< 1 Tantara 27 >

1 Ary ny amin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny isany, dia ny lohan’ ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’ izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan’ ny isan-tokony.
以色列人的族長、千夫長、百夫長,和官長都分定班次,每班是二萬四千人,週年按月輪流,替換出入服事王。
2 Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin’ ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak’ i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina;
正月第一班的班長是撒巴第業的兒子雅朔班;他班內有二萬四千人。
3 isan’ ny taranak’ i Fareza izy sady lohan’ ny mpifehy rehetra tamin’ ny miaramila amin’ ny volana voalohany.
他是法勒斯的子孫,統管正月班的一切軍長。
4 Ary ny nifehy ny antokony ho amin’ ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan’ ny antokony; ary ny antokon’ ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.
二月的班長是亞哈希人朵代,還有副官密基羅;他班內有二萬四千人。
5 Ny komandin’ ny antokony fahatelo tamin’ ny miaramila, ho amin’ ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak’ i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
三月第三班的班長是祭司耶何耶大的兒子比拿雅;他班內有二萬四千人。
6 Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin’ izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan’ ny antokony.
這比拿雅是那三十人中的勇士,管理那三十人;他班內又有他兒子暗米薩拔。
7 Ny fahefatra, ho amin’ ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
四月第四班的班長是約押的兄弟亞撒黑。接續他的是他兒子西巴第雅;他班內有二萬四千人。
8 Ny fahadimy, ho amin’ ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
五月第五班的班長是伊斯拉人珊合;他班內有二萬四千人。
9 Ny fahenina, ho amin’ ny volana fahenina, dia Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
六月第六班的班長是提哥亞人益吉的兒子以拉;他班內有二萬四千人。
10 Ny fahafito, ho amin’ ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan’ ny taranak’ i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
七月第七班的班長是以法蓮族比倫人希利斯;他班內有二萬四千人。
11 Ny fahavalo, ho amin’ ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan’ ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
八月第八班的班長是謝拉族戶沙人西比該;他班內有二萬四千人。
12 Ny fahasivy, ho amin’ ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan’ ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
九月第九班的班長是便雅憫族亞拿突人亞比以謝;他班內有二萬四千人。
13 Ny fahafolo, ho amin’ ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan’ ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
十月第十班的班長是謝拉族尼陀法人瑪哈萊;他班內有二萬四千人。
14 Ny fahiraika ambin’ ny folo, ho amin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo, dia Benaia Piratonita, isan’ ny taranak’ i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
十一月第十一班的班長是以法蓮族比拉頓人比拿雅;他班內有二萬四千人。
15 Ny faharoa ambin’ ny folo, ho amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo, dia Helday Netofatita, isan’ ny taranak’ i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
十二月第十二班的班長是俄陀聶族尼陀法人黑玳;他班內有二萬四千人。
16 Ary izao no lohan ny firenen’ Isiraely: Tamin’ ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin’ i Zikry; tamin’ ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin’ i Maka;
管理以色列眾支派的記在下面:管呂便人的是細基利的兒子以利以謝;管西緬人的是瑪迦的兒子示法提雅;
17 tamin’ ny Levita dia Hasabia, zanakalahin’ i Kemoela; tamin’ ny Aronita dia Zadoka;
管利未人的是基母利的兒子哈沙比雅;管亞倫子孫的是撒督;
18 tamin’ ny Joda dia Eliho, izay isan’ ny rahalahin’ i Davida; tamin’ ny Isakara dia Omry, zanakalahin’ i Mikaela;
管猶大人的是大衛的一個哥哥以利戶;管以薩迦人的是米迦勒的兒子暗利;
19 tamin’ ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin’ i Obadia; tamin’ ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin’ i Azriela;
管西布倫人的是俄巴第雅的兒子伊施瑪雅;管拿弗他利人的是亞斯列的兒子耶利摩;
20 tamin’ ny taranak’ i Efraima dia Hosea, zanakalahin’ i Azazia; tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Joela, zanakalahin’ i Pedaia;
管以法蓮人的是阿撒細雅的兒子何細亞;管瑪拿西半支派的是毗大雅的兒子約珥;
21 tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin’ i Zakaria; tamin’ ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin’ i Abnera;
管基列地瑪拿西那半支派的是撒迦利亞的兒子易多;管便雅憫人的是押尼珥的兒子雅西業;
22 tamin’ ny Dana dia Azarela, zanakalahin’ i Jerohama. Ireo no lohan’ ny firenen’ Isiraely.
管但人的是耶羅罕的兒子亞薩列。以上是以色列眾支派的首領。
23 Nefa tsy nanisa ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho midìna Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra Izy.
以色列人二十歲以內的,大衛沒有記其數目;因耶和華曾應許說,必加增以色列人如天上的星那樣多。
24 Joaba, zanak’ i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Isiraely tamin’ izany, ka dia tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Davida mpanjaka ny isany.
洗魯雅的兒子約押動手數點,當時耶和華的烈怒臨到以色列人;因此,沒有點完,數目也沒有寫在大衛王記上。
25 Ary ny tonian’ ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak’ i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin’ ny tanàna, na tamin’ ny vohitra, na tamin’ ny tilikambo, dia Jonatana, zanak’ i Ozia;
掌管王府庫的是亞疊的兒子押斯馬威。掌管田野城邑村莊保障之倉庫的是烏西雅的兒子約拿單。
26 ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak’ i Keloba;
掌管耕田種地的是基綠的兒子以斯利。
27 ary ny tonian’ ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian’ ny divay tehirizina any amin’ ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
掌管葡萄園的是拉瑪人示每。掌管葡萄園酒窖的是實弗米人撒巴底。
28 ary ny tonian’ ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian’ ny diloilo tehirizina dia Joasy;
掌管高原橄欖樹和桑樹的是基第利人巴勒‧哈南。掌管油庫的是約阿施。
29 ary ny tonian’ ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian’ ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak’ i Adlay;
掌管沙崙牧放牛群的是沙崙人施提賚。掌管山谷牧養牛群的是亞第賚的兒子沙法。
30 ary ny tonian’ ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian’ ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
掌管駝群的是以實瑪利人阿比勒。掌管驢群的是米崙人耶希底亞。掌管羊群的是夏甲人雅悉。
31 ary ny tonian’ ny ondry aman’ osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian’ ny fananan’ i Davida mpanjaka.
這都是給大衛王掌管產業的。
32 Ary Jonatana, rahalahin-drain’ i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak’ i Hakmony, dia teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka;
大衛的叔叔約拿單作謀士;這人有智慧,又作書記。哈摩尼的兒子耶歇作王眾子的師傅。
33 ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan’ ny mpanjaka;
亞希多弗也作王的謀士。亞基人戶篩作王的陪伴。
34 ary ny manarakaraka an’ i Ahitofela dia Joiada, zanak’ i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjaka dia Joaba.
亞希多弗之後,有比拿雅的兒子耶何耶大和亞比亞他接續他作謀士。約押作王的元帥。

< 1 Tantara 27 >