< 2 Tantara 4 >

1 Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
他又製造一座銅壇,長二十肘,寬二十肘,高十肘;
2 Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
又鑄一個銅海,樣式是圓的,高五肘,徑十肘,圍三十肘;
3 Ary teo ambanin’ ny tavin-drano lehibe nisy sarin’ omby manodidina azy, dia folo amin’ ny iray hakiho manodidina. Roa an-dalana ny sarin’ omby sady niara-natao an-idina tamin’ ny tavin-drano.
海周圍有野瓜的樣式,每肘十瓜,共有兩行,是鑄海的時候鑄上的;
4 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.
有十二隻銅牛馱海:三隻向北,三隻向西,三隻向南,三隻向東;海在牛上,牛尾向內;
5 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
海厚一掌,邊如杯邊,又如百合花,可容三千罷特;
6 Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan’ ny mpisorona.
又製造十個盆:五個放在右邊,五個放在左邊,獻燔祭所用之物都洗在其內;但海是為祭司沐浴的。
7 Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia.
他又照所定的樣式造十個金燈臺,放在殿裏:五個在右邊,五個在左邊;
8 Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
又造十張桌子,放在殿裏:五張在右邊,五張在左邊;又造一百個金碗;
9 Ary nanao ny kianjan’ ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
又建立祭司院和大院,並院門,用銅包裹門扇;
10 Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin’ ny ankavanana, dia teo amin’ ny atsimo-atsinana.
將海安在殿門的右邊,就是南邊。
11 Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan’ i Hirama ny asa izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ Andriamanitra:
戶蘭又造了盆、鏟、碗。這樣,他為所羅門王做完了上帝殿的工。
12 dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon’ ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
所造的就是:兩根柱子和柱上兩個如球的頂,並兩個蓋柱頂的網子
13 ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, sarin’ ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy;
和四百石榴,安在兩個網子上(每網兩行蓋着兩個柱上如球的頂)。
14 ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin’ ny fitoerany;
盆座和其上的盆,
15 ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ambaniny.
海和海下的十二隻牛,
16 Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’ i Hiram-aby ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny varahina manganohano.
盆、鏟子、肉鍤子,與耶和華殿裏的一切器皿,都是巧匠戶蘭用光亮的銅為所羅門王造成的,
17 Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
是在約旦平原疏割和撒利但中間藉膠泥鑄成的。
18 Toy izany no nanaovan’ i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan’ ny varahina.
所羅門製造的這一切甚多,銅的輕重無法可查。
19 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ ny mofo aseho,
所羅門又造上帝殿裏的金壇和陳設餅的桌子,
20 ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan’ ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
並精金的燈臺和燈盞,可以照例點在內殿前。
21 ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
燈臺上的花和燈盞,並蠟剪都是金的,且是純金的;
22 ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin’ ny trano, dia ny mankao amin’ ny fitoerana masìna indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin’ ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.
又用精金製造鑷子、盤子、調羹、火鼎。至於殿門和至聖所的門扇,並殿的門扇,都是金子妝飾的。

< 2 Tantara 4 >