< 시편 68 >

1 (다윗의 시. 영장으로 한 노래) 하나님은 일어나사 원수를 흩으시며 주를 미워하는 자로 주의 앞에서 도망하게 하소서
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
2 연기가 몰려감 같이 저희를 몰아내소서 불 앞에서 밀이 녹음같이 악인이 하나님 앞에서 망하게 하소서
Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ ny savoka eo anoloan’ ny afo no aoka hahalevonan’ ny ratsy fanahy eo anatrehan’ Andriamanitra.
3 의인은 기뻐하여 하나님 앞에서 뛰놀며 기뻐하고 즐거워할지어다
Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan’ Andriamanitra izy ka faly tokoa.
4 하나님께 노래하며 그 이름을 찬양하라 타고 광야에 행하시던 자를 위하여 대로를 수축하라 그 이름은 여호와시니 그 앞에서 뛰놀지어다
Mihirà ho an’ Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’ izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
5 그 거룩한 처소에 계신 하나님은 고아의 아버지시며 과부의 재판장이시라
Rain’ ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ ny fonenany masìna.
6 하나님은 고독한 자로 가속 중에 처하게 하시며 수금된 자를 이끌어 내사 형통케 하시느니라 오직 거역하는 자의 거처는 메마른 땅이로다
Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin’ ny tany karankaina.
7 하나님이여, 주의 백성 앞에서 앞서 나가사 광야에 행진 하셨을 때에 (셀라)
Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, (Sela)
8 땅이 진동하며 하늘이 하나님 앞에서 떨어지며 저 시내산도 하나님 곧 이스라엘의 하나님 앞에서 진동하였나이다
Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
9 하나님이여, 흡족한 비를 보내사 주의 산업이 곤핍할 때에 견고케 하셨고
Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
10 주의 회중으로 그 가운데 거하게 하셨나이다 하나님이여, 가난한 자를 위하여 주의 은택을 준비하셨나이다
Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an’ ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.
11 주께서 말씀을 주시니 소식을 공포하는 여자가 큰 무리라
Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
12 여러 군대의 왕들이 도망하고 도망하니 집에 거한 여자도 탈취물을 나누도다
Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
13 너희가 양우리에 누울 때에는 그 날개를 은으로 입히고 그 깃을 황금으로 입힌 비둘기 같도다
Raha mandry eo amin’ ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara
14 전능하신 자가 열왕을 그 중에서 흩으실 때에는 살몬에 눈이 날림 같도다
Raha aelin’ ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
15 바산의 산은 하나님의 산임이여 바산의 산은 높은 산이로다
Tendrombohitr’ Andriamanitra ny tendrombohitr’ i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’ i Basana.
16 너희 높은 산들아, 어찌하여 하나님이 거하시려 하는 산을 시기하여 보느뇨 진실로 여호와께서 이 산에 영영히 거하시리로다
Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian’ Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
17 하나님의 병거가 천천이요 만만이라 주께서 그 중에 계심이 시내산 성소에 계심 같도다
Ny kalesin’ Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin’ ny itoerana masìna.
18 주께서 높은 곳으로 오르시며 사로잡은 자를 끌고 선물을 인간에게서 또는 패역자 중에서 받으시니 여호와 하나님이 저희와 함께 거하려 하심이로다
Efa niakatra ho any amin’ ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin’ ny olombelona Hianao ― eny, teo amin’ ny maditra aza, ― mba hitoeran’ i Jehovah Andriamanitra any.
19 날마다 우리 짐을 지시는 주 곧 우리의 구원이신 하나님을 찬송할지로다!
Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan’ andro isan’ andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. (Sela)
20 하나님은 우리에게 구원의 하나님이시라 사망에서 피함이 주 여호와께로 말미암거니와
Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’ i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ ny fahafatesana.
21 그 원수의 머리 곧 그 죄과에 항상 행하는 자의 정수리는 하나님이 쳐서 깨치시리로다
Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan’ ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’ izay mandroso amin’ ny fahadisoany.
22 주께서 말씀하시기를 내가 저희를 바산에서 돌아오게 하며 바다 깊은 데서 도로 나오게 하고
Lazain’ ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin’ ny ranomasina lalina Aho,
23 너로 저희를 심히 치고 그 피에 네 발을 잠그게 하며 네 개의 혀로 네 원수에게서 제 분깃을 얻게 하리라 하시도다
Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran’ ny lelan’ ny amboanao ny fahavalo.
24 하나님이여, 저희가 주의 행차하심을 보았으니 곧 나의 하나님 나의 왕이 성소에 행차하시는 것이라
Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan’ Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ ny fitoerana masìna.
25 소고 치는 동녀 중에 가객은 앞서고 악사는 뒤따르나이다
Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ ny zatovovavy mively ampongatapaka.
26 이스라엘의 근원에서 나온 너희여 대회 중에서 하나님 곧 주를 송축할지어다
Misaora an’ Andriamanitra eo amin’ ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin’ ny loharanon’ ny Isiraely.
27 거기는 저희 주관자 작은 베냐민과 유다의 방백과 그 무리와 스불론의 방백과 납달리의 방백이 있도다
Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon’ ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
28 네 하나님이 네 힘을 명하셨도다 하나님이여, 우리를 위하여 행하신 것을 견고히 하소서
Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
29 예루살렘에 있는 주의 전을 위하여 왕들이 주께 예물을 드리리이다
Noho ny tempolinao eo an-tampon’ i Jerosalema, no hitondran’ ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.
30 갈밭의 들짐승과 수소의 무리와 만민의 송아지를 꾸짖으시고 은 조각을 발 아래 밟으소서 저가 전쟁을 즐기는 백성을 흩으셨도다
Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ ny ombilahy mbamin’ ireo vahoaka zanak’ omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
31 방백들은 애굽에서 나오고 구스인은 하나님을 향하여 그 손을 신속히 들리로다
Ho avy ny tremalahin’ i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin’ Andriamanitra.
32 땅의 열방들아 하나님께 노래하고 주께 찬송할지어다 (셀라)
Ry fanjakana ambonin’ ny tany, mihirà ho an’ Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, (Sela)
33 옛적 하늘들의 하늘을 타신 자에게 찬송하라! 주께서 그 소리를 발하시니 웅장한 소리로다
Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
34 너희는 하나님께 능력을 돌릴지어다! 그 위엄이 이스라엘 위에 있고 그 능력이 하늘에 있도다
Ekeo ho an’ Andriamanitra ny hery; ambonin’ ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin’ ny lanitra.
35 하나님이여, 위엄을 성소에서 나타내시나이다 이스라엘의 하나님은 그 백성에게 힘과 능을 주시나니 하나님을 찬송할지어다!
Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin’ ny fitoeranao masìna; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an’ ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.

< 시편 68 >