< Osee Propheta 13 >

1 Loquente Ephraim, horror invasit Israel, et deliquit in Baal, et mortuus est.
Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin’ ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin’ i Bala izy ka maty;
2 Et nunc addiderunt ad peccandum: feceruntque sibi conflatile de argento suo quasi similitudinem idolorum, factura artificum totum est: his ipsi dicunt: Immolate homines vitulos adorantes.
Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
3 Idcirco erunt quasi nubes matutina, et sicut ros matutinus præteriens, sicut pulvis turbine raptus ex area, et sicut fumus de fumario.
Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin’ ny rivotra hiala amin’ ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin’ ny varavarana makarakara.
4 Ego autem Dominus Deus tuus ex Terra Ægypti: et Deum absque me nescies, et Salvator non est præter me.
Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5 Ego cognovi te in deserto, in terra solitudinis.
Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin’ ny tany mampangetaheta.
6 Iuxta pascua sua adimpleti sunt, et saturati sunt: et levaverunt cor suum, et obliti sunt mei.
Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
7 Et ego ero eis quasi leæna, sicut pardus in via Assyriorum.
Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
8 Occurram eis quasi ursa raptis catulis, et dirumpam interiora iecoris eorum: et consumam eos ibi quasi leo, bestia agri scindet eos.
Mamely azy toy ny famelin’ ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
9 Perditio tua Israel: tantummodo in me auxilium tuum.
Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.
10 Ubi est rex tuus? maxime nunc salvet te in omnibus urbibus tuis: et iudices tui, de quibus dixisti: Da mihi regem, et principes.
Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
11 Dabo tibi regem in furore meo, et auferam in indignatione mea.
Nomeko mpanjaka ianao tamin’ ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin’ ny fahavinirako.
12 Colligata est iniquitas Ephraim, absconditum peccatum eius.
Voafehy ny helok’ i Efraima, voatahiry ny fahotany.
13 Dolores parturientis venient ei: ipse filius non sapiens: nunc enim non stabit in contritione filiorum.
Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin’ ny fiterahan-jaza izy.
14 De manu mortis liberabo eos, de morte redimam eos: ero mors tua o mors, morsus tuus ero inferne: consolatio abscondita est ab oculis meis. (Sheol h7585)
Havotako tsy ho azon’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin’ ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan’ ny masoko ny nenina. (Sheol h7585)
15 Quia ipse inter fratres dividet: adducet urentem ventum Dominus de deserto ascendentem: et siccabit venas eius, et desolabit fontem eius, et ipse diripiet thesaurum omnis vasis desiderabilis.
Fa Efraima dia hahavokatra eo amin’ ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr’ i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
16 Pereat Samaria, quoniam ad amaritudinem concitavit Deum suum: in gladio pereant, parvuli eorum elidantur, et fœtæ eius discindantur.
Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin’ Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.

< Osee Propheta 13 >