< 2 Mpanjaka 15 >

1 Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Azaria, zanak’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda.
В лето двадесять седмое Иеровоама царя Израилева воцарися Азариа сын Амессии царя Иудина:
2 Enina ambin’ ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
сын шестинадесяти лет бе, егда нача царствовати, и пятьдесят два лета царствова во Иерусалиме. Имя же матере его Иехелиа от Иерусалима.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy;
И сотвори правое пред очима Господнима по всему, елика сотвори отец его Амессиа,
4 kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona.
обаче высоких не разори: еще людие жряху и кадяху на высоких.
5 Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin’ ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
И коснуся Господь царя, и бысть прокажен до дне смерти своея: и царствова в дому апфусоф. И Иоафам сын царев бе над домом судя людем земли тоя.
6 Ary ny tantaran’ i Azaria sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
И прочая словес Азарии, и вся елика сотвори, не сия ли написана в книзе словес дний царей Иудиных?
7 Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
И успе Азариа со отцы своими, и погребоша его со отцы его во граде Давидове. И воцарися Иоафам сын его вместо его.
8 Tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zakaria, zanak’ i Jeroboama, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
В лето тридесять осмое Азарии царя Иудина царствова Захариа сын Иеровоамль над Израилем в Самарии шесть месяц.
9 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny razany izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
И сотвори лукавое пред очима Господнима, якоже сотвориша отцы его, не отступи от всех грехов Иеровоама сына Наватова, иже в грех введе Израиля.
10 Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan’ ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
И востаста нань Селлум сын Иависов и Кевлаам, и поразиста его, и умертвиста его: и воцарися Селлум вместо его.
11 Ary ny tantaran’ i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
И прочая словес Захариевых, се, суть написана в книзе словес дний царей Израилевых.
12 Izany no ilay tenin’ i Jehovah nolazainy tamin’ i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
Сие слово Господне, еже глагола ко Ииую, рекий: сынове четвертии сядут тебе и на престоле Израилеве. И бысть тако.
13 Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, dia vao nanjaka tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
И Селлум сын Иависов воцарися во Израили: и в лето тридесять девятое Азарии царя Иудина, царствова Селлум месяц дний в Самарии.
14 Fa Menahema, zanak’ i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an’ i Saloma, zanak’ i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
И взыде Манаим сын Гаддиин от Ферсилы, и прииде в Самарию, и уби Селлума сына Иависова в Самарии, и умертви его, и воцарися вместо его.
15 Ary ny tantaran’ i Saloma sisa mbamin’ ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
И прочая словес Селлумовых, и совещание его, имже совещася, се, суть писана в книзе словес дний царей Израилевых.
16 Tamin’ izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an’ i Tifsa mbamin’ izay rehetra tao hatramin’ ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
Тогда порази Манаим и Ферсу, и вся, яже в ней, и пределы ея от Ферсы, понеже не отверзоша ему, и разби ю и всех, иже в ней, и имущих во чреве разсече.
17 Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Menahema, zanak’ i Gady, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
В лето тридесять девятое Азарии царя Иудина, царствова Манаим сын Гаддиин над Израилем десять лет в Самарии,
18 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tamin’ ny androny rehetra dia tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
и сотвори лукавое пред очима Господнима, (во вся дни своя) не отступи от всех грехов Иеровоама сына Наватова, иже в грех введе Израиля.
19 Ary Pola, mpanjakan’ i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an’ i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan’ i Menahema.
Во дни его взыде Фула царь Ассирийский на землю (Израилеву), и Манаим даде Фуле тысящу талант сребра, да будет рука его с ним, (еже укрепити царство в руку его).
20 Ary nampandoavin’ i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan’ i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan’ i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin’ ny tany.
И возложи Манаим дань на Израиля, на всех сильных, дати царю Ассирийску пятьдесят сикль сребра мужу коемуждо: и возвратися царь Ассирийск, и не ста тамо в земли.
21 Ary ny tantaran’ i Menahema sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
И прочая словес Манаимовых, и вся елика сотвори, не се ли, сия написана в книзе словес дний царей Израилевых?
22 Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
И успе Манаим со отцы своими, и воцарися Факиа сын его вместо его.
23 Tamin’ ny taona fahadimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Pekahia, zanak’ i Menahema, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
В лето пятьдесятое Азарии царя Иудина, царствова Факиа сын Манаимль над Израилем в Самарии лета два,
24 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
и сотвори лукавое пред очима Господнима, и отступи от грехов Иеровоама сына Наватова, иже в грех введе Израиля.
25 Ary Peka, zanak’ i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an’ i Pekahia mbamin’ i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin’ ny trano-avo amin’ ny lapa, ary teo amin’ Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin’ ny taranak’ i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
И воста на него Факей сын Ромелиин, тристат его, и уби его в Самарии близ дому царева, со Арговом и со Арием, и с ним (бяху) пятьдесят мужей от Галаадитов, и умертви его, и воцарися вместо его.
26 Ary ny tantaran’ i Pekahia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
И прочая словес Факиевых, и вся елика сотвори се, суть, писана в книзе словес дний царей Израилевых.
27 Tamin’ ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
В лето пятьдесят второе Азарии царя Иудина, царствова Факей сын Ромелиин над Израилем в Самарии двадесять лет,
28 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
и сотвори лукавое пред очима Господнима, не отступи от всех грехов Иеровоама сына Наватова, иже в грех введе Израиля.
29 Tamin’ ny andron’ i Peka, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, ka nahafaka an’ Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
Во дни Факеа царя Израилева прииде Фелгаффелласар царь Ассирийский, и взя Аин и Авелвефмааха, и Аоха и Кенезу, и Асора и Галаад и Галилею, всю землю Неффалимлю, и приведе я ко Ассирианом.
30 Ary Hosea, zanak’ i Elaha, nikomy tamin’ i Peta, Zanak’ i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia.
И воста Осиа сын Илы на Факеа сына Ромелиина, и порази его, и умертви его, и воцарися вместо его в двадесятое лето Иоафама сына Азариина.
31 Ary ny tantaran’ i Peka sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
И прочая словес Факеевых, и вся елика сотвори, се, сия написана в книзе словес дний царей Израилевых.
32 Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda.
В лето второе Факеа сына Ромелиина царя Израилева воцарися Иоафам, сын Азарии царя Иудина:
33 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.
сын двадесяти пяти лет бе, егда нача царствовати, и шестьнадесять лет царствова во Иерусалиме. Имя же матере его Иеруса дщи Садокова.
34 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon’ i Ozia rainy no nataony.
И сотвори правое пред очима Господнима, по всему елика сотвори отец его Азариа,
35 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah.
обаче высоких не разори: еще людие жряху и кадяху на высоких. Той созда двери храму Господню вышния.
36 Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
И прочая словес Иоафамовых, и вся елика сотвори, не сия ли написана в книзе словес дний царей Иудиных?
37 Tamin’ izany andro Izany no vao nampandehanan’ i Jehovah an’ i Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, hanafika an’ i Joda.
Во дни оны начат Господь посылати на Иуду Раассона царя Сирска и Факеа сына Ромелиина.
38 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
И успе Иоафам со отцы своими, и погребен бысть со отцы своими во граде Давида отца своего. И воцарися Ахаз сын его вместо его.

< 2 Mpanjaka 15 >