< 2 Tantara 29 >

1 Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin’ i Zakaria.
希西家登基的時候年二十五歲,在耶路撒冷作王二十九年。他母親名叫亞比雅,是撒迦利雅的女兒。
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Davida rainy.
希西家行耶和華眼中看為正的事,效法他祖大衛一切所行的。
3 Tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy ka namboatra azy.
元年正月,開了耶和華殿的門,重新修理。
4 Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo an-kalalahana atsinanana.
他召眾祭司和利未人來,聚集在東邊的寬闊處,
5 Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ ny fitoerana masìna ny loto.
對他們說:「利未人哪,當聽我說:現在你們要潔淨自己,又潔淨耶和華-你們列祖上帝的殿,從聖所中除去污穢之物。
6 Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan’ i Jehovah.
我們列祖犯了罪,行耶和華-我們上帝眼中看為惡的事,離棄他,轉臉背向他的居所,
7 Ary narindriny ny varavarana amin’ ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ Andriamanitry ny Isiraely.
封鎖廊門,吹滅燈火,不在聖所中向以色列上帝燒香,或獻燔祭。
8 Ka dia nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan’ ny masonareo izao.
因此,耶和華的忿怒臨到猶大和耶路撒冷,將其中的人拋來拋去,令人驚駭、嗤笑,正如你們親眼所見的。
9 Fa he! lavon’ ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.
所以我們的祖宗倒在刀下,我們的妻子兒女也被擄掠。
10 Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
現在我心中有意與耶和華-以色列的上帝立約,好使他的烈怒轉離我們。
11 Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin’ i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
我的眾子啊,現在不要懈怠;因為耶和華揀選你們站在他面前事奉他,與他燒香。」
12 Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak’ i Amasay, sy Joela, zanak’ i Azaria, tamin’ ny taranaky ny Kehatita; ary tamin’ ny taranak’ i Merary dia Kisy, zanak’ i Abdia, sy Azaria, zanak’ i Jehalalila; ary tamin’ ny Gersonita dia Joa, zanak’ i Zima, sy Edena, zanak’ i Joa;
於是,利未人哥轄的子孫、亞瑪賽的兒子瑪哈,亞撒利雅的兒子約珥;米拉利的子孫、亞伯底的兒子基士,耶哈利勒的兒子亞撒利雅;革順的子孫、薪瑪的兒子約亞,約亞的兒子伊甸;
13 ary tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin’ ny taranak’ i Asafa dia Zakaria sy Matania;
以利撒反的子孫申利和耶利;亞薩的子孫撒迦利雅和瑪探雅;
14 ary tamin’ ny taranak’ i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin’ ny taranak’ i Jedotona dia Semaia sy Oziela.
希幔的子孫耶歇和示每;耶杜頓的子孫示瑪雅和烏薛;
15 Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin’ ny mpanjaka noho ny tenin’ i Jehovah mba hanadio ny tranon’ i Jehovah.
起來聚集他們的弟兄,潔淨自己,照着王的吩咐、耶和華的命令,進去潔淨耶和華的殿。
16 Ary ny mpisorona niditra tao amin’ ny efitra anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin’ i Jehovah ho eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
祭司進入耶和華的殿要潔淨殿,將殿中所有污穢之物搬到耶和華殿的院內,利未人接去,搬到外頭汲淪溪邊。
17 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin’ ny andro fahavalo tamin’ io volana io dia niditra teo amin’ ny lavarangana fidirana an’ i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny havaloana izy; ary tamin’ ny andro fahenina ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany no nahavitany azy.
從正月初一日潔淨起,初八日到了耶和華的殿廊,用八日的工夫潔淨耶和華的殿,到正月十六日才潔淨完了。
18 Dia niditra tao amin’ i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon’ i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy koa.
於是,他們晉見希西家王,說:「我們已將耶和華的全殿和燔祭壇,並壇的一切器皿、陳設餅的桌子,與桌子的一切器皿都潔淨了;
19 Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain’ i Ahaza mpanjaka tamin’ ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah.
並且亞哈斯王在位犯罪的時候所廢棄的器皿,我們預備齊全,且潔淨了,現今都在耶和華的壇前。」
20 Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah.
希西家王清早起來,聚集城裏的首領都上耶和華的殿;
21 Ary nitondra vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak’ ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an’ ny fanjakana sy ho an’ ny fitoerana masìna ary ho an’ ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah.
牽了七隻公牛,七隻公羊,七隻羊羔,七隻公山羊,要為國、為殿、為猶大人作贖罪祭。王吩咐亞倫的子孫眾祭司,獻在耶和華的壇上,
22 Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy, ary noraisin’ ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin’ ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak’ ondry, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny.
就宰了公牛,祭司接血灑在壇上,宰了公羊,把血灑在壇上,又宰了羊羔,也把血灑在壇上;
23 Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;
把那作贖罪祭的公山羊牽到王和會眾面前,他們就按手在其上。
24 dia novonoin’ ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin’ ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely; fa ho an’ ny Isiraely rehetra no nasain’ ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
祭司宰了羊,將血獻在壇上作贖罪祭,為以色列眾人贖罪,因為王吩咐將燔祭和贖罪祭為以色列眾人獻上。
25 Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon’ i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’ i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan’ ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin’ i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
王又派利未人在耶和華殿中敲鈸,鼓瑟,彈琴,乃照大衛和他先見迦得,並先知拿單所吩咐的,就是耶和華藉先知所吩咐的。
26 Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon’ i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
利未人拿大衛的樂器,祭司拿號,一同站立。
27 Ary nasain’ i Hezekia naterina teo ambonin’ ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an’ i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin’ ny zava-manenon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely.
希西家吩咐在壇上獻燔祭,燔祭一獻,就唱讚美耶和華的歌,用號,並用以色列王大衛的樂器相和。
28 Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan’ ny fanatitra dorana.
會眾都敬拜,歌唱的歌唱,吹號的吹號,如此直到燔祭獻完了。
29 Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra teo aminy.
獻完了祭,王和一切跟隨的人都俯伏敬拜。
30 Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’ i Jehovah tamin’ ny teny namboarin’ i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
希西家王與眾首領又吩咐利未人用大衛和先見亞薩的詩詞頌讚耶和華;他們就歡歡喜喜地頌讚耶和華,低頭敬拜。
31 Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon’ i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.
希西家說:「你們既然歸耶和華為聖,就要前來把祭物和感謝祭奉到耶和華殿裏。」會眾就把祭物和感謝祭奉來,凡甘心樂意的也將燔祭奉來。
32 Ary ny isan’ ny fanatitra dorana izay nentin’ ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak’ ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
會眾所奉的燔祭如下:公牛七十隻,公羊一百隻,羊羔二百隻,這都是作燔祭獻給耶和華的;
33 Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman’ osy telo arivo.
又有分別為聖之物,公牛六百隻,綿羊三千隻。
34 Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan’ ny raharaha sy ny nanamasinan’ ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
但祭司太少,不能剝盡燔祭牲的皮,所以他們的弟兄利未人幫助他們,直等燔祭的事完了,又等別的祭司自潔了;因為利未人誠心自潔,勝過祭司。
35 Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran’ ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah.
燔祭和平安祭牲的脂油,並燔祭同獻的奠祭甚多。這樣,耶和華殿中的事務俱都齊備了。
36 Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin’ Andriamanitra ho an’ ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.
這事辦的甚速,希西家和眾民都喜樂,是因上帝為眾民所預備的。

< 2 Tantara 29 >