< 시편 102 >

1 (곤고한 자가 마음이 상하여 그 근심을 여호와 앞에 토하는 기도) 여호와여, 내 기도를 들으시고 나의 부르짖음을 주께 상달케 하소서
Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’ i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
2 나의 괴로운 날에 주의 얼굴을 내게 숨기지 마소서 주의 귀를 기울이사 내가 부르짖는 날에 속히 내게 응답하소서
Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
3 대저 내 날이 연기 같이 소멸하며 내 뼈가 냉과리 같이 탔나이다
Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
4 내가 음식 먹기도 잊었음으로 내 마음이 풀 같이 쇠잔하였사오며
Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
5 나의 탄식 소리를 인하여 나의 살이 뼈에 붙었나이다
Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro.
6 나는 광야의 당아새 같고 황폐한 곳의 부엉이 같이 되었사오며
Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
7 내가 밤을 새우니 지붕 위에 외로운 참새 같으니이다
Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
8 내 원수들이 종일 나를 훼방하며 나를 대하여 미칠듯이 날치는 자들이 나를 가리켜 맹세하나이다
Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
9 나는 재를 양식 같이 먹으며 나의 마심에는 눈물을 섞었사오니
Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
10 이는 주의 분과 노를 인함이라 주께서 나를 드셨다가 던지셨나이다
Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
11 내 날이 기울어지는 그림자 같고 내가 풀의 쇠잔함 같으니이다
Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
12 여호와여, 주는 영원히 계시고 주의 기념 명칭은 대대에 이르리이다
Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
13 주께서 일어나사 시온을 긍휼히 여기시리니 지금은 그를 긍휼히 여기실 때라 정한 기한이 옴이니이다
Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
14 주의 종들이 시온의 돌들을 즐거워하며 그 티끌도 연휼히 여기나이다
Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
15 이에 열방이 여호와의 이름을 경외하며 세계 열왕이 주의 영광을 경외하리니
Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;
16 대저 여호와께서 시온을 건설하시고 그 영광 중에 나타나셨음이라
Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;
17 여호와께서 빈궁한 자의 기도를 돌아보시며 저희 기도를 멸시치 아니하셨도다
Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
18 이 일이 장래 세대를 위하여 기록되리니 창조함을 받을 백성이 여호와를 찬송하리로다
Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah;
19 여호와께서 그 높은 성소에서 하감하시며 하늘에서 땅을 감찰하셨으니
Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany,
20 이는 갇힌자의 탄식을 들으시며 죽이기로 정한 자를 해방하사
Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
21 여호와의 이름을 시온에서 그 영예를 예루살렘에서 선포케 하려 하심이라
Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22 때에 민족들과 나라들이 모여 여호와를 섬기리로다
Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah.
23 저가 내 힘을 중도에 쇠약케 하시며 내 날을 단촉케 하셨도다
Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
24 나의 말이 나의 하나님이여, 나의 중년에 나를 데려가지 마옵소서 주의 연대는 대대에 무궁하니이다
Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
25 주께서 옛적에 땅의 기초를 두셨사오며 하늘도 주의 손으로 지으신 바니이다
Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra.
26 천지는 없어지려니와 주는 영존하시겠고 그것들은 다 옷 같이 낡으리니 의복같이 바꾸시면 바뀌려니와
Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
27 주는 여상하시고 주의 년대는 무궁하리이다
Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
28 주의 종들의 자손이 항상 있고 그 후손이 주의 앞에 굳게 서리이다 하였도다
Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.

< 시편 102 >