ahaziah king of Judah saw [that], he fled by the way of the garden-house. And Jehu followed after him, and said, Smite him also in his chariot. It was on the ascent of Gur, which is by Jibleam. And he fled to Megiddo, and died there.
28 Ary ny mpanompony nitondra azy tamin’ ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida.
And his servants carried him in a chariot to Jerusalem, and buried him in his sepulchre with his fathers in the city of David.
29 Ary tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, no vao nanjakan’ i Ahazia tamin’ ny tany Joda.
(And in the eleventh year of Joram the son of Ahab had Ahaziah begun to reign over Judah.)
30 Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
And Jehu came to Jizreel; and Jezebel heard of it, and she put paint to her eyes, and decked her head, and looked out at the window.
31 Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
And when Jehu came in at the gate, she said, Is it peace, Zimri, murderer of his master?
32 Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
And he lifted up his face to the window, and said, Who is on my side? who? And two or three chamberlains looked out to him.
33 Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin’ ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin’ i Jeho izy.
And he said, Throw her down! And they threw her down; and some of her blood was sprinkled on the wall, and on the horses; and he trampled on her.
34 Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin’ ny mpanjaka izy.
And he came in, and ate and drank; and he said, Go, look, I pray you, after this cursed [woman], and bury her; for she is a king's daughter.
35 Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany.
And they went to bury her; but they found no more of her than the skull, and the feet, and the palms of the hands.
36 Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin’ i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an’ i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin’ ny tany Jezirela no hihinanan’ ny alika ny nofon’ i Jezebela,
And they came back and told him. And he said, This is the word of Jehovah, which he spoke through his servant Elijah the Tishbite saying, In the plot of Jizreel shall dogs eat the flesh of Jezebel;
37 Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin’ ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
and the carcase of Jezebel shall be as dung upon the open field in the plot of Jizreel, so that they shall not say, This is Jezebel.

< 2 Mpanjaka 9 >