< 2 Tantara 25 >

1 Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
Amaziah was twenty and five years old when he began to reign; and he reigned twenty and nine years in Jerusalem: and his mother’s name was Jehoaddan of Jerusalem.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin’ ny fony rehetra.
And he did that which was right in the eyes of the LORD, but not with a perfect heart.
3 Ary nony tafapetraka tsara tamin’ ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
Now it came to pass, when the kingdom was established unto him, that he slew his servants which had killed the king his father.
4 Nefa ny zanak’ ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna, dia ao amin’ ny bokin’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy, fa samy ho faty amin’ ny fahotany avy ny olona.
But he put not their children to death, but did according to that which is written in the law in the book of Moses, as the LORD commanded, saying, The fathers shall not die for the children, neither shall the children die for the fathers; but every man shall die for his own sin.
5 Ary novorin’ i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
Moreover Amaziah gathered Judah together, and ordered them according to their fathers’ houses, under captains of thousands and captains of hundreds, even all Judah and Benjamin: and he numbered them from twenty years old and upward, and found them three hundred thousand chosen men, able to go forth to war, that could handle spear and shield.
6 Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin’ ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
He hired also an hundred thousand mighty men of valour out of Israel for an hundred talents of silver.
7 Nefa nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ ny Isiraely; fa tsy omban’ i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
But there came a man of God to him, saying, O king, let not the army of Israel go with thee; for the LORD is not with Israel, [to wit], with all the children of Ephraim.
8 Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin’ ny ady; fa hataon’ Andriamanitra lavo eo anoloan’ ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
But if thou wilt go, do [valiantly], be strong for the battle: God shall cast thee down before the enemy; for God hath power to help, and to cast down.
9 Fa hoy Amazia tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin’ ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
And Amaziah said to the man of God, But what shall we do for the hundred talents which I have given to the army of Israel? And the man of God answered, The LORD is able to give thee much more than this.
10 Dia navahan’ i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ ireo tamin’ ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
Then Amaziah separated them, [to wit], the army that was come to him out of Ephraim, to go home again: wherefore their anger was greatly kindled against Judah, and they returned home in fierce anger.
11 Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin’ ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin’ ny taranak’ i Seïra izy.
And Amaziah took courage, and led forth his people, and went to the Valley of Salt, and smote of the children of Seir ten thousand.
12 Ary ny iray alina sisa nataon’ ny taranak’ i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon’ ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
And [other] ten thousand did the children of Judah carry away alive, and brought them unto the top of the rock, and cast them down from the top of the rock, that they all were broken in pieces.
13 Fa ireo miaramila izay nampodin’ i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan’ ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
But the men of the army which Amaziah sent back, that they should not go with him to battle, fell upon the cities of Judah, from Samaria even unto Beth-horon, and smote of them three thousand, and took much spoil.
14 Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’ i Seïra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
Now it came to pass, after that Amaziah was come from the slaughter of the Edomites, that he brought the gods of the children of Seir, and set them up to be his gods, and bowed down himself before them, and burned incense unto them.
15 Dia nirehitra tamin’ Amazia ny fahatezeran’ i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin’ ny tananao aza?
Wherefore the anger of the LORD was kindled against Amaziah, and he sent unto him a prophet, which said unto him, Why hast thou sought after the gods of the people, which have not delivered their own people out of thine hand?
16 Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
And it came to pass, as he talked with him, that [the king] said unto him, Have we made thee of the king’s counsel? forbear; why shouldest thou be smitten? Then the prophet forbare, and said, I know that God hath determined to destroy thee, because thou hast done this, and hast not hearkened unto my counsel.
17 Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
Then Amaziah king of Judah took advice, and sent to Joash, the son of Jehoahaz the son of Jehu, king of Israel, saying, Come, let us look one another in the face.
18 Fa Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
And Joash king of Israel sent to Amaziah king of Judah, saying, The thistle that was in Lebanon sent to the cedar that was in Lebanon, saying, Give thy daughter to my son to wife: and there passed by a wild beast that was in Lebanon; and trode down the thistle.
19 Lazainao fa namely an’ i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
Thou sayest, Lo, thou hast smitten Edom; and thine heart lifteth thee up to boast: abide now at home; why shouldest thou meddle to [thy] hurt, that thou shouldest fall, even thou, and Judah with thee?
20 Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin’ Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
But Amaziah would not hear; for it was of God, that he might deliver them into the hand [of their enemies], because they had sought after the gods of Edom.
21 Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an’ i Joda.
So Joash king of Israel went up; and he and Amaziah king of Judah looked one another in the face at Beth-shemesh, which belongeth to Judah.
22 Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
And Judah was put to the worse before Israel; and they fled every man to his tent.
23 Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ Joasy, zanak’ i Joahaza, dia nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’ i Joasy efa-jato hakiho ny mandan’ i Jerosalema hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
And Joash king of Israel took Amaziah king of Judah, the son of Joash the son of Jehoahaz, at Beth-shemesh, and brought him to Jerusalem, and brake down the wall of Jerusalem from the gate of Ephraim unto the corner gate, four hundred cubits.
24 Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ Andriamanitra tao amin’ i Obed-edoma sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
And [he took] all the gold and silver, and all the vessels that were found in the house of God with Obed-edom, and the treasures of the king’s house, the hostages also, and returned to Samaria.
25 Ary ny andro niainan’ i Amazia zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
And Amaziah the son of Joash king of Judah lived after the death of Joash son of Jehoahaz king of Israel fifteen years.
26 Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely va izany?
Now the rest of the acts of Amaziah, first and last, behold, are they not written in the book of the kings of Judah and Israel?
27 Ary hatramin’ ny andro nihemoran’ i Amazia tsy nanaraka an’ i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
Now from the time that Amaziah did turn away from following the LORD they made a conspiracy against him in Jerusalem; and he fled to Lachish: but they sent after him to Lachish, and slew him there.
28 Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ ny Joda.
And they brought him upon horses, and buried him with his fathers in the city of Judah.

< 2 Tantara 25 >