< 1 Mpanjaka 22 >

1 Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
Bahlala-ke iminyaka emithathu kungekho impi phakathi kweSiriya loIsrayeli.
2 Ary nony tamin’ ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
Kwasekusithi ngomnyaka wesithathu uJehoshafathi inkosi yakoJuda wehlela enkosini yakoIsrayeli.
3 Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Syria?
Inkosi yakoIsrayeli yasisithi encekwini zayo: Liyazi yini ukuthi iRamothi-Gileyadi ingeyethu? Kodwa sithule, singayithathi esandleni senkosi yeSiriya.
4 Ary hoy koa izy tamin’ i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an’ i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
Yasisithi kuJehoshafathi: Uzahamba lami empini eRamothi-Gileyadi yini? UJehoshafathi wasesithi enkosini yakoIsrayeli: Nginjengawe, njengabantu bami banjalo abantu bakho, njengamabhiza ami anjalo amabhiza akho.
5 Ary hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin’ i Jehovah.
UJehoshafathi wasesithi enkosini yakoIsrayeli: Akubuze lamuhla ilizwi leNkosi.
6 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an’ i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Inkosi yakoIsrayeli yasibuthanisa abaprofethi abangaba ngamadoda angamakhulu amane, yathi kubo: Ngihambe yini ukuyamelana leRamothi-Gileyadi empini kumbe ngiyekele? Basebesithi: Yenyuka, ngoba iNkosi izayinikela esandleni senkosi.
7 Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’ i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
UJehoshafathi wasesithi: Kakusekho yini lapha umprofethi weNkosi esingambuza?
8 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak’ i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
Inkosi yakoIsrayeli yasisithi kuJehoshafathi: Kusekhona indoda eyodwa, uMikhaya indodana kaImla, esingabuza ngaye eNkosini, kodwa mina ngiyamzonda, ngoba kaprofethi okuhle ngami, kodwa okubi. UJehoshafathi wasesithi: Inkosi ingatsho njalo.
9 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak’ i Jimla.
Inkosi yakoIsrayeli yasibiza induna yathi: Landa masinyane uMikhaya indodana kaImla.
10 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
Inkosi yakoIsrayeli loJehoshafathi inkosi yakoJuda babehlezi, ngulowo lalowo esihlalweni sakhe sobukhosi, begqoke izembatho zabo, besebaleni lokubhulela ekungeneni kwesango leSamariya, njalo bonke abaprofethi babeprofetha phambi kwabo.
11 Ary Zedekia, zanak’ i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
UZedekhiya indodana kaKhenahana wasezenzela izimpondo zensimbi, wathi: Itsho njalo iNkosi: Ngalezi uzahlaba amaSiriya uze uwaqede.
12 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.
Labo bonke abaprofethi baprofetha njalo, besithi: Yenyukela eRamothi-Gileyadi, uphumelele; ngoba uJehova uzayinikela esandleni senkosi.
13 Ary ilay iraka izay nandeha naka an’ i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an’ ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ ny anankiray amin’ ireo, ka mba mitenena soa koa.
Isithunywa esasiyebiza uMikhaya sakhuluma laye sathi: Khangela-ke, amazwi abaprofethi ngamlomo munye mahle enkosini; ake ilizwi lakho lifanane lelizwi lomunye wabo, ukhulume okuhle.
14 Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain’ i Jehovah amiko ihany no hambarako.
Kodwa uMikhaya wathi: Kuphila kukaJehova, lokho iNkosi ekutshoyo kimi lokho ngizakukhuluma.
15 Dia nankany amin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr’ i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Esefikile enkosini, inkosi yathi kuye: Mikhaya, siye eRamothi-Gileyadi empini kumbe siyekele? Wasesithi kuyo: Yenyuka, uphumelele; ngoba uJehova uzayinikela esandleni senkosi.
16 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ ny anaran’ i Jehovah afa-tsy izay marina ihany
Inkosi yasisithi kuye: Ngizakufungisa kuze kube kangaki ukuthi ungangitsheli lutho ngaphandle kweqiniso ebizweni leNkosi?
17 Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
Wasesithi: Ngabona uIsrayeli wonke ehlakazekile phezu kwezintaba njengezimvu ezingelamelusi; uJehova wathi: Laba kabalankosi, kababuyele, ngulowo lalowo endlini yakhe ngokuthula.
18 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
Inkosi yakoIsrayeli yasisithi kuJehoshafathi: Kangikutshelanga yini ukuthi kayikuprofetha okuhle ngami kodwa okubi?
19 Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Wasesithi: Ngakho zwana ilizwi leNkosi: Ngibone iNkosi ihlezi esihlalweni sayo sobukhosi, lamabutho wonke amazulu emi phansi kwayo ngakwesokunene sayo langakwesokhohlo sayo.
20 Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
INkosi yasisithi: Ngubani ozahuga uAhabi ukuthi enyuke ayewela eRamothi-Gileyadi? Omunye-ke watsho njalo, lomunye watsho njalo.
21 Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin’ inona anefa?
Kwasekuphuma umoya, wema phambi kweNkosi wathi: Mina ngizamhuga.
22 Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
INkosi yasisithi kuye: Ngani? Wasesithi: Ngizaphuma ngibe ngumoya wamanga emlonyeni wabo bonke abaprofethi bakhe. Yasisithi: Uzamhuga, njalo uzaphumelela; phuma wenze njalo.
23 Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
Ngakho-ke, khangela, iNkosi ifake umoya wamanga emlonyeni walababaprofethi bakho bonke, njalo iNkosi ikhulume okubi ngawe.
24 Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
UZedekhiya indodana kaKhenahana wasesondela, watshaya uMikhaya esihlathini, wathi: UMoya weNkosi wedlula ngani esuka kimi ukuyakhuluma lawe?
25 Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin’ ny andro hidiranao ao amin’ ny efi-trano anatiny hierenao.
UMikhaya wasesithi: Khangela, uzakubona mhlalokho lapho uzangena ekamelweni elingaphakathi ukuyacatsha.
26 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin’ i Amona, komandin’ ny tanàna, sy ho any amin’ i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
Inkosi yakoIsrayeli yasisithi: Thatha uMikhaya, mbuyisele kuAmoni umbusi womuzi lakuJowashi indodana yenkosi,
27 ka lazao hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
uthi: Itsho njalo inkosi: Fakani lo entolongweni, limdlise isinkwa sohlupho lamanzi ohlupho ngize ngibuye ngokuthula.
28 Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin’ i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
UMikhaya wasesithi: Uba uphenduka isibili ngokuthula, iNkosi kayikhulumanga ngami. Wasesithi: Zwanini, bantu, lina lonke.
29 Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
Inkosi yakoIsrayeli loJehoshafathi inkosi yakoJuda basebesenyukela eRamothi-Gileyadi.
30 Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin’ ny ady.
Inkosi yakoIsrayeli yasisithi kuJehoshafathi: Ngizazifihla isimo, ngingene empini, kodwa wena gqoka izembatho zakho. Inkosi yakoIsrayeli yasizifihla isimo, yangena empini.
31 Fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin’ ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, afa-tsy amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ihany.
Inkosi yeSiriya yayilaye induna zezinqola ezingamatshumi amathathu lambili ayelazo, esithi: Lingalwi lomncinyane loba lomkhulu, kodwa lenkosi yakoIsrayeli kuphela.
32 Ary nony nahita an’ i Josafata ireo komandin’ ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata.
Kwasekusithi induna zezinqola zibona uJehoshafathi zona zathi: Isibili yiyo inkosi yakoIsrayeli. Zaseziphambuka ukulwa zimelene layo; uJehoshafathi waseklabalala.
33 Ary rehefa hitan’ ireo komandin’ ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
Kwasekusithi induna zezinqola zibona ukuthi kwakungeyisiyo inkosi yakoIsrayeli, zaphenduka ekuyilandeleni.
34 Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ ny Isiraely teo anelanelan’ ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin’ ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin’ ny ady aho, fa voa.
Umuntu othile wasedonsa idandili lakhe engananzeleli, wahlaba inkosi yakoIsrayeli phakathi kwenhlangano lebhatshi lensimbi; yasisithi kumtshayeli wenqola yayo: Phendula isandla sakho, ungikhuphe phakathi kwebutho, ngoba ngilimele kakhulu.
35 Ary nihamafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin’ ny kalesiny tandrifin’ ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin’ ny efa voa ho ao anatin’ ny kalesy.
Impi yasikhula mhlalokho; njalo inkosi yayisekelwe enqoleni yayo iqondene lamaSiriya, yafa ntambama; igazi lenxeba lagelezela ngaphansi kwenqola.
36 Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran’ ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin’ ny taniny avy!
Ekutshoneni kwelanga kwadabula isimemezelo ebuthweni sisithi: Wonke kaye emzini wakibo, laye wonke elizweni lakibo.
37 Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
Ngakho inkosi yafa, yalethwa eSamariya; basebeyingcwaba inkosi eSamariya.
38 Ary nony nosasana teo am-parihin’ i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin’ i Jehovah.
Omunye wasegezisa inqola echibini leSamariya, lezinja zakhotha igazi layo, lapho amawule ayegeza khona, njengokwelizwi leNkosi eyalikhulumayo.
39 Ary ny tantaran’ i Ahaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Ezinye-ke zezindaba zikaAhabi, lakho konke akwenzayo, lendlu yempondo zendlovu ayakhayo, lemizi yonke ayakhayo, kakubhalwanga yini egwalweni lwemilando yamakhosi akoIsrayeli?
40 Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
UAhabi waselala laboyise. UAhaziya indodana yakhe wasesiba yinkosi esikhundleni sakhe.
41 Ary Josafata, zanak’ i Asa, vao nanjaka tamin’ ny Joda tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely.
UJehoshafathi indodana kaAsa waba-ke yinkosi phezu kukaJuda ngomnyaka wesine kaAhabi inkosi yakoIsrayeli.
42 Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin’ i Sily.
Njalo uJehoshafathi wayeleminyaka engamatshumi amathathu lanhlanu lapho esiba yinkosi; wabusa eJerusalema iminyaka engamatshumi amabili lanhlanu. Lebizo likanina lalinguAzuba indodakazi kaShilehi.
43 Ary nandeha tamin’ ny lalana rehetra izay nalehan’ i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’ izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah; kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany.
Njalo wahamba ngayo yonke indlela kaAsa uyise, kaphambukanga kuyo, ukwenza okulungileyo emehlweni eNkosi. Loba kunjalo indawo eziphakemeyo kazisuswanga; abantu babelokhu benikela imihlatshelo, betshisa impepha endaweni eziphakemeyo.
44 Ary Josafata nanao fihavanana tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
UJehoshafathi wasesenza ukuthula lenkosi yakoIsrayeli.
45 Ary ny tantaran’ i Josafata sisa sy ny heriny mbamin’ ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Ezinye-ke zezindaba zikaJehoshafathi, lobuqhawe abenzayo, lokuthi walwa njani, kakubhalwanga yini egwalweni lwemilando yamakhosi akoJuda?
46 Ary ny sisa amin’ ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin’ ny andron’ i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin’ ny tany.
Lensali yezinkotshana ezazisele ensukwini zikaAsa uyise wayikhupha elizweni.
47 Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
Njalo eEdoma kwakungelankosi, umbambeli wayeyinkosi.
48 Ary Josafata nanao sambon’ i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.
UJehoshafathi wenza imikhumbi yeThashishi ukuya eOfiri ukulanda igolide; kodwa kayiyanga, ngoba imikhumbi yephukela eEziyoni-Geberi.
49 Dia hoy Ahazia, zanak’ i Ahaba, tamin’ i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin’ ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
Ngalesosikhathi uAhaziya indodana kaAhabi wathi kuJehoshafathi: Inceku zami kazihambe lenceku zakho emikhunjini. Kodwa uJehoshafathi kafunanga.
50 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
UJehoshafathi waselala laboyise, wangcwatshelwa kuboyise emzini kaDavida uyise. UJoramu indodana yakhe wasesiba yinkosi esikhundleni sakhe.
51 Ahazia, zanak’ i Ahaba, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria tamin’ ny taona fahafito ambin’ ny folo nanjakan’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
UAhaziya indodana kaAhabi waba yinkosi phezu kukaIsrayeli eSamariya ngomnyaka wetshumi lesikhombisa kaJehoshafathi inkosi yakoJuda; wabusa phezu kukaIsrayeli iminyaka emibili.
52 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny rainy sy ny reniny ary tamin’ ny lalan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanota ny Isiraely;
Wasesenza okubi emehlweni eNkosi, wahamba ngendlela kayise, langendlela kanina, langendlela kaJerobhowamu indodana kaNebati owenza uIsrayeli one.
53 ary nanompo an’ i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.
Wasekhonza uBhali, wakhothamela kuye, wayithukuthelisa iNkosi, uNkulunkulu kaIsrayeli, njengakho konke ayekwenzile uyise.

< 1 Mpanjaka 22 >