< 스가랴 13 >

1 그 날에 죄와 더러움을 씻는 샘이 다윗의 족속과 예루살렘 거민을 위하여 열리리라
Amin’ izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ ny taranak’ i Davida sy ho an’ ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
2 만군의 여호와가 말하노라 그 날에 내가 못하게 할 것이며 거짓선지자와 더러운 사귀를 이 땅에서 떠나게 할 것이라
Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
3 사람이 오히려 예언할 것 같으면 그 낳은 부모가 그에게 이르기를 네가 여호와의 이름을 빙자하여 거짓말을 하니 살지 못하리라 하고 낳은 부모가 그 예언할 때에 칼로 찌르리라
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ ny anaran’ i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
4 그 날에 선지자들이 예언할 때에 그 이상을 각기 부끄러워할 것이며
Ary amin’ izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,
5 말하기를 나는 선지자가 아니요 나는 농부라 내가 어려서부터 사람의 종이 되었노라 할 것이요
fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo ahy, fony aho mbola kely.
6 혹이 그에게 묻기를 네 두팔 사이에 상처는 어찜이냐 하면 대답하기를 이는 나의 친구의 집에서 받은 상처라 하리라
Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon’ ny sakaizako ireny.
7 만군의 여호와가 말하노라 칼아 깨어서 내 목자, 내 짝된 자를 치라 목자를 치면 양이 흩어지려니와 작은 자들 위에는 내가 내 손을 드리우리라
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ ny madinika Aho.
8 여호와가 말하노라 이 온 땅에서 삼분지 이는 멸절하고 삼분지 일은 거기 남으리니
Ary amin’ ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
9 내가 그 삼분지 일을 불 가운데 던져 은같이 연단하며 금 같이 시험할 것이라 그들이 내 이름을 부르리니 내가 들을 것이며 나는 말하기를 이는 내 백성이라 할 것이요 그들은 말하기를 여호와는 내 하나님이시라 하리라
Ary ho entiko miditra amin’ ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.

< 스가랴 13 >