< 시편 135 >

1 할렐루야 여호와의 이름을 찬송하라! 여호와의 종들아 찬송하라!
Haleloia. Miderà ny anaran’ i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah,
2 여호와의 집 우리 하나님의 전정에 섰는 너희여,
Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon’ i Jehovah, Eo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitsika.
3 여호와를 찬송하라! 여호와는 선하시며 그 이름이 아름다우니 그 이름을 찬양하라!
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
4 여호와께서 자기를 위하여 야곱 곧 이스라엘을 자기의 특별한 소유로 택하셨음이로다
Fa Jakoba nofidin’ i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
5 내가 알거니와 여호와께서는 광대하시며 우리 모든 신보다 높으시도다
Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin’ ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
6 여호와께서 무릇 기뻐하시는 일을 천지와 바다와 모든 깊은 데서 행하셨도다
Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin’ ny lanitra, na etỳ ambonin’ ny tany, Na any amin’ ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
7 안개를 땅 끝에서 일으키시며 비를 위하여 번개를 만드시며 바람을 그 곳간에서 내시는도다
Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
8 저가 애굽의 처음 난 자를 사람부터 짐승까지 치셨도다
Dia Ilay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, Na olona, na biby.
9 애굽이여, 여호와께서 너의 중에 징조와 기사를 보내사 바로와 그 모든 신복에게 임하게 하셨도다
Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra,
10 저가 많은 나라를 치시고 강한 왕들을 죽이셨나니
Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
11 곧 아모리인의 왕 시혼과 바산 왕 옥과 가나안의 모든 국왕이로다
Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan’ i Basana, Ary ny fanjakan’ i Kanana rehetra;
12 저희의 땅을 기업으로 주시되 자기 백성 이스라엘에게 기업으로 주셨도다
Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan’ ny Isiraely olony.
13 여호와여, 주의 이름이 영원하시니이다 여호와여, 주의 기념이 대대에 이르리이다
Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
14 여호와께서 자기 백성을 판단하시며 그 종들을 긍휼히 여기시리로다
Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony.
15 열방의 우상은 은, 금이요 사람의 수공물이라
Ny sampin’ ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan’ ny tànan’ olona;
16 입이 있어도 말하지 못하며 눈이 있어도 보지 못하며
Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
17 귀가 있어도 듣지 못하며 그 입에는 아무 기식도 없나니
Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
18 그것을 만든자와 그것을 의지하는 자가 다 그것과 같으리라
Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
19 이스라엘 족속아 여호와를 송축하라! 아론의 족속아 여호와를 송축하라!
Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona;
20 레위 족속아 여호와를 송축하라! 여호와를 경외하는 너희들아 여호와를 송축하라!
Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Levy; Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, misaora an’ i Jehovah.
21 예루살렘에 거하신 여호와는 시온에서 찬송을 받으실지어다! 할렐루야
Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.

< 시편 135 >