< 2 Mpanjaka 22 >

1 Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin’ i Adaia, avy any Bozkata.
約西亞登基的時候年八歲,在耶路撒冷作王三十一年。他母親名叫耶底大,是波斯加人亞大雅的女兒。
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin’ izay rehetra nalehan’ i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
約西亞行耶和華眼中看為正的事,行他祖大衛一切所行的,不偏左右。
3 Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia mpanjaka, dia naniraka an’ i Safana mpanoratra, zanak’ i Azalia, zanak’ i Mesolama, izy ho any an-tranon’ i Jehovah ka nanao hoe:
約西亞王十八年,王差遣米書蘭的孫子、亞薩利的兒子-書記沙番上耶和華殿去,吩咐他說:
4 Miakara any amin’ i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia izay nangonin’ ny mpiandry varavarana tamin’ ny olona;
「你去見大祭司希勒家,使他將奉到耶和華殿的銀子,就是守門的從民中收聚的銀子,數算數算,
5 ary aoka hatolony ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah izany; ary aoka homen’ ireo ho an’ ny mpiasa izay ao an-tranon’ i Jehovah hanamboarany ny simba amin’ ny trano,
交給耶和華殿裏辦事的人,使他們轉交耶和華殿裏做工的人,好修理殿的破壞之處,
6 dia ho an’ ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.
就是轉交木匠和工人,並瓦匠,又買木料和鑿成的石頭修理殿宇,
7 Kanefa tsy nampamoahina ny amin’ ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
將銀子交在辦事的人手裏,不與他們算帳,因為他們辦事誠實。」
8 Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin’ i Safana mpanoratra: Ny bokin’ ny lalàna dia hitako tao an-tranon’ i Jehovah. Dia natolotr’ i Hilkia an’ i Safana ny boky ka novakiny.
大祭司希勒家對書記沙番說:「我在耶和華殿裏得了律法書。」希勒家將書遞給沙番,沙番就看了。
9 Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin’ ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah.
書記沙番到王那裏,回覆王說:「你的僕人已將殿裏的銀子倒出數算,交給耶和華殿裏辦事的人了。」
10 Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin’ ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen’ i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin’ i Safana teo anatrehan’ ny mpanjaka ny boky.
書記沙番又對王說:「祭司希勒家遞給我一卷書。」沙番就在王面前讀那書。
11 Ary rehefa ren’ ny mpanjaka ny teny tao amin’ ilay bokin’ ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
王聽見律法書上的話,便撕裂衣服,
12 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Akbora, zanak’ i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, hoe:
吩咐祭司希勒家與沙番的兒子亞希甘、米該亞的兒子亞革波、書記沙番和王的臣僕亞撒雅,說:
13 Mandehana ianareo, ka manontania amin’ i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin’ ny Joda rehetra ny amin’ ny tenin’ ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ ny razantsika ny tenin’ ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
「你們去為我、為民、為猶大眾人,以這書上的話求問耶和華;因為我們列祖沒有聽從這書上的言語,沒有遵着書上所吩咐我們的去行,耶和華就向我們大發烈怒。」
14 Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin’ i Holda mpaminanivavy, vadin’ i Saloma, zanak’ i Tikva, zanak’ i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin’ ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
於是,祭司希勒家和亞希甘、亞革波、沙番、亞撒雅都去見女先知戶勒大。戶勒大是掌管禮服沙龍的妻;沙龍是哈珥哈斯的孫子、特瓦的兒子。戶勒大住在耶路撒冷第二區。他們請問於她。
15 Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin’ ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:
她對他們說:「耶和華-以色列的上帝如此說:『你們可以回覆那差遣你們來見我的人說,
16 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain’ ny boky novakin’ ny mpanjakan’ ny Joda.
耶和華如此說:我必照着猶大王所讀那書上的一切話,降禍與這地和其上的居民。
17 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin’ izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia mirehitra amin’ ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
因為他們離棄我,向別神燒香,用他們手所做的惹我發怒,所以我的忿怒必向這地發作,總不止息。』
18 Fa ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin’ i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ny teny izay novakinao,
然而,差遣你們來求問耶和華的猶大王,你們要這樣回覆他說:『耶和華-以色列的上帝如此說:至於你所聽見的話,
19 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin’ izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
就是聽見我指着這地和其上的居民所說、要使這地變為荒場、民受咒詛的話,你便心裏敬服,在我面前自卑,撕裂衣服,向我哭泣,因此我應允了你。這是我-耶和華說的。
20 Koa, indro, hangoniko any amin’ ny razanao ianao ary hangonina any amin’ ny fasanao amin’ ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin’ ny mpanjaka izy ireo.
我必使你平平安安地歸到墳墓到你列祖那裏;我要降與這地的一切災禍,你也不致親眼看見。』」他們就回覆王去了。

< 2 Mpanjaka 22 >