< 1 Tantara 2 >

1 Izao no zanakalahin’ Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona
These are the sons of Israel: Reuben, Simeon, Levi, and Judah, Issachar, and Zebulun,
2 sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.
Dan, Joseph, and Benjamin, Naphtali, Gad, and Asher.
3 Ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak’ i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
The sons of Judah: Er, and Onan, and Shelah; which three were born to him by Bathshua the Canaanite woman. Er, Judah's firstborn, was wicked in the sight of YHWH; and he killed him.
4 Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an’ i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin’ i Joda rehetra.
Tamar his daughter-in-law bore him Perez and Zerah. All the sons of Judah were five.
5 Ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
The sons of Perez: Hezron, and Hamuel.
6 Ary ny zanakalahin’ i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
The sons of Zerah: Zabdi, and Ethan, and Heman, and Calcol, and Darda; five of them in all.
7 Ary ny zanakalahin’ i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona.
The sons of Carmi: Achan, the troubler of Israel, who committed a trespass in the devoted thing.
8 Ary ny zanakalahin’ i Etana dia Azaria.
The sons of Ethan: Azariah.
9 Ary ny zanakalahin’ i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;
The sons also of Hezron, who were born to him: Jerahmeel, and Ram, and Caleb.
10 ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona, lohan’ ny taranak’ i Joda;
Ram became the father of Amminadab, and Amminadab became the father of Nahshon, prince of the people of Judah;
11 ary Nasona niteraka an’ i Salma; ary Salma niteraka an’ i Boaza;
and Nahshon became the father of Salmon, and Salmon became the father of Boaz,
12 ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
and Boaz became the father of Obed, and Obed became the father of Jesse;
13 ary Jese niteraka an’ i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
and Jesse became the father of his firstborn Eliab, and Abinadab the second, and Shimeah the third,
14 sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
Nethanel the fourth, Raddai the fifth,
15 sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;
Ozem the sixth, Elihu the seventh, David the eighth;
16 Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’ i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
and their sisters were Zeruiah and Abigail. The sons of Zeruiah: Abishai, and Joab, and Asahel, three.
17 ary Abigaila niteraka an’ i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain’ i Amasa.
Abigail bore Amasa; and the father of Amasa was Jether the Ishmaelite.
18 Ary Kaleba, zanakalahin’ i Hezrona, niteraka tamin’ i Azoba vadiny sy tamin’ i Jeriota. Izao no zanakalahin’ i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.
Caleb the son of Hezron had sons by his wife Azubah, and by Jerioth; and these were her sons: Jesher, and Shobab, and Ardon.
19 Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain’ i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an’ i Hora taminy;
Azubah died, and Caleb took to himself Ephrath, who bore him Hur.
20 ary Hora niteraka an’ i Ory; ary Ory niteraka an’ i Bezalila.
Hur became the father of Uri, and Uri became the father of Bezalel.
21 Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ ny zanakavavin’ i Makira, rain’ i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’ i Segoba taminy ravehivavy;
Afterward Hezron slept with the daughter of Makir the father of Gilead, whom he married when he was sixty years old; and she bore him Segub.
22 ary Segoba niteraka an’ i Jaïra, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin’ ny tany Gileada.
Segub became the father of Jair, who had twenty-three cities in the land of Gilead.
23 Ary nalain’ i Gesora sy Arama tamin’ ny Jairita ny tanàna madinika an’ i Jaïra mbamin’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an’ ny zanak’ i Makira, rain’ i Gileada.
Geshur and Aram took the towns of Jair from them, with Kenath, and its villages, even sixty cities. All these were the descendants of Makir the father of Gilead.
24 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin’ i Hezrona, dia niteraka an’ i Asora, razamben’ ny any Tekoa, taminy.
And after the death of Hezron, Caleb slept with Ephrath. And Hezron's wife Abijah bore him Ashhur the father of Tekoa.
25 Ary ny zanakalahin’ i Jeramela, lahimatoan’ i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.
The sons of Jerahmeel the firstborn of Hezron were Ram the firstborn, and Bunah, and Oren, and Ozem, and Ahijah.
26 Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin’ i Onama.
Jerahmeel had another wife, whose name was Atarah; she was the mother of Onam.
27 Ary ny zanakalahin’ i Rama, lahimatoan’ i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.
The sons of Ram the firstborn of Jerahmeel were Maaz, and Jamin, and Eker.
28 Ary ny zanakalahin’ i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin’ i Samay dia Nadaba sy Abisora.
The sons of Onam were Shammai, and Jada. The sons of Shammai: Nadab, and Abishur.
29 Ary ny anaran’ ny vadin’ i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an’ i Abana sy Molida taminy.
The name of the wife of Abishur was Abihail; and she bore him Ahban, and Molid.
30 Ary ny zanakalahin’ i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.
The sons of Nadab: Seled, and Appaim; but Seled died without children.
31 Ary ny zanakalahin’ i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin’ i Sesana dia Ahelay.
The sons of Appaim: Ishi. The sons of Ishi: Sheshan. The sons of Sheshan: Ahlai.
32 Ary ny zanakalahin’ i Jada, rahalahin’ i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.
The sons of Jada the brother of Shammai: Jether, and Jonathan; and Jether died without children.
33 Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin’ i Jeramela.
The sons of Jonathan: Peleth, and Zaza. These were the descendants of Jerahmeel.
34 Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.
Now Sheshan had no sons, but daughters. Sheshan had a servant, an Egyptian, whose name was Jarha.
35 Ary ny zananivavy nomen’ i Sesana ho vadin’ i Jara mpanompony; ary izy niteraka an’ i Atahy taminy.
Sheshan gave his daughter to Jarha his servant as wife; and she bore him Attai.
36 Ary Atahy niteraka an’ i Natana; ary Natana niteraka an’ i Zabada;
Attai became the father of Nathan, and Nathan became the father of Zabad,
37 ary Zabada niteraka an’ i Efiala; ary Efiala niteraka an’ i Obeda;
and Zabad became the father of Ephlal, and Ephlal became the father of Obed,
38 ary Obeda niteraka an’ i Jeho; ary Jeho niteraka an’ i Azaria;
and Obed became the father of Jehu, and Jehu became the father of Azariah,
39 ary Azaria niteraka an’ i Haleza; ary Haleza niteraka an’ i Elasa;
and Azariah became the father of Helez, and Helez became the father of Eleasah,
40 ary Elasa niteraka an’ i Sismay; ary Sismay niteraka an’ i Saloma;
and Eleasah became the father of Sismai, and Sismai became the father of Shallum,
41 ary Saloma niteraka an’ i Jekamia; ary Jekamia niteraka an’ i Elisama.
and Shallum became the father of Jekamiah, and Jekamiah became the father of Elishama.
42 Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, rahalahin’ i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben’ ny any Zifa, sy ny zanakalahin’ i Maresa, razamben’ ny any Hebrona.
The sons of Caleb the brother of Jerahmeel: Mesha his firstborn, who was the father of Ziph; and the sons of Mareshah, the father of Hebron.
43 Ary ny zanakalahin’ i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.
The sons of Hebron: Korah, and Tappuah, and Rekem, and Shema.
44 Ary Sema niteraka an’ i Rahama, rain’ i Jorkeama, ary Rakema niteraka an’ i Samay;
Shema became the father of Raham, the father of Jorkeam; and Rekem became the father of Shammai.
45 ary ny zanakalahin’ i Samay dia Maona, ary Maona no razamben’ ny any Beti-zora;
The son of Shammai was Maon; and Maon was the father of Beth Zur.
46 ary Efaha, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an’ i Gazeza.
Ephah, Caleb's secondary wife, bore Haran, and Moza, and Gazez; and Haran became the father of Gazez.
47 Ary ny zanakalahin’ i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.
The sons of Jahdai: Regem, and Jotham, and Geshan, and Pelet, and Ephah, and Shaaph.
48 Maka, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Sabera sy Tirana.
Maacah, Caleb's secondary wife, bore Sheber and Tirhanah.
49 Izy koa niteraka an’ i Safa, razamben’ ny any Madmana, sy Seva, razamben’ ny any Makbena sady razamben’ ny any Gibea; ary ny zanakavavin’ i Kaleba dia Aksa.
She bore also Shaaph the father of Madmannah, Sheva the father of Machbena, and the father of Gibea; and the daughter of Caleb was Achsah.
50 Izao no zanakalahin’ i Kaleba, zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata: Sobala, razamben’ ny any Kiriata-Jearima,
These were the descendants of Caleb, the son of Hur, the firstborn of Ephrathah: Shobal the father of Kiriath Jearim,
51 Salma, razamben’ ny any Betlehema, Harefa, razamben’ ny any Beti-gadera.
Salma the father of Bethlehem, Hareph the father of Beth Gader.
52 Ary Sobala, razamben’ ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota
Shobal the father of Kiriath Jearim had sons: Reaiah, half of the Manahathites.
53 ary ny fokon’ i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraïta; avy tamin’ ireo no nihavian’ ny Zoraïta sy ny Estaolita.
The families of Kiriath Jearim: The Ithrites, and the Puthites, and the Shumathites, and the Mishraites; of them came the Zorathites and the Eshtaolites.
54 Ny zanakalahin’ i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraïta
The sons of Salma: Bethlehem, and the Netophathites, Atroth Beth Joab, and half of the Manahathites, the Zorites.
55 ary ny fokon’ ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’ i Hamata, rain’ ny taranak’ i Rekaba.
The families of scribes who lived at Jabez: the Tirathites, the Shimeathites, the Sucathites. These are the Kenites who came from Hammath, the father of the house of Rechab.

< 1 Tantara 2 >