< 시편 104 >

1 내 영혼아 여호와를 송축하라 여호와 나의 하나님이여, 주는 심히 광대하시며 존귀와 권위를 입으셨나이다
Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
2 주께서 옷을 입음 같이 빛을 입으시며 하늘을 휘장 같이 치시며
Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
3 물에 자기 누각의 들보를 얹으시며 구름으로 자기 수레를 삼으시고 바람 날개로 다니시며
Ary mametraka ny rairain-drihan’ ny tranony amin’ ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ ny elatry ny rivotra,
4 바람으로 자기 사자를 삼으시며 화염으로 자기 사역자를 삼으시며
Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.
5 땅의 기초를 두사 영원히 요동치 않게 하셨나이다
Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
6 옷으로 덮음같이 땅을 바다로 덮으시매 물이 산들 위에 섰더니
Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
7 주의 견책을 인하여 도망하여 주의 우뢰 소리를 인하여 빨리 가서
Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon’ ny kotrokoranao dia nirifatra izy
8 주의 정하신 처소에 이르렀고 산은 오르고 골짜기는 내려 갔나이다
Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin’ izay namboarinao hitoerany.
9 주께서 물의 경계를 정하여 넘치지 못하게 하시며 다시 돌아와 땅을 덮지 못하게 하셨나이다
Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
10 여호와께서 샘으로 골짜기에서 솟아나게 하시고 산 사이에 흐르게 하사
Mampandeha loharano eny amin’ ny lohasaha Izy; Eny anelanelan’ ny tendrombohitra no alehan’ ireny,
11 들의 각 짐승에게 마시우시니 들나귀들도 해갈하며
Ka isotroan’ ny bibi-dia rehetra, Sy analan’ ny boriki-dia ny hetahetany;
12 공중의 새들이 그 가에서 깃들이며 나무가지 사이에서 소리를 발하는도다
Eo amboniny no itoeran’ ny voro-manidina; Ary eo amin’ ny ran-tsan-kazo no anenoany.
13 저가 가축을 위한 풀과 사람의 소용을 위한 채소를 자라게 하시며 땅에서 식물이 나게 하시고
Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
14 사람의 마음을 기쁘게 하는 포도주와 사람의 얼굴을 윤택케 하는 기름과 사람의 마음을 힘있게 하는 양식을 주셨도다
Mampaniry ahitra ho an’ ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin’ ny tany.
15 여호와의 나무가 우택에 흡족함이여 곧 그의 심으신 레바논 백향목이로다
Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona.
16 새들이 그 속에 깃을 들임이여 학은 잣나무로 집을 삼는도다
Voky ny hazon’ i Jehovah, Dia ny sederan’ i Libanona, izay namboleny;
17 높은 산들은 산양을 위함이여 바위는 너구리의 피난처로다
Izay anaovan’ ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin’ ny kypreso no anaovany ny tranony.
18 여호와께서 달로 절기를 정하심이여 해는 그 지는 것을 알도다
Ny tendrombohitra avo dia ho an’ ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an’ ny hyraka.
19 주께서 흑암을 지어 밤이 되게 하시니 삼림의 모든 짐승이 기어 나오나이다
Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
20 젊은 사자가 그 잡을 것을 쫓아 부르짖으며 그 식물을 하나님께 구하다가
Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ ala;
21 해가 돋으면 물러가서 그 굴혈에 눕고
Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin’ Andriamanitra.
22 사람은 나와서 노동하며 저녁까지 수고하는도다
Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
23 여호와여, 주의 하신 일이 어찌 그리 많은지요 주께서 지혜로 저희를 다 지으셨으니 주의 부요가 땅에 가득하니이다
Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ ny andro.
24 저기 크고 넓은 바다가 있고 그 속에 동물 곧 대소 생물이 무수하니이다
Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
25 선척이 거기 다니며 주의 지으신 악어가 그 속에서 노나이다
Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
26 이것들이 다 주께서 때를 따라 식물 주시기를 바라나이다
Any no alehan’ ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.
27 주께서 주신즉 저희가 취하며 주께서 손을 펴신즉 저희가 좋은 것으로 만족하다가
Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ ny fotoany.
28 주께서 낯을 숨기신즉 저희가 떨고 주께서 저희 호흡을 취하신즉 저희가 죽어 본 흙으로 돌아가나이다
Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
29 주의 영을 보내어 저희를 창조하사 지면을 새롭게 하시나이다
Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy,
30 여호와의 영광이 영원히 계속할지며 여호와는 자기 행사로 인하여 즐거워하실지로다
Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao.
31 저가 땅을 보신즉 땅이 진동하며 산들에 접촉하신즉 연기가 발하도다
Ho mandrakizay anie ny voninahitr’ i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ ny asany.
32 나의 평생에 여호와께 노래하며 나의 생존한 동안 내 하나님을 찬양하리로다
Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
33 나의 묵상을 가상히 여기시기를 바라나니 나는 여호와로 인하여 즐거워하리로다
Hihira ho an’ i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’ Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
34 죄인을 땅에서 소멸하시며 악인을 다시 있지 못하게 하실지로다 내 영혼이 여호와를 송축하라 할렐루야
Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’ i Jehovah.
Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.

< 시편 104 >