< 2 Bakonzi 17 >

1 Tango Akazi, mokonzi ya Yuda, akokisaki mibu zomi na mibale na bokonzi, Oze, mwana mobali ya Ela, akomaki mokonzi ya Isalaele na Samari. Akonzaki mibu libwa.
Tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahaza, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, tamin’ ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
2 Oze asalaki makambo mabe na miso ya Yawe, kasi ndenge moko te na bakonzi ya Isalaele, oyo bazalaki liboso na ye.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely teo alohany.
3 Salimanasari, mokonzi ya Asiri, ayaki kobundisa Oze. Mpe Oze akomaki mowumbu mpe akomaki kofuta mpako epai ya Salimanasari.
Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan’ i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea.
4 Kasi mokonzi ya Asiri asosolaki ete Oze asaleli ye likita, pamba te Oze atindaki bantoma epai ya So, mokonzi ya Ejipito, mpe atikaki kofuta mpako epai ya mokonzi ya Asiri ndenge azalaki kosala mobu na mobu. Boye Salimanasari akangaki Oze mpe atiaki ye na boloko.
Ary ny mpanjakan’ i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin’ i So, mpanjakan’ i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan’ i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
5 Mokonzi ya Asiri akotaki na makasi na mokili mobimba, abundisaki Samari mpe azingelaki yango mibu misato.
Dia niakatra ny mpanjakan’ i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona.
6 Tango Oze akokisaki mibu libwa na bokonzi, mokonzi ya Asiri abotolaki Samari mpe amemaki bana ya Isalaele na bowumbu na Asiri. Atiaki bango na Ala mpe na bapembeni ya ebale ya Abori, na etuka ya Gozani mpe na bingumba ya Medi.
Ary tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Hosea no nahafahan’ ny mpanjakan’ i Asyria an’ i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’ i Habora (dia ny onin’ i Gozana izany) ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana.
7 Makambo oyo esalemaki mpo ete bato ya Isalaele basalaki masumu liboso ya Yawe, Nzambe na bango, oyo abimisaki bango wuta na bokonzi ya Faraon, mokonzi ya Ejipito; bagumbamelaki banzambe mosusu.
Ary ny nahatongavan’ izany dia noho ny nanotan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho afaka tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
8 Balandaki bizaleli ya bikolo oyo Yawe abenganaki liboso na bango mpe makambo oyo bakonzi ya Isalaele bakotisaki.
ka nandeha araka ny fanaon’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely sy araka ny didy izay nataon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
9 Bato ya Isalaele basalaki na nkuku makambo ya nkele na miso ya Yawe, Nzambe na bango. Batongaki bisambelo ya likolo ya bangomba kati na bingumba na bango nyonso, kobanda na likolo ya bamir ya lopango kino na bingumba batonga makasi.
Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin’ ny tanànany rehetra, dia hatramin’ ny tilikambon’ ny mpiambina ka hatramin’ ny tanàna mimànda.
10 Batelemisaki mabanga ya bule mpe makonzi ya nzambe mwasi Ashera na likolo ya bangomba nyonso mpe na se ya banzete nyonso ya mibesu.
Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy;
11 Batumbaki ansa na bisambelo nyonso ya likolo ya bangomba, ndenge bikolo oyo Yawe abenganaki liboso na bango ezalaki kosala. Basalaki makambo mabe oyo etumbolaki kanda ya Yawe.
ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
12 Bagumbamelaki banzambe ya bikeko oyo na tina na yango Yawe alobaki: « Bokosala bongo te. »
Fa nanompo sampy, izay nandraran’ i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
13 Yawe akebisaki Isalaele mpe Yuda na nzela ya basali na Ye nyonso, basakoli mpe bamoni makambo, na maloba oyo: « Botika banzela na bino ya mabe, bobatela mibeko mpe bikateli na Ngai kolanda mibeko nyonso oyo napesaki bino mpe bakoko na bino na nzela ya basali na Ngai, basakoli. »
Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
14 Kasi bayokaki te; batiaki moto makasi lokola bakoko na bango, oyo baboyaki kondimela Yawe, Nzambe na bango.
Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an’ i Jehovah Andriamaniny.
15 Babwakaki bikateli na Ye, boyokani oyo asalaki elongo na bakoko na bango mpe makebisi oyo apesaki bango. Balandaki bikolo oyo ezalaki zingazinga na bango. Yawe apesaki bango mitindo ete basala te lokola bango, kasi bango basalaki kaka makambo oyo Yawe apekisaki bango kosala.
Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
16 Batikaki mitindo nyonso ya Yawe, Nzambe na bango, mpe bamisalelaki banzambe ya bikeko ya bana ngombe mibale basala na bibende oyo banyangwisa na moto, mpe likonzi ya nzambe mwasi Ashera. Bango nyonso bagumbamelaki mampinga nyonso ya likolo, mpe basambelaki nzambe Bala.
Ary nahafoy ny didin’ i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ary nanompo an’ i Bala.
17 Batumbaki na moto lokola mbeka bana na bango ya mibali mpe bana na bango ya basi. Basalelaki soloka mpe kindoki, mpe bamikabaki mpo na kosala makambo mabe na miso ya Yawe. Boye batumbolaki kanda ya Yawe.
Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
18 Yawe asilikelaki makasi bana ya Isalaele mpe abenganaki bango mosika na Ye. Kaka libota ya Yuda nde batikalaki.
Koa dia tezitra indrindra tamin’ ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
19 Nzokande, libota yango mpe ya Yuda babatelaki te mitindo ya Yawe, Nzambe na bango, balandaki bizaleli oyo Isalaele akotisaki.
Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon’ ny Isiraely koa.
20 Boye, Yawe abwakaki bana nyonso ya Isalaele, ayokisaki bango pasi, akabaki bango na maboko ya bato ya mobulu, mpe abenganaki bango mosika na Ye.
Dia narian’ i Jehovah ny taranak’ Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
21 Tango Yawe alongolaki Isalaele na se ya bokonzi ya Davidi, bana ya Isalaele bakomisaki Jeroboami, mwana mobali ya Nebati, mokonzi na bango. Jeroboami atindikaki Isalaele ete balanda Yawe te, mpe amemisaki bango lisumu ya monene.
Fa nendahany niala tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an’ i Jehovah ka nampanota azy indrindra.
22 Bato ya Isalaele bakangamaki na masumu nyonso ya Jeroboami mpe batikaki yango te
Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon’ i Jeroboama, fa tsy niala tamin’ izany izy
23 kino tango Yawe abenganaki bango mosika na Ye, ndenge ayebisaki bango na nzela ya basali na Ye nyonso, basakoli. Boye, bamemaki bana ya Isalaele na bowumbu, mosika ya mokili na bango, na Asiri kino lelo.
Mandra-panaisotr’ i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin’ ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
24 Mokonzi ya Asiri amemaki bato wuta na bingumba ya Babiloni, ya Kuti, ya Ava, ya Amati mpe ya Sefarivayimi; mpe atiaki bango na Samari, na esika ya bana ya Isalaele. Bato yango bazwaki Samari mpe bavandaki kati na bingumba na yango.
Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.
25 Liboso, tango bazalaki kovanda kuna, bato yango bazalaki kogumbamela Yawe te. Boye Yawe atindaki nkosi kati na bango, mpe ebomaki ndambo ya bato kati na bango.
Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an’ i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan’ ireny izy.
26 Bayebisaki mokonzi ya Asiri: — Bikolo oyo omemaki na bowumbu mpe otiaki kati na bingumba ya Samari bayebi te makambo oyo Nzambe ya mokili wana alingaka. Boye Nzambe atindi kati na bango nkosi oyo ezali koboma bango, pamba te bato yango bayebi te makambo oyo Nzambe yango alingaka.
Dia hoy ny olona tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin’ ny tanànan’ i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin’ ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan’ ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon’ ny Andriamanitry ny tany.
27 Boye mokonzi ya Asiri apesaki mitindo oyo: — Botinda kuna moko kati na Banganga-Nzambe oyo bomemaki na bowumbu wuta na Samari mpo ete avanda kuna mpe alakisa bato makambo oyo Nzambe ya mokili wana alingaka.
Ary ny mpanjakan’ i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin’ ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin’ ny Andriamanitry ny tany any izy.
28 Boye moko kati na Banganga-Nzambe oyo bamemaki na bowumbu wuta na Samari ayaki kovanda na Beteli mpe alakisaki bango kogumbamela Yawe.
Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin’ izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an’ i Jehovah.
29 Kasi ekolo na ekolo esalaki banzambe na yango kati na bingumba nyonso oyo bazalaki kovanda, mpe batiaki banzambe yango kati na bisika ya bule ya bisambelo ya likolo ya bangomba oyo bato ya Samari batongaki.
Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin’ ny trano eny amin’ ny fitoerana avo, izay nataon’ ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin’ ny tanàna nitoerany avy.
30 Bato oyo bawutaki na Babiloni basalaki ekeko ya nzambe Sukoti-Benoti; ba-oyo bawutaki na Kuti basalaki ekeko ya nzambe Nerigali; ba-oyo bawutaki na Amati basalaki ekeko ya nzambe Ashima;
Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an’ i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an’ i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an’ i Asima;
31 ba-oyo bawutaki na Ava basalaki bikeko ya nzambe Nibikazi mpe nzambe Taritaki; ba-oyo bawutaki na Sefarivayimi bazalaki kokoba kotumba bana na bango na moto lokola mbeka epai ya Adrameleki mpe Anameleki, banzambe ya bato ya Sefarivayimi.
ary ny Avita nanao an’ i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin’ ny afo ho an’ i Adrameleka Anameleka, andriamanitr’ i Sefarvaima.
32 Bato ya bikolo yango bazalaki na bango kotosa Yawe, kasi baponaki lisusu kati na bango bato mpo na kosala mosala ya bonganga-nzambe kati na bisika ya bule ya bisambelo ya likolo ya bangomba.
Dia natahotra an’ i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin’ ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin’ ny trano eny amin’ ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
33 Atako bazalaki kotosa Yawe, kasi bazalaki mpe kosalela banzambe na bango kolanda bizaleli ya bikolo epai wapi bawutaki.
Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon’ ny firenena izay efa nangalana azy avy.
34 Kino lelo, bakangami kaka na bizaleli na bango ya kala; bagumbamelaka penza Yawe te mpe batosaka te bikateli mpe malako, mibeko mpe mitindo oyo Yawe apesaki epai ya bakitani ya Jakobi oyo apesaki kombo « Isalaele. »
Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an’ i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’ i Jehovah ny taranak’ i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
35 Tango Yawe asalaki boyokani elongo na bana ya Isalaele, alobaki na bango: « Bokogumbamela banzambe mosusu te, bokofukamela yango te, bokosalela yango te mpe bokobonzela yango bambeka te;
Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
36 kaka Yawe oyo abimisaki bino wuta na Ejipito, na nguya mpe na loboko esembolama, nde bosengeli kogumbamela. Liboso na Ye kaka nde bosengeli kogumbama mpe kobonza bambeka.
Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
37 Bosengeli tango nyonso kozala na bokebi mpo na kobatela bikateli mpe malako, mibeko mpe mitindo oyo Yawe akomaki mpo na bino. Bogumbamela banzambe mosusu te,
Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
38 bobosana te boyokani oyo nasalaki elongo na bino, mpe bogumbamela banzambe mosusu te.
Ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa ianareo;
39 Kaka Yawe, Nzambe na bino, nde bosengeli kogumbamela, pamba te Ye nde akangolaki bino na maboko ya banguna na bino nyonso. »
Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny fahavalonareo rehetra.
40 Kasi bato ya bikolo wana bayokaki te mpe batingamaki kaka na bizaleli na bango ya kala.
Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.
41 Atako bato ya bikolo yango bazalaki kotosa Yawe, kasi bazalaki mpe kosalela banzambe na bango ya bikeko. Kino lelo, bana na bango mpe bakitani na bango bazali kokoba kosala makambo oyo bakoko na bango bazalaki kosala.
Ka dia natahotra an’ i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin’ ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon’ ny razany ihany no nataon’ ireny mandraka androany.

< 2 Bakonzi 17 >