< 1 Samoela 6 >

1 Ary ny fiaran’ i Jehovah dia tany amin’ ny tanin’ ny Filistina fito volana.
И беше ковчег Господњи у земљи филистејској седам месеци.
2 Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin’ ny fiaran’ i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin’ ny fitoerany.
Тада дозваше Филистеји свештенике и враче, па им рекоше: Шта ћемо чинити с ковчегом Господњим? Научите нас како ћемо га послати натраг на његово место.
3 Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan’ ny tànany aminareo.
А они рекоше: Ако ћете натраг послати ковчег Бога Израиљевог, не шаљите га празног, него уза њ подајте принос за грех; тада ћете оздравити и дознаћете зашто се рука Његова није одмакла од вас.
4 Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ ireo andrianan’ ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
А они рекоше: Какав ћемо му дати принос за грех? А они рекоше: Према броју кнежевина филистејских пет златних шуљева и пет златних мишева; јер је зло једнако на свима вама и на кнезовима вашим.
5 Koa manaova sarin’ ny vainareo sy sarin’ ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy.
Начините дакле слике од својих шуљева и слике од мишева који кваре земљу, и подајте славу Богу Израиљевом. Може бити да ће олакшати руку своју над вама и над боговима вашим и над земљом вашом.
6 Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian’ ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa?
И зашто бисте били упорног срца као што беху упорног срца Мисирци и Фараон? И пошто учини чудеса на њима, еда ли их тада не пустише, те отидоше?
7 Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin’ ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.
Зато начините једна кола нова, и узмите две краве дојилице, на којима још није био јарам, па упрегните краве у кола, а телад њихову одведите од њих кући.
8 Ary alao ny fiaran’ i Jehovah, ka apetraho eo ambonin’ ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany.
Па узмите ковчег Господњи и метните га на кола; а закладе златне што ћете му дати за грех метните у ковчежић покрај њега, и пустите га нека иде.
9 Ary izahao, ka raha miakatra amin’ ny lalana mankany amin’ ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin’ izay hanjo antsika.
И гледајте: ако пође путем к међи својој у Вет-Семес, Он нам је учинио ово велико зло; ако ли не пође тако, онда ћемо знати да нас се није дохватила рука Његова, него нам се догодило случајно.
10 Dia nataon’ ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin’ ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano.
И учинише тако они људи; и узевши две краве дојилице упрегоше их у кола, а телад њихову затворише код куће.
11 Dia napetrany teo ambonin’ ny sariety ny fiaran’ i Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin’ ny vay.
И метнуше ковчег Господњи на кола, и мали ковчежић с мишима златним и са сликама својих шуљева.
12 Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin’ ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin’ ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary ireo andrianan’ ny Filistina nanaraka azy hatramin’ ny fari-tanin’ i Beti-semesy.
И пођоше краве право путем у Вет-Семес, и једнако иђаху истим путем мучући и не сврћући ни на десно ни на лево; а кнезови филистејски иђаху за њима до међе вет-семешке.
13 Ary ny Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany.
А Вет-Семешани жњаху пшеницу у долини, и подигавши очи своје видеше ковчег, и обрадоваше се видевши га.
14 Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin’ i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon’ ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.
И дођоше кола на њиву Исуса Вет-Семешанина, и стадоше онде. А беше онде велик камен; и исцепаше дрва од кола, и принесоше оне краве на жртву паљеницу Господу.
15 Ary ny Levita nampidina ny fiaran’ i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran’ ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin’ ny vato lehibe; ary tamin’ izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ i Jehovah.
А Левити снимивши ковчег Господњи и ковчежић што беше покрај њега, у коме беху заклади златни, метнуше на онај велики камен; а људи из Вет-Семеса готовише жртве паљенице и принесоше жртве Господу онај дан.
16 Ary raha hitan’ ireo andriana dimy tamin’ ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona androtrizay ihany izy.
А то видевши пет кнезова филистејских вратише се у Акарон исти дан.
17 Ary izao no sary volamenan’ ny vay naterin’ ny Filistina ho fanati-panonerana ho an’ i Jehovah: an’ i Asdoda iray, an’ i Gaza iray, an’ i Askelona iray, an’ i Gata iray, an’ i Ekrona iray;
А ово беху златни шуљеви које дадоше Филистеји Господу за грех: за Азот један, за Газу један, за Аскалон један, за Гат један, за Акарон један.
18 ary ny totozy volamena dia araka ny isan’ ny tanàna rehetra an’ ny Filistina, izay an’ ireo andriana dimy, an’ ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin’ ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran’ i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin’ i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany.
И миши златни беху према броју свих градова филистејских, у пет кнежевина, свих зиданих градова и села неограђених до великог камена, на који метнуше ковчег Господњи, и који је и данас у пољу Исуса Вет-Семешанина.
19 Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren’ ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian’ i Jehovah, ka be dia be no maty.
Али поби Господ неке између Вет-Семешана који загледаше у ковчег Господњи, и поби из народа педесет хиљада и седамдесет људи. И плака народ што га Господ удари великом погибљу.
20 Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan’ izao Jehovah Andriamanitra masìna izao? Ary ho amin’ iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?
И људи из Вет-Семеса рекоше: Ко може остати пред тим Господом Богом Светим? И ка коме ће отићи од нас?
21 Dia naniraka olona nankany amin’ ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin’ ny Filistina ny fiaran’ i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.
И послаше посланике к становницима киријат-јаримским говорећи: Донесоше натраг Филистеји ковчег Господњи, ходите, однесите га к себи.

< 1 Samoela 6 >