< 1 Korintiana 14 >

1 Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
Labour after charity, and be desirous of spiritual gifts: but especially that ye may prophesy.
2 Fa izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin’ olona, fa amin’ Andriamanitra; fa amin’ ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
For he, that speaketh in an unknown tongue, speaketh not to men, but to God: for no one understandeth, though in spirit he speaketh mysteries.
3 fa izay maminany kosa miteny amin’ olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
But he, that prophesieth, speaketh edification, and exhortation, and comfort to men.
4 Izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.
He, that speaketh in an unknown tongue, edifieth himself: but he, that prophesieth, edifieth the church.
5 Tiako raha samy hiteny amin’ ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan’ ny fiangonana fampandrosoana.
I could wish that ye all spake with tongues, but rather that ye prophesied: for greater is he that prophesieth than he that speaketh with tongues, except he interpret, that the church may receive edification.
6 Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin’ izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
Now, my brethren, if I come to you speaking with many tongues, what shall I profit you, unless I speak intelligibly to you of revelation, or knowledge, or prophecy, or doctrine?
7 Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin’ ny sodina, na amin’ ny lokanga?
As inanimate things which give a found, whether pipe or harp, unless they give a distinction in the sounds, how shall what is piped or harped be understood?
8 Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
For if the trumpet give an uncertain sound, who will prepare himself for the battle?
9 Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin’ ny rivotra ianareo.
So also unless ye utter by the tongue intelligible words, how shall what is spoken be understood? for thus ye will be only talking to the wind.
10 Misy fiteny maro samy hafa amin’ izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
There are, it may be, as many kinds of voices in the world as people, and none of them insignificant.
11 Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin’ izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.
But if I know not the force of the words, I shall be to him that speaketh a barbarian, and he that speaketh will be a barbarian to me.
12 Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.
So ye also, since ye are so desirous of spiritual gifts, seek to abound in them to the edification of the church.
13 Koa aoka izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
Wherefore let him, that speaketh in an unknown tongue, pray that he may interpret.
14 Fa raha mivavaka amin’ ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.
For if I pray in an unknown tongue, my spirit indeed prayeth, but my meaning is fruitless.
15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
What is then to be done? I will pray with the Spirit, but I will pray to be understood: I will sing with the spirit, but I will sing to be understood.
16 Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon’ izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
For if thou bless in the spirit, how shall the unlearned say Amen to thy thanksgiving, when he knoweth not what thou sayst?
17 Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
thou indeed givest thanks well, but the other is not edified.
18 Misaotra an’ Andriamanitra aho fa miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;
I thank God, I speak with tongues more than you all.
19 nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ ny fiteny tsy fantatra.
But in a public assembly I had rather speak five words to be understood, that I may instruct others also, than ten thousand words in an unknown tongue.
20 Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin’ ny fahalalana; raha amin’ ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
My brethren, be not children in sense: but in malice be infants, and in your judgements shew yourselves to be men.
21 Voasoratra amin’ ny lalàna hoe: Amin’ ny olona hafa fiteny sy amin’ ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ ity firenena ity; fa na dia amin’ izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah.
It is written in the law, "By men of another language, and by other lips, will I speak to this people, and even so they will not listen to me, saith the Lord."
22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin’ ny tsy mino, fa tsy amin’ ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin’ ny mino, fa tsy amin’ ny tsy mino.
So that tongues are for a sign, not to believers but to unbelievers: but prophecy not to unbelievers but to those that believe.
23 Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo?
If then the whole church be come together and all speak in unknown tongues, and there come in illiterate persons, or infidels, will they not say that ye are mad?
24 Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ ny anatra ataon’ izy rehetra izy sady hotsarain’ izy rehetra;
But if all prophesy, and there come in an unbeliever, or one unlearned, he is convinced by all, he is judged by all.
25 ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’ Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
And thus the secrets of his heart are made manifest; so that falling down upon his face he will worship God, declaring that God is indeed among you.
26 Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
What is then to be done, my brethren? when ye come together, if any of you hath a psalm, a doctrine, a tongue, a revelation, an interpretation, ---let all be done for edification.
27 Raha misy miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
And if any one speak in an unknown tongue, let it be by two, or at most by three, and that by turns; and let one interpret.
28 Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin’ ny fiangonana; fa aoka hiteny amin’ ny tenany sy amin’ Andriamanitra ihany izy.
But if there be no interpreter, let him be silent in the assembly; and let him speak to himself and to God.
29 Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
And let but two or three of the prophets speak, and the others judge.
30 Fa raha misy tsindrian’ ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
And if any thing be revealed to another sitting by, let the first have done speaking before the other begins.
31 fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran’ izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
For ye may all prophesy one by one, that all may learn, and all may be comforted.
32 ary ny fanahin’ ny mpaminany dia manaiky hozakain’ izy mpaminany.
And the spirits of the prophets are subject to the prophets:
33 Fa Andriamanitra tsy tompon’ ny fikotronana, fa tompon’ ny fiadanana. Araka ny fanaon’ ny fiangonan’ ny olona masìna rehetra,
for God is not the author of confusion, but of peace, as we see in all the assemblies of the saints.
34 dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain’ ny lalàna koa.
Let your women be silent in your assemblies: for it is not permitted to them to speak, but they are to be in subjection, as the law saith.
35 Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
And if they would learn any thing, let them ask their own husbands at home; for it does not become women to speak in a public assembly.
36 Avy aminareo va no nihavian’ ny tenin’ Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
Did the word of God come out first from you? or did it come to you only?
37 Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
If any one seem to be a prophet, or acted by the Spirit, let him acknowlege that what I write to you are the commandments of the Lord.
38 Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
But if any will be ignorant, let him be ignorant.
39 Koa amin’ izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ ny fiteny tsy fantatra;
Wherefore, my brethren, be most desirous to prophesy, and yet forbid not to speak with tongues:
40 kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ ny fahamendrehana sy ny filaminana.
but let all things be done decently and in order.

< 1 Korintiana 14 >