< 스가랴 3 >

1 대제사장 여호수아는 여호와의 사자 앞에 섰고 사단은 그의 우편에 서서 그를 대적하는 것을 여호와께서 내게 보이시니라
Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan’ Ilay Anjelin’ i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
2 여호와께서 사단에게 이르시되 사단아, 여호와가 너를 책망하노라 예루살렘을 택한 여호와가 너를 책망하노라 이는 불에서 꺼낸 그슬린 나무가 아니냐 하실때에
Ary hoy Jehovah tamin’ i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an’ i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin’ ny afo va ity?
3 여호수아가 더러운 옷을 입고 천사 앞에 섰는지라
Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’ Ilay Anjely.
4 여호와께서 자기 앞에 선 자들에게 명하사 그 더러운 옷을 벗기라 하시고 또 여호수아에게 이르시되 내가 네 죄과를 제하여 버렸으니 네게 아름다운 옷을 입히리라 하시기로
Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’ izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
5 내가 말하되 정한 관을 그 머리에 씌우소서 하매 곧 정한 관을 그 머리에 씌우며 옷을 입히고 여호와의 사자는 곁에 섰더라
Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia nitsangana teo.
6 여호와의 사자가 여호수아에게 증거하여 가로되
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nilaza marimarina tamin’ i Josoa hoe:
7 만군의 여호와의 말씀에 네가 만일 내 도를 준행하며 내 율례를 지키면 네가 내 집을 다스릴 것이요 내 뜰을 지킬 것이며 내가 또 너로 여기 섰는 자들 중에 왕래케 하리라
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mizotra amin’ ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin’ ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin’ ireo mitsangana ireo ianao.
8 대제사장 여호수아야 너와 네 앞에 앉은 네 동료들은 내 말을 들을 것이니라 이들은 예표의 사람이라 내가 내 종 순을 나게하리라
Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.
9 만군의 여호와가 말하노라 내가 너 여호수아 앞에 세운 돌을 보라 한 돌에 일곱 눈이 있느니라 내가 새길 것을 새기며 이 땅의 죄악을 하루에 제하리라
Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’ i Josoa, ny vato iray dia banjinin’ ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon’ ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok’ ity tany ity.
10 만군의 여호와가 말하노라 그 날에 너희가 각각 포도나무와 무화과나무 아래서 서로 초대하리라 하셨느니라
Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ ny voaloboka sy ho eo ambanin’ ny aviavy ianareo.

< 스가랴 3 >