< 시편 148 >

1 할렐루야! 하늘에서 여호와를 찬양하며 높은 데서 찬양할지어다!
Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
2 그의 모든 사자여 찬양하며 모든 군대여 찬양할지어다!
Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
3 해와 달아 찬양하며 광명한 별들아 찬양할지어다!
Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
4 하늘의 하늘도 찬양하며 하늘 위에 있는 물들도 찬양할지어다!
Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin’ ny lanitra.
5 그것들이 여호와의 이름을 찬양할 것은 저가 명하시매 지음을 받았음이로다
Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
6 저가 또 그것들을 영영히 세우시고 폐치 못할 명을 정하셨도다
Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
7 너희 용들과 바다여 땅에서 여호와를 찬양하라!
Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
8 불과 우박과 눈과 안개와 그 말씀을 좇는 광풍이며
Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
9 산들과 모든 작은 산과 과목과 모든 백향목이며
Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
10 짐승과 모든 가축과 기는 것과 나는 새며
Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
11 세상의 왕들과 모든 백성과 방백과 땅의 모든 사사며
Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany,
12 청년 남자와 처녀와 노인과 아이들아
Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
13 다 여호와의 이름을 찬양할지어다 그 이름이 홀로 높으시며 그 영광이 천지에 뛰어나심이로다
Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
14 저가 그 백성의 뿔을 높이셨으니 저는 모든 성도 곧 저를 친근히 하는 이스라엘 자손의 찬양거리로다 할렐루야!
Ary manandratra tandroka ho an’ ny olony Izy, Dia fiderana ho an’ ny olony masìna rehetra, Eny, ho an’ ny Zanak’ Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.

< 시편 148 >