< 시편 63 >

1 (다윗의 시. 유다 광야에 있을 때에) 하나님이여, 주는 나의 하나님이시라 내가 간절히 주를 찾되 물이 없어 마르고 곤핍한 땅에서 내 영혼이 주를 갈망하며 내 육체가 주를 앙모하나이다
Salamo nataon’ i Davida, fony tany an-efitr’ i Joda izy. Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
2 내가 주의 권능과 영광을 보려 하여 이와 같이 성소에서 주를 바라보았나이다
Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
3 주의 인자가 생명보다 나으므로 내 입술이 주를 찬양할 것이라
Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
4 이러므로 내 평생에 주를 송축하며 주의 이름으로 인하여 내 손을 들리이다
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako.
5 골수와 기름진 것을 먹음과 같이 내 영혼이 만족할 것이라 내 입이 기쁜 입술로 주를 찬송하되
Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao.
6 내가 나의 침상에서 주를 기억하며 밤중에 주를 묵상할 때에 하오리니
Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina.
7 주는 나의 도움이 되셨음이라 내가 주의 날개 그늘에서 즐거이 부르리이다
Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako.
8 나의 영혼이 주를 가까이 따르니 주의 오른손이 나를 붙드시거니와
Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
9 나의 영혼을 찾아 멸하려 하는 저희는 땅 깊은 곳에 들어가며
Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy;
10 칼의 세력에 붙인바 되어 시랑의 밥이 되리이다
Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy.
11 왕은 하나님을 즐거워하리니 주로 맹세한 자마다 자랑할 것이나 거짓말 하는 자의 입은 막히리로다
Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga.

< 시편 63 >