< 1 Tantara 26 >

1 Ary ny amin’ ny antokon’ ny mpiandry varavarana: Tamin’ ny Koraïta dia Meselemia, zanak’ i Kore, avy tamin’ ny zanak’ i Asafa.
Разделение же дверников: сынове Кореовы, Моселлемиа сын Кореов от сынов Асафовых.
2 Ary ny zanakalahin’ i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,
Сынове же Моселлемии: Захариа первенец и Иадиил вторый, Завадиа третий и Иафанаил четвертый,
3 sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
Олам пятый, Ионафан шестый, Елионай седмый, Авдедом осмый.
4 Ary ny zanakalahin’ i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
Авдедому же сынове: Самиа первенец, Иозаваф вторый, Иоаф третий, Сахар четвертый, Рофануил пятый,
5 sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
Амиил шестый, Иссахар седмый, Фелафий осмый, яко благослови его Бог.
6 Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin’ ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.
Семею же сыну его рождени суть сынове первенца началницы в дому отечестем его, бяху бо сильни.
7 Ny zanakalahin’ i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin’ ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.
Сынове Семеиевы: Офни и Рафаил, и Овид и Елзавад и Ахиа, сынове сильни, Елиу и Савахиа и Исваком.
8 Ireo rehetra ireo no avy tamin’ ny zanak’ i Obed-edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny fanompoany; roa amby enim-polo no an’ i Obed-edoma.
Вси тии от сынов Авдедомлих, сии и сынове их и братия их труждающеся крепко в делании, вси шестьдесят два Авдедому.
9 Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin’ ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.
Моселлемию же сынове и братия осмьнадесять, сильнии.
10 Ary Hosa, tamin’ ny taranak’ i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),
Осе же от сынов Мерариных сынове Стрегущии начало, понеже не бысть ему первенец: и постави его отец его в началника разделения втораго:
11 sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin’ i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin’ ny folo.
Хелкиа вторый, Тавелиа третий, Захариа четвертый: вси сии сынове и братия Осины тринадесять.
12 Ireo lohan’ ny tonian’ ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin’ ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ i Jehovah.
Сии разделени суть в дверницы, да началствуют над сильными чреды, якоже и братия их служити в дому Господни.
13 Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin’ ny isam-bavahady.
И метнуша жребия на коегождо мала и велика по домом отечеств своих на каяждо врата:
14 Koa ny loka tamin’ ny atsinanana dia azon’ i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin’ ny avaratra no azony.
и паде жребий сущих на востоки Селемию и Захарии. Сынове соазовы мелхии метнуша жребия, и паде жребий к северу.
15 An’ i Obed-edoma ny atsimo, ary an’ ny zanany ny trano firaketana.
Авдедому к югу прямо дому Есефима.
16 An’ i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin’ ny vavahady Saleketa amin’ ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.
Во второе Осе к западу по вратех притвора восхождения, стража противу стражи.
17 Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan’ andro, ny atsimo nisy efatra isan’ andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
Ко востоку по шести на день: к северу четыре на день: к полудни на день четыре: и к дому совета по два пременяющеся.
18 Tany Parbara andrefana nisy efatra amin’ ny lalana, ary roa tao Parbara.
И Осе к западу по вратех притвора три, стражба противу стражбы восхождения к востоком, по шести на день, и на север по четыре, и к югу четыре, и к дому совета два пременяющеся, и к западу четыре, и к стези два пременяющеся.
19 Dia Ireo no antokon’ ny mpiandry varavarana tamin’ ny taranak’ i Kora sy ny taranak’ i Merary.
Сия разделения дверником сыном Кореовым и сыном Мерариным.
20 Ary tamin’ ny Levita dia Ahia no tonian’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.
Левити же братия их (беша) над сокровищи дому Господня и над сокровищи святынь.
21 Ny taranak’ i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan’ ny fianakavian’ i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.
Сынове Ладановы, сии сынове Герсони: Ладану началницы отечеств Ладаних, Герсону Иеиил.
22 Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
Сынове Иеиили Земеф и Иоиль братия над сокровищи дому Господня,
23 Tamin’ ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
Амвраму и Иссаару, Хеврону и Озиилу.
24 dia Seboela, avy tamin’ ny taranak’ i Gersona, zanak’ i Mosesy, no tonian’ ny rakitra.
Суваил же сын Гирсама сына Моисеова настоятель над сокровищи.
25 Ary ny rahalahiny avy tamin’ i Eliezera dia Rehabia, zanak’ i Eliezera, sy Jesaia, zanak’ i Rehabia, sy Jorama, zanak’ i Jesaia, sy Zikry, zanak’ i Jorama, ary Selomota, zanak’ i Zikry.
Брату же его Елиезеру Равиа сын его, и Иосиа и Иорам, и Зехрий и Саломоф.
26 Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin’ i Davida mpanjaka sy ny lohan’ ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ ny miaramila.
Той Саломоф и братия его над всеми сокровищи святыми, ихже освяти Давид царь и началницы отечеств, тысящницы и сотницы и вождеве силы,
27 Tamin’ ny babo izay azony tamin’ ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon’ i Jehovah.
яже взя из градов и от корыстей, и освяти я на пособление зданию дому Господня.
28 Ary izay rehetra nohamasinin’ i Samoela mpahita sy Saoly, zanak’ i Kisy, sy Abnera, zanak’ i Nera, sy Joaba, zanak’ i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.
И над всеми, яже освяти Богу Самуил пророк и Саул сын Кисов, и Авенир сын Ниров и Иоав сын Саруиев, все еже освятиша рукою Саломофовою и братии его.
29 Tamin’ ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin’ ny raharaha ivelany amin’ ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.
Иссаарию Хонениа и сынове его делания внешняго над Израилем, к наказанию и суждению.
30 Ary tamin’ ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin’ ny Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana ny amin’ ny raharaha rehetra ho an’ i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
Хеврону Асавиа и братия его сынове сильнии, тысяща и седмь сот над созиранием Израиля за Иорданом противу запада, на всякую службу Господню и на делание царево.
31 Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin’ ny taona fahefa-polo nanjakan’ i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)
Хеврону Уриа началник Хевронитов по родом их, по отечеством, в четыредесятое лето царства Давидова сочтени суть, и обретени мужие сильни в них во Иазире Галаадитстем.
32 sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan’ ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen’ i Manase, ny amin’ ny raharahan’ Andriamanitra sy ny mpanjaka.
И братия его сынове сильнии, две тысящы седмь сот, началницы отечеств, и постави их Давид царь над Рувимом и Гадом и над половиною колена Манассиина, во всякое повеление Господне и слово царево.

< 1 Tantara 26 >