< 1 Samoela 13 >

1 Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
Saul hade varit Konung ett år; och som han tu år hade rådit öfver Israel,
2 Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin’ ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin’ ny tany havoan’ i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin’ i Jonatana tany Gibean’ ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
Utvalde han sig tretusend män utur Israel; tutusend voro med Saul i Michmas, och uppå berget BethEl, och ett tusend med Jonathan i Gibea BenJamins; men det andra folket lät han gå, hvar och en i sina hyddo.
3 Ary Jonatana namely ny miaramilan’ ny Filistina, izay tany Geba, ary ren’ ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin’ ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
Och Jonathan slog de Philisteer i deras lägre, som i Gibea var; det kom för de Philisteer. Och Saul lät blåsa i basunen öfver hela landet, och säga: I Ebreer, hörer till.
4 Dia ren’ ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan’ ny Filistina Saoly, ka dia halan’ ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an’ i Saoly ho any Gilgala.
Och hela Israel hörde sägas: Saul hafver slagit de Philisteers lägre; ty Israel luktade illa för de Philisteer, och allt folket ropades till Saul i Gilgal.
5 Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin’ ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan’ i Betavena.
Då församlade sig de Philisteer till att strida med Israel, tretiotusend vagnar, sextusend resenärer, och eljest folk så mycket som sanden i hafsstrandene; och de drogo upp, och lägrade sig i Michmas, östan för BethAven.
6 Ary nony hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin’ ny kirihitrala sy tany, amin’ ny harambato sy tany amin’ ny fierena ary tany amin’ ny lavaka famorian-drano izy.
Då de män af Israel sågo, att de i nöd voro, ty folket var förskräckt, krupo de uti kulor, och klyfter, och klippor, och i hål, och i gropar.
7 Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an’ i Jordana nankany amin’ ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany.
Och de Ebreer drogo öfver Jordan in uti Gads land och Gileads; men Saul var ännu i Gilgal, och allt folket, som följde honom, vardt förtvifladt.
8 Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana nataon’ i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an’ i Saoly.
Då förbidde han i sju dagar, den tiden som Samuel förelagt hade; och efter Samuel icke kom till Gilgal, skingrade sig folket ifrå honom.
9 Ary hoy Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana izy.
Då sade Saul: Bärer mig hit bränneoffer och tackoffer; och han offrade bränneoffer.
10 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy.
Och som han hade fullkomnat bränneoffret, si, då kom Samuel; då gick Saul ut emot honom, till att helsa honom.
11 Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin’ ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina,
Men Samuel sade: Hvad hafver du gjort? Saul svarade: Jag såg att folket förskingrade sig ifrå mig, och du kom icke i rättom tid, och de Philisteer voro församlade i Michmas.
12 dia hoy izaho: Hidina amin’ izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin’ i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana.
Då sade jag: Nu komma de Philisteer hitneder till mig i Gilgal, och jag hafver icke bedit Herrans ansigte; då vågade jag det, och offrade bränneoffer.
13 Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin’ ny Isiraely ho mandrakizay.
Men Samuel sade till Saul: Du hafver gjort dårliga, och icke hållit Herrans dins Guds bud, som han dig budit hafver; ty Herren hade stadfäst ditt rike öfver Israel till evig tid.
14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin’ i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah anao ianao.
Men nu skall ditt rike icke blifva ståndandes. Herren hafver sökt sig en man efter sitt hjerta, honom hafver Herren budit att vara en Förste öfver hans folk; ty du hafver icke hållit Herrans bud.
15 Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean’ ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.
Och Samuel stod upp, och gick ifrå Gilgal upp till Gibea BenJamins. Men Saul talde det folk, som när honom var, vid sexhundrad män.
16 Ary raha mbola nitoetra tany Gibean’ ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin’ izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
Och Saul med hans son Jonathan, och det folk som när honom var, blefvo uppå BenJamins hög; men de Philisteer hade lägrat sig i Michmas.
17 dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin’ ny tobin’ ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin’ ny lalana mankany Ofra ho any amin’ ny tany Solala;
Och utu de Philisteers lägre drogo tre hopar till att förhärja landet. Den ene vände sig inpå den vägen till Ophra uti Sauls land;
18 ary ny iray toko nizotra ho any amin’ ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin’ ny lalana mankany amin’ ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboïma tandrifin’ ny efitra.
Den andre vände sig inpå den vägen till BethHoron; den tredje vände sig på den vägen, som drager åt den dalen Zeboim vid öknena.
19 Ary teny amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo.
Och ingen smed vardt funnen i hela Israels land; förty de Philisteer tänkte, de Ebreer måtte göra svärd och spjut.
20 Ka dia samy nidina ho any amin’ ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny.
Ty måste hela Israel fara neder till de Philisteer, om någor ville låta hvässa sin plogbill, hacko, yxa eller lia;
21 Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.
Och när eggen på liarna, hackorna, gafflarna och yxarna, vardt slö, och uddarna vordo stubbote.
22 Ary tamin’ ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan’ ny vahoaka rehetra izay eo amin’ i Saoly sy Jonatana; fa tamin’ i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.
Då nu stridsdagen kom, vardt intet svärd eller spjut funnet i hela folkens hand, som var med Saul och Jonathan; utan Saul och hans son hade värjor.
23 Ary ny avy tao amin’ ny miaramilan’ ny Filistina nivoaka ho ao amin’ ny hadilanana mankany. Mikmasy.
Och de Philisteers lägre drog fram vid Michmas.

< 1 Samoela 13 >