< 2 Mpanjaka 6 >

1 Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’ i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
И реша сынове пророчи ко Елиссею: се, убо место, идеже мы живем противу тебе, тесно нам:
2 Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
да идем ныне до Иордана, и да возмем оттуду кийждо муж по бервну единому и сотворим себе ту обиталища пребывати тамо. И рече: идите.
3 Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin’ ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
И рече един кротце: гряди и сам с рабы твоими. И рече: аз пойду.
4 Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
И иде с ними: и приидоша ко Иордану, и секоша древа:
5 Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.
и егда един отсекаше бервно, и се, железо спаде с топорища и впаде в воду. И возопи: о, господине, и сие заемное.
6 Ary hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
И рече человек Божий: где паде? И показа ему место. И отсече древо и вверже и тамо: и всплыве железо.
7 Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
И рече: возми себе. И простре руку свою и взят е.
8 Ary ny mpanjakan’ i Syria niady tamin’ ny Isiraely ka nilaza tamin’ ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.
И царь Сирский бе воюя на Израиля, и совеща со отроки своими, глаголя: на месте некоем сокровеннем ополчуся.
9 Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra kosa naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ ny Syriana.
И посла Елиссей ко царю Израилеву, глаголя: блюдися не преити на место сие, яко ту Сиряне залягоша.
10 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely naniraka tany amin’ izay nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.
И посла царь Израилев на место, о немже рече ему Елиссей, и соблюдеся оттуду не единою, ниже дважды.
11 Dia sosotra indrindra ny fon’ ny mpanjakan’ i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan’ ny Isiraely?
И смутися душа царя Сирска о словеси сем: и призва отроки своя и рече и ним: не возвестите ли мне, кто предает мя царю Израилеву?
12 Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin’ ny Isiraely ihany no milaza amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin’ ny trano fandrianao aza.
И рече един от отрок его: ни, господине мой царю: яко пророк Елиссей, иже во Израили, возвещает царю Израилеву вся словеса, яже аще глаголеши в сокровищи ложницы твоея.
13 Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.
И рече: идите, видите, где сей, и послав возму его. И возвестиша ему, глаголюще: се, есть в Дофаиме.
14 Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
И посла тамо кони и колесницы и силу тяжку: и приидоша нощию и окружиша град.
15 Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
И урани раб Елиссеев востати, и изыде: и се, сила обступи град, и кони и колесницы. И рече отрок его к нему: о, господине, что сотворим?
16 Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
И рече Елиссей: не бойся, яко множае иже с нами, нежели с ними.
17 Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’ i Elisa.
И помолися Елиссей и рече: Господи, отверзи ныне очи отрока, да узрит. И отверзе Господь очи его, и виде: и се, гора исполнь коней, и колесница огненна окрест Елиссеа.
18 Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’ i Elisa.
И снидоша к нему: и помолися Елиссей ко Господу и рече: порази убо язык сей невидением. И порази их невидением по глаголу Елиссееву.
19 Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.
И рече к ним Елиссей: не сей путь и не сей град: грядите по мне, и отведу вы к мужу, егоже ищете. И отведе их в Самарию.
20 Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason’ ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan’ i Samaria izy.
И бысть егда внидоша в Самарию, и рече Елиссей: отверзи убо, Господи, очи их, и да видят. И отверзе Господь очи их, и видеша: и се, бяху посреде Самарии.
21 Ary nony nahita azy ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia hoy izy tamin’ i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?
И рече царь Израилев ко Елиссею, егда увиде я: аще поражу я поражением, отче?
22 Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin’ ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin’ ny tompony.
И рече Елиссеи: да не поразиши: еда ли пленил еси их мечем твоим и луком твоим, да избиеши? И предложи им хлебы и воду, да ядят и да пиют и да отидут ко господину своему.
23 Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin’ ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin’ ny tanin’ ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’ i Syria.
И предложи им предложение велие, и ядоша и пиша, и отпусти я, и идоша ко господину своему: и не приложиша ктому воини приходити из Сирии в землю Израилеву.
24 Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an’ i Samaria.
И бысть по сих, и собра сын Адеров царь Сирийский все ополчение свое, и взыде и обседе Самарию.
25 Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan’ ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
И бысть глад велик в Самарии: и се, обседоша ю, дондеже бысть глава ослова за пятьдесят сикль сребра, и четвертая часть меры гноя голубинаго за пять сикль сребра.
26 Ary raha nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
И бысть царь Израилев обходяй по стенам: и жена (некая) возопи к нему, глаголющи: спаси мя, господине мой царю.
27 Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen’ i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin’ ny famoloana va, sa amin’ ny famiazam-boaloboka?
И рече ей: аще тебе не спасает Господь, како аз спасу тя? Еда от гумна или от точила?
28 Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.
И рече ей царь: что ти есть? И рече: сия жена ко мне рече: даждь сына твоего, да съядим его днесь, а утро моего сына съядим:
29 Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.
и испекохом сына моего и снедохом его: и рех к ней в день вторый: даждь сына твоего, и съядим его: и скры сына своего.
30 Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda izy, ka hitan’ ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
И бысть егда услыша царь Израилев словеса жены, раздра ризы своя и сам хождаше по стене, и видеша людие вретище на плоти его внутрь.
31 Dia hoy izy: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’ i Elisa, zanak’ i Safata.
И рече царь: сия да сотворит ми Бог и сия да приложит ми, аще будет глава Елиссеева на нем днесь.
32 Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin’ i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin’ ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon’ ny tongotry ny tompony?
Елиссей же седяше в дому своем, и старцы седяху с ним. И посла царь мужа пред лицем своим. И прежде даже приити посланному к нему, и той рече ко старцем: не весте ли, яко посла сын убийцы сей, да отсечет главу мою? Видите, егда приидет вестник, заключите двери и стисните его во дверех: не топот ли ног господина его вслед его?
33 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin’ i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an’ i Jehovah?
И еще ему глаголющу с ними, и се, вестник сниде к нему и рече: се, сие зло от Господа: что потерплю Господеви ксему?

< 2 Mpanjaka 6 >