< 2 Tantara 19 >

1 Ary Josafata, mpanjakan’ ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
Jehoshaphat the king of Judah returned to his house in peace to Jerusalem.
2 Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’ i Hanany mpahita, ka nanao tamin’ i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’ i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
Jehu the son of Hanani the seer went out to meet him, and said to king Jehoshaphat, "Should you help the wicked, and love those who hate the LORD? Because of this, wrath is on you from before the LORD.
3 Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an’ Andriamanitra ianao.
Nevertheless there are good things found in you, in that you have put away the Asheroth out of the land, and have set your heart to seek God."
4 Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Jehoshaphat lived at Jerusalem: and he went out again among the people from Beersheba to the hill country of Ephraim, and brought them back to the LORD, the God of their fathers.
5 Ary nanendry mpitsara tamin’ ny tany izy, dia tamin’ ny isan-tanàna mimanda eran’ i Joda,
He set judges in the land throughout all the fortified cities of Judah, city by city,
6 ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an’ olona no hitsaranareo, fa ho an’ i Jehovah, sady momba anareo ao amin’ ny fitsarana Izy.
and said to the judges, "Consider what you do: for you do not judge for man, but for the LORD; and he is with you in the judgment.
7 Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an’ i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’ i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan’ olona, na fandraisana kolikoly.
Now therefore let the fear of the LORD be on you. Take heed and do it: for there is no iniquity with the LORD our God, nor respect of persons, nor taking of bribes."
8 Ary tany Jerosalema koa no nanendren’ i Josafata ny sasany tamin’ ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely ho amin’ ny fitsaran’ i Jehovah sy ny adin’ olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin’ izay)
Moreover in Jerusalem Jehoshaphat appointed Levites and priests, and of the heads of the ancestral houses of Israel, for the judgment of the LORD, and for controversies. They returned to Jerusalem.
9 ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin’ ny fahatahorana an’ i Jehovah sy amin’ ny fahamarinana ary amin’ ny fo mahitsy:
He commanded them, saying, "Thus you shall do in the fear of the LORD, faithfully, and with a perfect heart.
10 Na inona na inona no ady avy amin’ ny rahalahinareo izay monina amin’ ny tanànany, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny amin’ ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin’ i Jehovah, fandrao iharan’ ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
Whenever any controversy shall come to you from your brothers who dwell in their cities, between blood and blood, between law and commandment, statutes and ordinances, you shall warn them, that they not be guilty towards the LORD, and so wrath come on you and on your brothers. Do this, and you shall not be guilty.
11 Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin’ ny raharahan’ i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak’ Isimaela, mpanapaka ny taranak’ i Joda, ho lehibenareo amin’ ny raharahan’ ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
Look, Amariah the chief priest is over you in all matters of the LORD; and Zebadiah the son of Ishmael, the ruler of the house of Judah, in all the king's matters: also the Levites shall be officers before you. Deal courageously, and may the LORD be with the good."

< 2 Tantara 19 >