< 1 Mpanjaka 6 >

1 Ary tamin’ ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta tamin’ ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely, dia nanorina ny tranon’ i Jehovah izy.
イスラエルの人々がエジプトの地を出て後四百八十年、ソロモンがイスラエルの王となって第四年のジフの月すなわち二月に、ソロモンは主のために宮を建てることを始めた。
2 Ary ny trano nataon’ i Solomona mpanjaka ho an’ i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.
ソロモン王が主のために建てた宮は長さ六十キュビト、幅二十キュビト、高さ三十キュビトであった。
3 Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan’ ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan’ ny trano ihany.
宮の拝殿の前の廊は宮の幅にしたがって長さ二十キュビト、その幅は宮の前で十キュビトであった。
4 Ary ny varavarankelin’ ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
彼は宮に、内側の広い枠の窓を造った。
5 Ary tamin’ ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin’ ny ati-trano lehibe, na amin’ ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
また宮の壁につけて周囲に脇屋を設け、宮の壁すなわち拝殿と本殿の壁の周囲に建てめぐらし、宮の周囲に脇間があるようにした。
6 ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan’ ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin’ ny rindrina.
下の脇間は広さ五キュビト、中の広さ六キュビト、第三のは広さ七キュビトであった。宮の外側には壁に段を造って、梁を宮の壁の中に差し込まないようにした。
7 Ary tamin’ ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin’ ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon’ ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin’ ny nanaovany azy.
宮は建てる時に、石切り場で切り整えた石をもって造ったので、建てている間は宮のうちには、つちも、おのも、その他の鉄器もその音が聞えなかった。
8 Ny varavarana mankao amin’ ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin’ ny ilany ankavanan’ ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin’ ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin’ ny fahatelony.
下の脇間の入口は宮の右側にあり、回り階段によって中の脇間に、中の脇間から第三の脇間にのぼった。
9 Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon’ ny trano.
こうして彼は宮を建て終り、香柏のたるきと板をもって宮の天井を造った。
10 Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin’ ny trano.
また宮につけて、おのおの高さ五キュビトの脇間のある脇屋を建てめぐらし、香柏の材木をもって宮に接続させた。
11 Ary ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Solomona nanao hoe:
そこで主の言葉がソロモンに臨んだ、
12 Ny amin’ ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin’ i Davida rainao;
「あなたが建てるこの宮については、もしあなたがわたしの定めに歩み、おきてを行い、すべての戒めを守り、それに従って歩むならば、わたしはあなたの父ダビデに約束したことを成就する。
13 ary hitoetra ao amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
そしてわたしはイスラエルの人々のうちに住み、わたしの民イスラエルを捨てることはない」。
14 Ary nataon’ i Solomona ny trano, ka dia vitany.
こうしてソロモンは宮を建て終った。
15 Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin’ ny vodi-rindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon’ ny trano.
彼は香柏の板をもって宮の壁の内側を張った。すなわち宮の床から天井のたるきまで香柏の板で張った。また、いとすぎの板をもって宮の床を張った。
16 Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin’ ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin’ ny vodirindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masìna indrindra.
また宮の奥に二十キュビトの室を床から天井のたるきまで香柏の板をもって造った。すなわち宮の内に至聖所としての本堂を造った。
17 Ary ny lavan’ ny ati-trano lehibe teo anoloan’ io dia efa-polo hakiho.
宮すなわち本殿の前にある拝殿は長さ四十キュビトであった。
18 Ary ny sedera amin’ ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin’ ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
宮の内側の香柏の板は、ひさごの形と、咲いた花を浮彫りにしたもので、みな香柏の板で、石は見えなかった。
19 Nanisy efitra anatiny tao anatin’ ny trano izy hametrahany ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah.
そして主の契約の箱を置くために、宮の内の奥に本殿を設けた。
20 Ary teo anoloan’ ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
本殿は長さ二十キュビト、幅二十キュビト、高さ二十キュビトであって、純金でこれをおおった。また香柏の祭壇を造った。
21 Ary nopetahan’ i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin’ ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan’ ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.
ソロモンは純金をもって宮の内側をおおい、本殿の前に金の鎖をもって隔てを造り、金をもってこれをおおった。
22 Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.
また金をもって残らず宮をおおい、ついに宮を飾ることをことごとく終えた。また本殿に属する祭壇をことごとく金でおおった。
23 Ary tao anatin’ ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa, samy folo hakiho avy no hahavony.
本殿のうちにオリブの木をもって二つのケルビムを造った。その高さはおのおの十キュビト。
24 Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin’ ny tendron’ elany anankiray ka hatramin’ ny tendron’ elany anankiray.
そのケルブの一つの翼の長さは五キュビト、またそのケルブの他の翼の長さも五キュビトであった。一つの翼の端から他の翼の端までは十キュビトあった。
25 Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:
他のケルブも十キュビトであって、二つのケルビムは同じ寸法、同じ形であった。
26 Folo hakiho ny hahavon’ ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
このケルブの高さは十キュビト、かのケルブの高さも同じであった。
27 Ary ny kerobima nataony tao afovoan’ ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin’ ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan’ ny trano.
ソロモンは宮のうちの奥にケルビムをすえた。ケルビムの翼を伸ばしたところ、このケルブの翼はこの壁に達し、かのケルブの翼はかの壁に達し、他の二つの翼は宮の中で互に触れ合った。
28 Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
彼は金をもってそのケルビムをおおった。
29 Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.
彼は宮の周囲の壁に、内外の室とも皆ケルビムと、しゅろの木と、咲いた花の形の彫り物を刻み、
30 Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin’ ny efi-trano anatiny, na ny teo amin’ ny ati-trano lehibe.
宮の床は、内外の室とも金でおおった。
31 Ary ny varavarana mankao amin’ ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin’ ny sakan-trano.
本殿の入口にはオリブの木のとびらを造った。そのとびらの上のかまちと脇柱とで五辺形をなしていた。
32 Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.
その二つのとびらもオリブの木であって、ソロモンはその上にケルビムと、しゅろの木と、咲いた花の形を刻み、金をもっておおった。すなわちケルビムと、しゅろの木の上に金を着せた。
33 Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin’ ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.
こうしてソロモンはまた拝殿の入口のためにオリブの木で四角の形に脇柱を造った。
34 Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.
その二つのとびらはいとすぎであって、一つのとびらは二つにたたむ折り戸であり、他のとびらも二つにたたむ折り戸であった。
35 Ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.
ソロモンはその上にケルビムと、しゅろの木と、咲いた花を刻み、金をもって彫り物の上を形どおりにおおった。
36 Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin’ ny vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana izy.
また切り石三かさねと、香柏の角材ひとかさねとをもって内庭を造った。
37 Tamin’ ny volana Ziva tamin’ ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
第四年のジフの月に主の宮の基をすえ、
38 Ary tamin’ ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
第十一年のブルの月すなわち八月に、宮のすべての部分が設計どおりに完成した。ソロモンはこれを建てるのに七年を要した。

< 1 Mpanjaka 6 >