< 1 Tantara 18 >

1 Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin’ ny tanan’ ny Filistina.
And after this it came to pass, that David smote the Philistines, and subdued them, and took Gath and its towns out of the hand of the Philistines.
2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon’ i Davida nandoa hetra ireo.
And he smote Moab; and the Moabites became servants to David, and brought presents.
3 Dia resin’ i Davida koa Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba akaikin’ i Hamata, tamin’ izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata.
And David smote Hadarezer king of Zobah by Hamath, as he went to establish his dominion at the river Euphrates.
4 Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany.
And David took from him a thousand chariots, and seven thousand horsemen, and twenty thousand footmen; and David houghed all the chariot horses, but reserved of them for a hundred chariots.
5 Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba, dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
And when the Arameans of Damascus came to succour Hadarezer king of Zobah, David smote of the Arameans two and twenty thousand men.
6 Ary nisy namponenin’ i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
Then David put garrisons in Aram Damascus; and the Arameans became servants to David, and brought presents. And the LORD gave victory to David whithersoever he went.
7 Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena teny amin’ ny mpanompon’ i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
And David took the shields of gold that were on the servants of Hadarezer, and brought them to Jerusalem.
8 Ary tao Tibata sy Kona, tanànan’ i Hadarezera, no nahazoan’ i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’ i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
And from Tibhath and from Cun, cities of Hadarezer, David took very much brass, wherewith Solomon made the brazen sea, and the pillars, and the vessels of brass.
9 Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba,
And when Tou king of Hamath heard that David had smitten all the host of Hadarezer king of Zobah,
10 dia naniraka an’ i Hadorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon’ i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
he sent Hadoram his son to king David, to salute him, and to bless him — because he had fought against Hadarezer and smitten him; for Hadarezer had wars with Tou — and he had with him all manner of vessels of gold and silver and brass.
11 Dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin’ ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
These also did king David dedicate unto the LORD, with the silver and the gold that he carried away from all the nations; from Edom, and from Moab, and from the children of Ammon, and from the Philistines, and from Amalek.
12 Ary Abisay, zanak’ i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin’ ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
Moreover Abishai the son of Zeruiah smote of the Edomites in the Valley of Salt eighteen thousand.
13 Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
And he put garrisons in Edom; and all the Edomites became servants to David. And the LORD gave victory to David whithersoever he went.
14 Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ ny fahamarinana.
And David reigned over all Israel; and he executed justice and righteousness unto all his people.
15 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
And Joab the son of Zeruiah was over the host; and Jehoshaphat the son of Ahilud was recorder.
16 Ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.
And Zadok the son of Ahitub, and Abimelech the son of Abiathar, were priests; and Shavsha was scribe;
17 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no lehibe tamin’ izay nanolotra ny mpanjaka.
and Beniah the son of Jehoiada was over the Cherethites and the Pelethites; and the sons of David were chief about the king.

< 1 Tantara 18 >