< 시편 147 >

1 할렐루야! 우리 하나님께 찬양함이 선함이여 찬송함이 아름답고 마땅하도다
Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
2 여호와께서 예루살렘을 세우시며 이스라엘의 흩어진 자를 모으시며
Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
3 상심한 자를 고치시며 저희 상처를 싸매시는도다
Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
4 저가 별의 수효를 계수하시고 저희를 다 이름대로 부르시는도다
Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny.
5 우리 주는 광대하시며 능력이 많으시며 그 지혜가 무궁하시도다
Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
6 여호와께서 겸손한 자는 붙드시고 악인은 땅에 엎드러뜨리시는도다
Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.
7 감사함으로 여호와께 노래하며 수금으로 하나님께 찬양할지어다!
Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga,
8 저가 구름으로 하늘을 덮으시며 땅을 위하여 비를 예비하시며 산에 풀이 자라게 하시며
Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
9 들짐승과 우는 까마귀 새끼에게 먹을 것을 주시는도다
Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.
10 여호와는 말의 힘을 즐거워 아니하시며 사람의 다리도 기뻐아니하시고
Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
11 자기를 경외하는 자와 그 인자하심을 바라는 자들을 기뻐하시는도다
Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
12 예루살렘아 여호와를 찬송할지어다! 시온아 네 하나님을 찬양할지어다!
Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô.
13 저가 네 문빗장을 견고히 하시고 너의 가운데 자녀에게 복을 주셨으며
Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
14 네 경내를 평안케 하시고 아름다운 밀로 너를 배불리시며
Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
15 그 명을 땅에 보내시니 그 말씀이 속히 달리는도다
Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
16 눈을 양털같이 내리시며 서리를 재 같이 흩으시며
Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
17 우박을 떡 부스러기 같이 뿌리시나니 누가 능히 그 추위를 감당하리요
Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
18 그 말씀을 보내사 그것들을 녹이시고 바람을 불게 하신즉 물이 흐르는도다
Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
19 저가 그 말씀을 야곱에게 보이시며 그 율례와 규례를 이스라엘에게 보이시는도다
Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely.
20 아무 나라에게도 이같이 행치 아니하셨나니 저희는 그 규례를 알지 못하였도다 할렐루야!
Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia.

< 시편 147 >