< 2 Mpanjaka 10 >

1 Ary nisy zanak’ i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin’ ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin’ ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak’ i Ahaba nanao hoe:
Now Ahab had seventy sons in Samaria. And Jehu wrote letters, and sent to Samaria, to the princes of Jizreel, to the elders, and to Ahab's guardians, saying,
2 Ary raha tonga atỳ aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin’ ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
And now, when this letter comes to you, seeing your master's sons are with you, and there are with you chariots, and horses, and a fortified city, and armour,
3 dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin’ ny zanakalahin’ ny tomponareo, ary apetraho amin’ ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an’ ny mpianakavin’ ny tomponareo.
look out the best and worthiest of your master's sons, and set him on his father's throne, and fight for your master's house.
4 Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
And they were exceedingly afraid, and said, Behold, the two kings stood not before him; and how shall we stand?
5 Ary ny lehiben’ ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin’ i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
And he that was over the house, and he that was over the city, and the elders, and the guardians sent to Jehu, saying, We are thy servants, and will do all that thou shalt bid us; we will not make any one king; do what is good in thy sight.
6 Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan’ ireo zanakalahin’ ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin’ ireo lehiben’ ny tanàna, mpitaiza azy.
And he wrote a letter the second time to them saying, If ye are mine, and will hearken to my voice, take the heads of the men your master's sons, and come to me to Jizreel to-morrow at this time. Now the king's sons, seventy persons, were with the great men of the city, who brought them up.
7 Ary nony efa tonga tany amin’ ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin’ i Jeho tany Jezirela.
And it came to pass when the letter came to them, that they took the king's sons, and slaughtered seventy persons, and put their heads in baskets, and sent them to him to Jizreel.
8 Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan’ ny vavahady mandra-pahamarain’ ny andro.
And a messenger came and told him saying, They have brought the heads of the king's sons. And he said, Lay them in two heaps at the entrance of the gate until the morning.
9 Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin’ ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?
And it came to pass in the morning that he went out; and he stood, and said to all the people, Ye are righteous! behold, I conspired against my master and killed him; but who smote all these?
10 Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy ny amin’ ny taranak’ i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an’ i Elia mpanompony.
Know now that nothing shall fall to the earth of the word of Jehovah, which Jehovah spoke concerning the house of Ahab; for Jehovah has done that which he said through his servant Elijah.
11 Ka dia novonoin’ i Jeho izay sisa rehetra tamin’ ny taranak’ i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin’ ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.
And Jehu slew all that remained of the house of Ahab in Jizreel, and all his great men, and his acquaintances, and his priests, until he left him none remaining.
12 Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian’ ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,
And he rose up and departed, and came to Samaria. And as he was at the shepherds' meeting-place on the way,
13 dia nifanena amin’ ny rahalahin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin’ i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin’ ny mpanjaka sy ny zanakalahin’ ny andriambavy.
Jehu found the brethren of Ahaziah king of Judah, and said, Who are ye? And they said, We are the brethren of Ahaziah; and have come down to salute the children of the king, and the children of the queen.
14 Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin’ ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
And he said, Take them alive! And they took them alive, and slew them at the well of the meeting-place, forty-two men; and he left not one of them remaining.
15 Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an’ i Jonadaba, zanakalahin’ i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin’ i Jeho ho eo aminy teo anatin’ ny kalesy izy.
And he departed thence, and found Jehonadab the son of Rechab [coming] to meet him; and he greeted him, and said to him, Is thy heart right, as my heart is with thy heart? And Jehonadab said, It is. — If it be, give [me] thy hand. — And he gave [him] his hand; and [Jehu] took him up to him into the chariot,
16 Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an’ i Jehovah. Dia nentina teo amin’ ny kalesy izy.
and said, Come with me, and see my zeal for Jehovah. So they made him ride in his chariot.
17 Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin’ ny tamingan’ i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy tamin’ i Elia.
And he came to Samaria, and smote all that remained to Ahab in Samaria, until he had destroyed him, according to the word of Jehovah which he spoke to Elijah.
18 Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an’ i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.
And Jehu gathered all the people together, and said to them, Ahab served Baal a little: Jehu will serve him much.
19 Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin’ i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an’ i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon’ i Bala.
And now call me all the prophets of Baal, all his servants, and all his priests: let none be wanting; for I have a great sacrifice [to do] to Baal; whoever shall be wanting shall not live. But Jehu did it in subtilty, in order that he might bring destruction upon the servants of Baal.
20 Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masìna ho an’ i Bala. Koa dia nanendry andro izy.
And Jehu said, Hallow a solemn assembly for Baal. And they proclaimed [it].
21 Ary Jeho naniraka tany amin’ ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon’ i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon’ i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
And Jehu sent into all Israel; and all the servants of Baal came, so that there was not a man left that came not: and they entered into the house of Baal; and the house of Baal was full from one end to the other.
22 Dia hoy Jeho tamin’ ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon’ i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
And he said to him that was over the wardrobe, Bring forth vestments for all the servants of Baal. And he brought them forth vestments.
23 Ary Jeho sy Jonadaba, zanak’ i Rekaba, nankao an-tranon’ i Bala ka niteny tamin’ ny mpanompon’ i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon’ i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon’ i Bala ihany.
And Jehu and Jehonadab the son of Rechab entered into the house of Baal, and said to the servants of Baal, Search, and see that there be here with you none of the servants of Jehovah, but the servants of Baal only.
24 Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
And they entered in to offer sacrifices and burnt-offerings. Now Jehu appointed eighty men without, and said, He that allows any of the men to escape that I have brought into your hands, his life shall be for the life of him.
25 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin’ ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midìra, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ ny tanàna nisy ny tranon’ i Bala.
And it came to pass as soon as they had ended offering up the burnt-offering, that Jehu said to the couriers and to the captains, Go in, slay them; let none come forth. And they smote them with the edge of the sword; and the couriers and the captains cast [them] there. And they went to the city of the house of Baal,
26 Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon’ i Bala izy ka nandoro ireny.
and brought forth the columns out of the house of Baal, and burned them;
27 Ary nandrava ny tsangam-baton’ i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
and they broke down the column of Baal, and broke down the house of Baal, and made it a draught-house to this day.
28 Toy izany no nandravan’ i Jeho an’ i Bala tsy ho amin’ ny Isiraely.
Thus Jehu extirpated Baal out of Israel.
29 Nefa Jeho tsy dia niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin’ ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
Only, the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin, from them Jehu departed not: [from] the golden calves that were in Bethel, and that were in Dan.
30 Ary hoy Jehovah tamin’ i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin’ ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin’ ny taranak’ i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika.
And Jehovah said to Jehu, Because thou hast executed well that which is right in my sight, [and] hast done unto the house of Ahab according to all that was in my heart, thy children of the fourth [generation] shall sit on the throne of Israel.
31 Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin’ ny lalàn’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ ny fony rehetra; fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
But Jehu took no heed to walk in the law of Jehovah the God of Israel with all his heart; he departed not from the sins of Jeroboam, who made Israel to sin.
32 Tamin’ izany andro izany no niantombohan’ ny nanakelezan’ i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely rehetra
In those days Jehovah began to cut Israel short; and Hazael smote them in all the borders of Israel;
33 hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.
from the Jordan eastward, all the land of Gilead, the Gadites, and the Reubenites, and the Manassites, from Aroer, which is by the river Arnon, both Gilead and Bashan.
34 Ary ny tantaran’ i Jeho sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
And the rest of the acts of Jehu, and all that he did, and all his might, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
35 Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
And Jehu slept with his fathers, and they buried him in Samaria: and Jehoahaz his son reigned in his stead.
36 Ary ny andro izay nanjakan’ i Jeho tamin’ ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
Now the time that Jehu reigned over Israel in Samaria was twenty-eight years.

< 2 Mpanjaka 10 >