< 잠언 5 >

1 내 아들아 내 지혜에 주의하며 내 명철에 네 귀를 기울여서
Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin’ ny fahalalako,
2 근신을 지키며 네 입술로 지식을 지키도록 하라
Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman’ ny molotrao ny fahalalana.
3 대저 음녀의 입술은 꿀을 떨어뜨리며 그 입은 기름보다 미끄러우나
Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
4 나중은 쑥 같이 쓰고 두 날 가진 칼같이 날카로우며
Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
5 그 발은 사지로 내려가며 그 걸음은 음부로 나아가나니 (Sheol h7585)
Ny tongony midìna ho any amin’ ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
6 그는 생명의 평탄한 길을 찾지 못하며 자기 길이 든든치 못하여 그것을 깨닫지 못하느니라
Tsy mahazo mandia ny lalan’ aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
7 그런즉 아들들아 나를 들으며 내 입의 말을 버리지 말고
Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin’ ny teny aloaky ny vavako.
8 네 길을 그에게서 멀리하라 그 집 문에도 가까이 가지 말라
Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran’ ny tranony;
9 두렵건대 네 존영이 남에게 잃어버리게 되며 네 수한이 잔포자에게 빼앗기게 될까 하노라
Fandrao omenao ho an’ ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an’ izay lozabe;
10 두렵건대 타인이 네 재물로 충족하게 되며 네 수고한 것이 외인의 집에 있게 될까 하노라
Fandrao hivokisan’ ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ ny vahiny;
11 두렵건대 마지막에 이르러 네 몸 네 육체가 쇠패할 때에 네가 한탄하여
Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
12 말하기를 내가 어찌하여 훈계를 싫어하며 내 마음이 꾸지람을 가벼이 여기고
Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
13 내 선생의 목소리를 청종치 아니하며 나를 가르치는 이에게 귀를 기울이지 아니하였던고
Ka tsy nihaino ny tenin’ ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
14 많은 무리들이 모인 중에서 모든 악에 거의 빠지게 되었었노라 하게 될까 하노라
Efa saiky azon’ ny ratsy rehetra aho Tao amin’ ny fiangonana sy ny fivoriana.
15 너는 네 우물에서 물을 마시며 네 샘에서 흐르는 물을 마시라
Misotroa rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin’ ny fantsakanao.
16 어찌하여 네 샘물을 집 밖으로 넘치게 하겠으며 네 도랑물을 거리로 흘러가게 하겠느냐
Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
17 그 물로 네게만 있게 하고 타인으로 더불어 그것을 나누지 말라
Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin’ ny hafa.
18 네 샘으로 복되게 하라! 네가 젊어서 취한 아내를 즐거워하라
Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin’ ny vadin’ ny fahatanoranao.
19 그는 사랑스러운 암사슴 같고 아름다운 암노루 같으니 너는 그 품을 항상 족하게 여기며 그 사랑을 항상 연모하라
Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ ny fitiavany ianao.
20 내 아들아 어찌하여 음녀를 연모하겠으며 어찌하여 이방 계집의 가슴을 안겠느냐
Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin’ ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran’ ny vahiny janga?
21 대저 사람의 길은 여호와의 눈 앞에 있나니 그가 그 모든 길을 평탄케 하시느니라
Fa eo imason’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
22 악인은 자기의 악에 걸리며 그 죄의 줄에 매이나니
Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy
23 그는 훈계를 받지 아니함을 인하여 죽겠고 미련함이 많음을 인하여 혼미하게 되느니라
Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben’ ny fahadalany.

< 잠언 5 >