< 잠언 25 >

1 이것도 솔로몬의 잠언이요 유다 왕 히스기야의 신하들의 편집한 것이니라
Izao koa no ohabolan’ i Solomona, izay nangonin’ ny olon’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda:
2 일을 숨기는 것은 하나님의 영화요 일을 살피는 것은 왕의 영화니라
Voninahitr’ Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
3 하늘의 높음과 땅의 깊음 같이 왕의 마음은 헤아릴 수 없느니라
Ny hahavon’ ny lanitra sy ny halalin’ ny tany Ary ny fon’ ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
4 은에서 찌끼를 제하라 그리하면 장색의 쓸만한 그릇이 나올 것이요
Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an’ ny mpanao an-idina.
5 왕 앞에서 악한 자를 제하라 그리하면 그 위가 의로 말미암아 견고히 서리라
Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin’ ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
6 왕 앞에서 스스로 높은 체 하지말며 대인의 자리에 서지 말라
Aza manandra-tena eo anatrehan’ ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin’ ny fitoeran’ ny lehibe;
7 이는 사람이 너더러 이리로 올라오라 하는 것이 네 눈에 보이는 귀인 앞에서 저리로 내려가라 하는 것보다 나음이니라
Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason’ ny manan-kaja izay hitan’ ny masonao.
8 너는 급거히 나가서 다투지 말라 마침내 네가 이웃에게 욕을 보게 될 때에 네가 어찌 할 줄을 알지 못할까 두려우니라
Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ ny farany, Rehefa omen’ ny namanao henatra ianao.
9 너는 이웃과 다투거든 변론만 하고 남의 은밀한 일을 누설하지 말라
Miadia ihany ny adinao amin’ ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian’ ny sasany holazaina,
10 듣는 자가 너를 꾸짖을 터이요 또 수욕이 네게서 떠나지 아니할까 두려우니라
Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
11 경우에 합당한 말은 아로새긴 은쟁반에 금사과니라
Ny teny atao amin’ ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.
12 슬기로운 자의 책망은 청종하는 귀에 금고리와 정금 장식이니라
Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin’ ny sofina mihaino.
13 충성된 사자는 그를 보낸 이에게 마치 추수하는 날에 얼음 냉수같아서 능히 그 주인의 마음을 시원케 하느니라
Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin’ izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon’ ny tompony izy.
14 선물한다고 거짓 자랑하는 자는 비 없는 구름과 바람 같으니라
Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin’ ny fizaram-bava.
15 오래 참으면 관원이 그 말을 용납하나니 부드러운 혀는 뼈를 꺾느니라
Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.
16 너는 꿀을 만나거든 족하리만큼 먹으라 과식하므로 토할까 두려우니라
Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
17 너는 이웃집에 자주 다니지 말라 그가 너를 싫어하며 미워할까 두려우니라
Aza miditra matetika ao an-tranon’ ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
18 그 이웃을 쳐서 거짓 증거하는 사람은 방망이요 칼이요 뾰족한 살이니라
Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
19 환난날에 진실치 못한 자를 의뢰하는 의뢰는 부러진 이와 위골된 발 같으니라
Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin’ ny andro fahoriana.
20 마음이 상한 자에게 노래하는 것은 추운 날에 옷을 벗음 같고 쏘다 위에 초를 부음 같으니라
Toy ny miala lamba amin’ ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin’ ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin’ ny malahelo am-po.
21 네 원수가 배고파하거든 식물을 먹이고 목말라하거든 물을 마시우라
Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
22 그리하는 것은 핀 숯으로 그의 머리에 놓는 것과 일반이요 여호와께서는 네게 상을 주시리라
Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
23 북풍이 비를 일으킴 같이 참소하는 혀는 사람의 얼굴에 분을 일으키느니라
Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan’ ny mpifosa mampahavinitra endrika.
24 다투는 여인과 함께 큰 집에서 사는 것보다 움막에서 혼자 사는 것이 나으니라
Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampontrano Toy izay miray trano amin’ ny vehivavy tia ady.
25 먼 땅에서 오는 좋은 기별은 목마른 사람에게 냉수 같으니라
Rano mangatsiaka amin’ ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
26 의인이 악인 앞에 굴복하는 것은 우물의 흐리어짐과 샘의 더러워 짐 같으니라
Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
27 꿀을 많이 먹는 것이 좋지 못하고 자기의 영예를 구하는 것이 헛되니라
Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan’ ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.
28 자기의 마음을 제어하지 아니하는 자는 성읍이 무너지고 성벽이 없는 것 같으니라
Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.

< 잠언 25 >