< 1 Tantara 22 >

1 Dia hoy Davida: Eto no ho tranon’ i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an’ ny Isiraely.
大衛說:「這就是耶和華上帝的殿,為以色列人獻燔祭的壇。」
2 Ary nasain’ i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’ Andriamanitra.
大衛吩咐聚集住以色列地的外邦人,從其中派石匠鑿石頭,要建造上帝的殿。
3 Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon’ ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja
大衛預備許多鐵做門上的釘子和鉤子,又預備許多銅,多得無法可稱;
4 sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin’ i Davida.
又預備無數的香柏木,因為西頓人和泰爾人給大衛運了許多香柏木來。
5 Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an’ i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.
大衛說:「我兒子所羅門還年幼嬌嫩,要為耶和華建造的殿宇必須高大輝煌,使名譽榮耀傳遍萬國;所以我要為殿預備材料。」於是,大衛在未死之先預備的材料甚多。
6 Ary niantso an’ i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an’ i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,
大衛召了他兒子所羅門來,囑咐他給耶和華-以色列的上帝建造殿宇,
7 ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro;
對所羅門說:「我兒啊,我心裏本想為耶和華-我上帝的名建造殿宇,
8 saingy nisy tenin’ i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an’ ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin’ ny tany teo imasoko.
只是耶和華的話臨到我說:『你流了多人的血,打了多次大仗,你不可為我的名建造殿宇,因為你在我眼前使多人的血流在地上。
9 Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin’ ny androny.
你要生一個兒子,他必作太平的人;我必使他安靜,不被四圍的仇敵擾亂。他的名要叫所羅門。他在位的日子,我必使以色列人平安康泰。
10 Izy no hanao trano ho an’ ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan’ ny fanjakany amin’ ny Isiraely mandrakizay.
他必為我的名建造殿宇。他要作我的子;我要作他的父。他作以色列王;我必堅定他的國位,直到永遠。』
11 Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’ i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.
我兒啊,現今願耶和華與你同在,使你亨通,照他指着你說的話,建造耶和華-你上帝的殿。
12 Ary homen’ i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan’ i Jehovah Andriamanitrao.
但願耶和華賜你聰明智慧,好治理以色列國,遵行耶和華-你上帝的律法。
13 Ary amin’ izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ho an’ ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.
你若謹守遵行耶和華藉摩西吩咐以色列的律例典章,就得亨通。你當剛強壯膽,不要懼怕,也不要驚惶。
14 Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon’ i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.
我在困難之中為耶和華的殿預備了金子十萬他連得,銀子一百萬他連得,銅和鐵多得無法可稱;我也預備了木頭、石頭,你還可以增添。
15 Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra.
你有許多匠人,就是石匠、木匠,和一切能做各樣工的巧匠,
16 Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
並有無數的金銀銅鐵。你當起來辦事,願耶和華與你同在。」
17 Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely hanampy an’ i Solomona zanany hoe:
大衛又吩咐以色列的眾首領幫助他兒子所羅門,說:
18 Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan’ i Jehovah sy teo anoloan’ ny olony.
「耶和華-你們的上帝不是與你們同在嗎?不是叫你們四圍都平安嗎?因他已將這地的居民交在我手中,這地就在耶和華與他百姓面前制伏了。
19 Koa ankehitriny ampitadiavo an’ i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ny fanaka masin’ Andriamanitra ho ao amin’ ny trano izay hatao ho an’ ny anaran’ i Jehovah.
現在你們應當立定心意,尋求耶和華-你們的神;也當起來建造耶和華上帝的聖所,好將耶和華的約櫃和供奉上帝的聖器皿都搬進為耶和華名建造的殿裏。」

< 1 Tantara 22 >