< 2 Tantara 8 >

1 Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny tenany,
It happened at the end of twenty years, in which Solomon had built the house of the LORD, and his own house,
2 dia namboariny ny tanàna izay nomen’ i Hirama azy ka namponenany ny Zanak’ isiraely.
that the cities which Hiram had given to Solomon, Solomon built them, and caused the children of Israel to dwell there.
3 Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
Solomon went to Hamath Zobah, and prevailed against it.
4 Ary nanorina an’ i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
He built Tadmor in the wilderness, and all the storage cities, which he built in Hamath.
5 Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
Also he built Upper Beth Horon, and Lower Beth Horon, fortified cities, with walls, gates, and bars;
6 ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’ i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
and Baalath, and all the storage cities that Solomon had, and all the cities for his chariots, and the cities for his horsemen, and all that Solomon desired to build for his pleasure in Jerusalem, and in Lebanon, and in all the land of his dominion.
7 Ary ny amin’ ny olona sisa rehetra tamin’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Isiraely
As for all the people who were left of the Hethites, and the Amorites, and the Perizzites, and the Hivites, and the Jebusites, who were not of Israel;
8 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny taniny, fa tsy naringan’ ny Isiraely, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
of their descendants who were left after them in the land, whom the children of Israel did not destroy, of them Solomon conscripted for slave labor to this day.
9 Fa ny Zanak’ isiraely dia tsy mba nampanaovin’ i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin’ ny mpanafika malaza ary komandin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
But of the children of Israel, Solomon made no slaves for his work; but they were men of war, and his commanders, and his captains, and rulers of his chariots and of his horsemen.
10 Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin’ i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
These were the chief officers of king Solomon: five hundred fifty, who ruled over the people.
11 Ary Solomona nitondra ny zanakavavin’ i Farao niakatra avy tany an-Tanànan’ i Davida ho ao amin’ ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, fa masìna izay efa nidiran’ ny fiaran’ i Jehovah.
Solomon brought up the daughter of Pharaoh out of the City of David to the house that he had built for her; for he said, "My wife shall not dwell in the house of David king of Israel, because the places where the ark of the LORD has come are holy."
12 Ary tamin’ izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah, izay naoriny teo anoloan’ ny lavarangana fidirana;
Then Solomon offered burnt offerings to the LORD on the altar of the LORD, which he had built before the porch,
13 eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin’ i Mosesy dia tamin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo.
even as the duty of every day required, offering according to the commandment of Moses, on the Sabbaths, and on the new moons, and on the set feasts, three times in the year, in the feast of unleavened bread, and in the feast of weeks, and in the feast of tents.
14 Ary notendreny koa ny antokon’ ny mpisorona araka ny nandaharan’ i Davida rainy azy ho amin’ ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan’ andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’ i Davida lehilahin’ Andriamanitra, azy.
He appointed, according to the ordinance of David his father, the divisions of the priests to their service, and the Levites to their offices, to praise, and to minister before the priests, as the duty of every day required; the doorkeepers also by their divisions at every gate: for so had David the man of God commanded.
15 Ary tsy nialan’ ireo ny didin’ ny mpanjaka tamin’ ny mpisorona sy ny Levita na amin’ inona na amin’ inona, indrindra fa ny amin’ ny rakitra.
They did not depart from the commandment of the king to the priests and Levites concerning any matter, or concerning the treasures.
16 Toy izany no nanamboaran’ i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ ny andro nanorenany ny tranon’ i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon’ i Jehovah.
Now all the work of Solomon was carried out from the day of the foundation of the house of the LORD, until it was finished. So the house of the LORD was completed.
17 Ary tamin’ izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron’ ny ranomasina any amin’ ny tany Edoma,
Then went Solomon to Ezion Geber, and to Eilat, on the seashore in the land of Edom.
18 ary ny mpanompon’ i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin’ ny mpanompon’ i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin’ i Solomona mpanjaka izany.
And Hiram sent him ships and servants who had knowledge of the sea by the hands of his servants; and they came with the servants of Solomon to Ophir, and fetched from there four hundred fifty talents of gold, and brought them to king Solomon.

< 2 Tantara 8 >