< 2 Tantara 30 >

1 Ary Hezekia naniraka tany amin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’ i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Sidan sende Hizkia bod til heile Israel og Juda og skreiv ogso brev til Efraim og Manasse um at dei skulde koma til Herrens hus i Jerusalem og halda påskehelg for Herren, Israels Gud.
2 Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin’ ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana ny Paska amin’ ny volana faharoa.
Kongen og hovdingarne hans og heile lyden i Jerusalem hadde halde råd um å høgtida påskehelgi i den andre månaden.
3 Nefa tsy nahatandrina azy tamin’ izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
For dei kunde ikkje halda høgtidi den gongen, av di det ikkje var nok av prestarne som hadde helga seg, og folket ikkje var samla i Jerusalem.
4 Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
Det tykte kongen og heile lyden var rett.
5 Dia nandidy handefa teny eran’ ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan’ ny olona hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.
Difor gjorde dei det vedtaket at dei sende eit upprop ikring i heile Israel ifrå Be’erseba til Dan um at dei skulde koma og halda påskehelgi for Herren, Israels Gud, i Jerusalem; for dei hadde ikkje høgtida henne so mangment som det var fyreskrive.
6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ ny mpanjaka hoe: Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.
Det gjekk då snøggbod ut i heile Israel og Juda med brev frå kongen og hovdingarne hans, etter som kongen hadde bode, og sagde: «De Israels-søner, vend um att til Herren, Abrahams og Isaks og Israels Gud, so han må venda seg til den leivningen av dykk som hev kome seg undan or henderne åt assyrarkongarne!
7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
Ver ikkje de som federne og brørne dykkar, som var utrogne mot Herren, deira fedregud, so han gjorde deim til ei rædsla, som det no ser.
8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masìna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
Ver no ikkje slike hardnakkar som federne dykkar! Gjev Herren handi og kom til heilagdomen hans, som han hev helga for alle tider, og ten Herren dykkar Gud, so hans brennande harm må venda seg burt ifrå dykk.
9 Fa raha miverina amin’ i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan’ izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
For når de vender um til Herren, vil brørne og sønerne dykkar finna miskunn hjå deim som held deim fangar, og koma heim att til dette landet. For Herren, dykkar Gud, er nådig og miskunnsam og vil ikkje venda åsyni si burt ifrå dykk når de vender um til honom.»
10 Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin’ ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin’ ny Zebolona; fa nihomehezan’ ny olona sy novazivaziny foana izy.
Snøggbodi drog ikring frå by til by i Efraims- og Manasselandet og like til Sebulon, men dei log åt deim og hædde deim.
11 Kanefa kosa ny tamin’ ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
Like vel var det nokre i Asser og Manasse og Sebulon som audmykte seg og drog til Jerusalem.
12 Ary ny tànan’ Andriamanitra dia napetrany tamin’ ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’ i Jehovah.
I Juda og verka Guds hand til å gjeva deim ein samheldig hug, so dei gjorde det som kongen og hovdingarne hadde bode etter Herrens ord.
13 Ary tamin’ ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.
Soleis samla det seg mykje folk i Jerusalem og høgtida søtebrødhelgi i den andre månaden; ein ovleg ålmuge.
14 Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
Dei tok seg fyre å få burt dei altari som fanst i Jerusalem, og tok burt offerstadarne og kasta deim i Kidronsdalen.
15 Dia namono ny Paska izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
So slagta dei påskelambet på den fjortande dagen i den andre månaden. Prestarne og levitarne skjemdest og helga seg og førde brennoffer til Herrens hus.
16 Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan’ ny Levita.
Og dei stelte seg på plassarne sine, so som det var deim fyreskrive, etter lovi åt gudsmannen Moses, og prestarne skvette blodet, som dei fekk av levitarne.
17 Fa nisy maro tao amin’ ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an’ i Jehovah.
For det var mange i lyden som ikkje hadde vigt seg, og difor greidde levitarne med å slagta påskelambi for alle deim som ikkje var reine, so dei kunde vigja deim til Herren.
18 Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an’ ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
For dei fleste av folket, mange ifrå Efraim, Manasse, Issakar og Sebulon, dei hadde ikkje vigt seg, men åt påske på onnor vis enn det var fyreskrive. Men Hizkia gjekk i forbøn for deim og sagde: «Herren, den gode, han tilgjeve
19 izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ ny fitoerana masìna aza izy.
kvar den som hev lagt hugen sin på å søkja Gud Herren, sin fedregud, jamvel um han ikkje er rein, so som heilagdomen krev det.»
20 Ary Jehovah nihaino an’ i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
Og Herren bønhøyrde Hizkia og sparde folket.
21 Ary ny Zanak’ isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an’ i Jehovah isan’ andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’ i Jehovah.
Soleis høgtida dei Israels-borni som var til stades i Jerusalem søtebrødhelgi med stor fagnad i sju dagar; og kvar dag song levitarne og prestarne lovsonger med kraftige spelgogner for Herren.
22 Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Og Hizkia tala venleg til alle dei levitarne som hadde vore sers dugande i Herrens tenesta; og dei åt høgtidsofferi dei sju dagarne, og dei ofra takkoffer og lovprisa Herren, sin fedregud.
23 Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin’ ny hafaliana izy.
Men sidan samdest heile lyden um å høgtida endå sju dagar, og dei høgtida dei sju dagarne med fagnad.
24 Fa Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy fito arivo ho an’ ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy iray alina ho an’ ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
For Hizkia, kongen i Juda, gav lyden tusund uksar og sju stykke småfe, og hovdingarne gav lyden tusund uksar og ti tusund stykke småfe. Og prestarne helga seg i stor mengd.
25 Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin’ ny Isiraely mbamin’ ny vahiny izay avy tany amin’ ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
Og heile Juda-lyden gledde seg, og prestarne og levitarne og heile den lyden som var komen ifrå Israel og dei framande som var komne ifrå Israelslandet eller budde i Juda.
26 Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin’ ny andron’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.
Og det var stor gleda i Jerusalem; for sidan dagarne åt Israels-kongen Salomo Davidsson hadde det ikkje hendt noko slikt i Jerusalem.
27 Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin’ Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masìna, ny fivavany.
Og levitprestarne stod upp og velsigna folket, og røysti deira vart høyrd; for bøni deira nådde fram til den heilage bustaden hans, til himmelen.

< 2 Tantara 30 >