< 1 Korintiana 3 >

1 Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’ izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’ izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’ i Kristy.
Ndipo abale sindikanakuyankhulani ngati auzimu koma adziko lapansi, makanda chabe mwa Khristu.
2 Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
Ndinakupatsani mkaka osati chakudya cholimba pakuti munali musanakonzeke kuchilandira. Zoonadi, simunakonzekebe.
3 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ ny olona?
Mukanali adziko lapansi. Pakuti pakati panu pali kaduka ndi kukangana, kodi si inu a dziko lapansi? Kodi simukuchita ngati anthu wamba?
4 Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an’ i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an’ i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
Pamene wina anena kuti, “Ine ndimatsatira Paulo,” ndipo wina akuti, “Ine ndimatsatira Apolo,” Kodi si inu akunja?
5 Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ ny Tompo azy avy.
Ndiponso kodi Apolo ndi ndani? Nanga Paulo ndi ndani? Otumikira chabe, omwe kudzera mwa iwo inu munakhulupirira monga Ambuye anawagawira aliyense ntchito yake.
6 Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
Ine ndinadzala mbewu, Apolo anayithirira, koma Mulungu ndiye anayikulitsa.
7 Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
Choncho kuphatikiza iye wodzala ndi iye wothirira, onse sali kanthu, koma Mulungu yekha amene amakulitsa zinthu.
8 Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
Munthu wodzala ndi munthu wothirira ali ndi cholinga chimodzi, ndipo aliyense adzapatsidwa mphotho molingana ndi ntchito yake.
9 Fa mpiara-miasa amin’ Andriamanitra izahay; ary sahan’ Andriamanitra sy trano arafitr’ Andriamanitra ianareo.
Pakuti ife ndife antchito anzake a Mulungu; inu ndinu munda wa Mulungu, Nyumba ya Mulungu.
10 Araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
Mwachisomo chimene Mulungu wandipatsa, ine ndinayika maziko monga mmisiri waluntha, ndipo ena akumangapo. Koma aliyense ayenera kuchenjera mmene akumangira.
11 Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
Pakuti wina sangayikenso maziko ena oposera amene anakhazikitsidwa kale, amene ndi Yesu Khristu.
12 Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ ny fanorenana,
Ngati munthu aliyense amanga pa maziko awa pogwiritsa ntchito golide, siliva, miyala yamtengowapatali, milimo yamitengo, tsekera kapena udzu,
13 dia haseho avokoa ny asan’ ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ ny afo ny asan’ ny olona rehetra.
ntchito yake idzaonekera pamene Tsiku la chiweruzo lidzazionetsa poyera. Tsikulo lidzafika ndi moto, ndipo motowo ndi umene udzayesa ntchito ya munthu aliyense.
14 Raha maharitra ny asan’ ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
Ngati zimene zamangidwazo sizidzagwa, adzalandira mphotho yake.
15 Raha ho levon’ ny afo ny asan’ ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ ny afo ihany izy.
Ndipo ngati zidzanyeke ndi moto, sadzalandira mphotho koma iye mwini adzapulumukabe, koma monga ngati munthu amene wapulumuka mʼmoto.
16 Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
Kodi inu simukudziwa kuti ndinu Nyumba ya Mulungu ndipo kuti Mzimu wa Mulungu amakhala mwa inu?
17 Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’ Andriamanitra kosa izy; fa masìna ny tempolin’ Andriamanitra, dia ianareo izany.
Ngati wina aliyense awononga Nyumba ya Mulunguyo, Mulungu nayenso adzamuwononga ameneyo; popeza Nyumba ya Mulungu ndi yopatulika ndipo Nyumbayo ndi inu amene.
18 Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’ izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. (aiōn g165)
Choncho musadzinyenge. Ngati wina wa inu akuganiza kuti ndi wanzeru pa mulingo wa mʼbado uno, ayenera kukhala “wopusa” kuti athe kukhala wanzeru. (aiōn g165)
19 Fa ny fahendren’ izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy.
Pakuti nzeru ya dziko lapansi ndi yopusa pamaso pa Mulungu. Monga kwalembedwera kuti, “Iye amakola anthu ochenjera mu msampha wa kuchenjera kwawo,”
20 Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany
ndiponso, “Ambuye amadziwa kuti maganizo a wanzeru ndi opandapake.”
21 Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
Choncho, wina asanyadire anthu chabe! Zonse ndi zanu,
22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
kaya Paulo kapena Apolo kapena Kefa kapena dziko lapansi, kapena moyo, kapena imfa, kapena tsopano, kapena mʼtsogolo, zonse ndi zanu,
23 ary ianareo an’ i Kristy ary Kristy an’ Andriamanitra.
ndipo inu ndinu a Khristu, ndipo Khristu ndi wa Mulungu.

< 1 Korintiana 3 >