< 1 Tantara 23 >

1 Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ ny Isiraely.
大衛年紀老邁,日子滿足,就立他兒子所羅門作以色列的王。
2 Ary novoriny ny lehiben’ ny Isiraely rehetra mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita.
大衛招聚以色列的眾首領和祭司利未人。
3 Ary nisaina ny Levita hatramin’ ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan’ ny lehilahy.
利未人從三十歲以外的都被數點,他們男丁的數目共有三萬八千;
4 Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
其中有二萬四千人管理耶和華殿的事,有六千人作官長和士師,
5 ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an’ i Jehovah amin’ ny zavatra namboariko hiderana Azy.
有四千人作守門的,又有四千人用大衛所做的樂器頌讚耶和華。
6 Ary nozarazarain’ i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’ i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
大衛將利未人革順、哥轄、米拉利的子孫分了班次。
7 Tamin’ ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
革順的子孫有拉但和示每。
8 Ny zanakalahin’ i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
拉但的長子是耶歇,還有細坦和約珥,共三人。
9 Ny zanakalahin’ i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin’ ny fianakavian’ i Ladana.
示每的兒子是示羅密、哈薛、哈蘭三人。這是拉但族的族長。
10 Ary ny zanakalahin’ i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin’ i Simey.
示每的兒子是雅哈、細拿、耶烏施、比利亞共四人。
11 Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
雅哈是長子,細撒是次子。但耶烏施和比利亞的子孫不多,所以算為一族。
12 Ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
哥轄的兒子是暗蘭、以斯哈、希伯倫、烏薛共四人。
13 Ny zanakalahin’ i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masìna indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin’ ny anarany mandrakizay.
暗蘭的兒子是亞倫、摩西。亞倫和他的子孫分出來,好分別至聖的物,在耶和華面前燒香、事奉他,奉他的名祝福,直到永遠。
14 Nefa ny amin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, dia nisaina tamin’ ny firenen’ i Levy ihany ny zanany.
至於神人摩西,他的子孫名字記在利未支派的冊上。
15 Ny zanakalahin’ i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
摩西的兒子是革舜和以利以謝。
16 Tamin’ ny zanakalahin’ i Gersona dia Seboela no lohany.
革舜的長子是細布業;
17 Ary tamin’ ny zanakalahin’ i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak’ i Rehabia dia maro indrindra.
以利以謝的兒子是利哈比雅。以利以謝沒有別的兒子,但利哈比雅的子孫甚多。
18 Tamin’ ny zanakalahin’ i Jizara dia Selomota no lohany.
以斯哈的長子是示羅密。
19 Ny zanakalahin’ i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
希伯倫的長子是耶利雅,次子是亞瑪利亞,三子是雅哈悉,四子是耶加面。
20 Ny zanakalahin’ i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
烏薛的長子是米迦,次子是耶西雅。
21 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin’ i Maly dia Eleazara sy Kisy.
米拉利的兒子是抹利、母示。抹利的兒子是以利亞撒、基士。
22 Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin’ i Kisy havany no nanambady ireo.
以利亞撒死了,沒有兒子,只有女兒,他們本族基士的兒子娶了她們為妻。
23 Ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
母示的兒子是末力、以得、耶利摩共三人。
24 Ireo no zanakalahin’ i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
以上利未子孫作族長的,照着男丁的數目,從二十歲以外,都辦耶和華殿的事務。
25 Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an’ ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
大衛說:「耶和華-以色列的上帝已經使他的百姓平安,他永遠住在耶路撒冷。
26 Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
利未人不必再抬帳幕和其中所用的一切器皿了。」
27 Fa araka ny fara-tenin’ i Davida dia nisaina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
照着大衛臨終所吩咐的,利未人從二十歲以外的都被數點。
28 Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,
他們的職任是服事亞倫的子孫,在耶和華的殿和院子,並屋中辦事,潔淨一切聖物,就是辦上帝殿的事務,
29 ary amin’ ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin’ ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin’ izay endasina amin’ ny lapoely sy amin’ izay vonton-diloilo ary amin’ ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
並管理陳設餅,素祭的細麵,或無酵薄餅,或用盤烤,或用油調和的物,又管理各樣的升斗尺度;
30 ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an’ i Jehovah, ary toy izany koa amin’ ny hariva,
每日早晚,站立稱謝讚美耶和華,
31 ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an’ i Jehovah na amin’ ny Sabata, na amin’ ny voaloham-bolana, na amin’ ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
又在安息日、月朔,並節期,按數照例,將燔祭常常獻給耶和華;
32 Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin’ ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin’ ny fitoerana masìna ary ny anjara-raharahany ny amin’ ny taranak’ i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.
又看守會幕和聖所,並守耶和華吩咐他們弟兄亞倫子孫的,辦耶和華殿的事。

< 1 Tantara 23 >