< 2 Tantara 1 >

1 Ary Solomona, zanak’ i Davida, dia nitombo hery tamin’ ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
Solomon the son of David was firmly established in his kingdom, and the LORD his God was with him, and made him exceedingly great.
2 Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia lohan’ ny fianakaviana,
Solomon spoke to all Israel, to the captains of thousands and of hundreds, to the judges, and to every prince in all Israel, the heads of the fathers’ households.
3 ka dia niara-niakatra ho any amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an’ Andriamanitra, ilay nataon’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, tany an-efitra.
Then Solomon, and all the assembly with him, went to the high place that was at Gibeon; for God’s Tent of Meeting was there, which the LORD’s servant Moses had made in the wilderness.
4 Fa fiaran’ Andriamanitra efa nampakarin’ i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin’ izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
But David had brought God’s ark up from Kiriath Jearim to the place that David had prepared for it; for he had pitched a tent for it at Jerusalem.
5 Ary alitara varahina izay nataon’ i Bezalila, zanak’ i Ory zanak’ i Hora, dia teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao.
Moreover the bronze altar that Bezalel the son of Uri, the son of Hur, had made was there before the LORD’s tabernacle; and Solomon and the assembly were seeking counsel there.
6 Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin’ ny alitara varahina teo anatrehan’ i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
Solomon went up there to the bronze altar before the LORD, which was at the Tent of Meeting, and offered one thousand burnt offerings on it.
7 Tamin’ ny alin’ iny no nisehoan’ Andriamanitra tamin’ i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
That night, God appeared to Solomon and said to him, “Ask for what you want me to give you.”
8 Dia hoy Solomona tamin’ Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’ i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
Solomon said to God, “You have shown great loving kindness to David my father, and have made me king in his place.
9 Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka teninao tamin’ i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin’ ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
Now, LORD God, let your promise to David my father be established; for you have made me king over a people like the dust of the earth in multitude.
10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
Now give me wisdom and knowledge, that I may go out and come in before this people; for who can judge this great people of yours?”
11 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain’ ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
God said to Solomon, “Because this was in your heart, and you have not asked riches, wealth, honour, or the life of those who hate you, nor yet have you asked for long life; but have asked for wisdom and knowledge for yourself, that you may judge my people, over whom I have made you king,
12 dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
therefore wisdom and knowledge is granted to you. I will give you riches, wealth, and honour, such as none of the kings have had who have been before you, and none after you will have.”
13 Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin’ ny Isiraely izy.
So Solomon came from the high place that was at Gibeon, from before the Tent of Meeting, to Jerusalem; and he reigned over Israel.
14 Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin’ ireny tanàna fitoeran’ ny kalesy ary tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
Solomon gathered chariots and horsemen. He had one thousand and four hundred chariots and twelve thousand horsemen that he placed in the chariot cities, and with the king at Jerusalem.
15 Ary nataon’ ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
The king made silver and gold to be as common as stones in Jerusalem, and he made cedars to be as common as the sycamore trees that are in the lowland.
16 Avy tany Egypta no nahazoan’ i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ ny mpandranton’ ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.
The horses which Solomon had were brought out of Egypt and from Kue. The king’s merchants purchased them from Kue.
17 Ary ny vidin’ ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an’ ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Syriana.
They imported from Egypt then exported a chariot for six hundred pieces of silver and a horse for one hundred and fifty. They also exported them to the Hittite kings and the Syrian kings.

< 2 Tantara 1 >