< 민수기 11 >

1 백성이 여호와의 들으시기에 악한 말로 원망하매 여호와께서 들으시고 진노하사 여호와의 불로 그들 중에 붙어서 진 끝을 사르게 하시매
Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan’ i Jehovah ny olona, ary nony ren’ i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon’ i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin’ ny toby.
2 백성이 모세에게 부르짖으므로 모세가 여호와께 기도하니 불이 꺼졌더라
Dia nitaraina tamin’ i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin’ i Jehovah, dia maty ny afo.
3 그곳 이름을 다베라라 칭하였으니 이는 여호와의 불이 그들 중에 붙은 연고였더라
Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon’ i Jehovah.
4 이스라엘 중에 섞어 사는 무리가 탐욕을 품으매 이스라엘 자손도 다시 울며 가로되 '누가 우리에게 고기를 주어 먹게 할꼬?
Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak’ Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
5 우리가 애굽에 있을 때에는 값 없이 생선과 외와 수박과 부추와 파와 마늘들을 먹은 것이 생각나거늘
Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin’ ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.
6 이제는 우리 정력이 쇠약하되 이 만나 외에는 보이는 것이 아무 것도 없도다' 하니
Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
7 만나는 깟씨와 같고 모양은 진주와 같은 것이라
Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ ny bedola.
8 백성이 두루 다니며 그것을 거두어 맷돌에 갈기도 하며 절구에 찧기도 하고 가마에 삶기도 하여 과자를 만들었으니 그 맛이 기름 섞은 과자맛 같았더라
Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin’ ny fikosoham-bary na tamin’ ny laona, ary nahandro azy tamin’ ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
9 밤에 이슬이 진에 내릴 때에 만나도 같이 내렸더라
Ary raha nilatsaka tamin’ ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.
10 백성의 온 가족들이 각기 장막 문에서 우는 것을 모세가 들으니라 이러므로 여호와의 진노가 심히 크고 모세도 기뻐하지 아니하여
Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin’ ny isam-pianakaviany, samy teo amin’ ny varavaran’ ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’ i Jehovah; ary tsy sitrak’ i Mosesy koa izany.
11 여호와께 여짜오되 `주께서 어찌하여 종을 괴롭게 하시나이까? 어찌하여 나로 주의 목전에 은혜를 입게 아니하시고 이 모든 백성을 내게 맡기사 나로 그 짐을 지게 하시나이까?
Dia hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?
12 이 모든 백성을 내가 잉태하였나이까? 내가 어찌 그들을 생산하였기에 주께서 나더러 양육하는 아비가 젖 먹는 아이를 품듯 그들을 품에 품고 주께서 그들의 열조에게 맹세하신 땅으로 가라 하시나이까?
Izaho va no torontoronina an’ ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin’ ny tany izay nianiananao tamin’ ny razany homena azy?
13 이 모든 백성에게 줄 고기를 내가 어디서 얻으리이까? 그들이 나를 향하여 울며 가로되 우리에게 고기를 주어 먹게 하라 하온즉
Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?
14 책임이 심히 중하여 나 혼자는 이 모든 백성을 질 수 없나이다
Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.
15 주께서 내게 이같이 행하실진대 구하옵나니 내게 은혜를 베푸사 즉시 나를 죽여 나로 나의 곤고함을 보지 않게 하옵소서'
Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
16 여호와께서 모세에게 이르시되 이스라엘 노인 중 백성의 장로와 유사되는 줄을 네가 아는 자 칠십인을 모아 데리고 회막 내 앞에 이르러 거기서 너와 함께 서게 하라
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana izy.
17 내가 강림하여 거기서 너와 말하고 네게 임한 신을 그들에게도 임하게 하리니 그들이 너와 함께 백성의 짐을 담당하고 너 혼자 지지 아니하리라
Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin’ ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
18 또 백성에게 이르기를 너희 몸을 거룩히 하여 내일 고기 먹기를 기다리라 너희가 울며 이르기를 누가 우리에게 고기를 주어 먹게할꼬 애굽에 있을 때가 우리에게 재미 있었다 하는 말이 여호와께 들렸으므로 여호와께서 너희에게 고기를 주어 먹게 하실 것이라
Koa lazao amin’ ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin’ ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan’ i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen’ i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.
19 하루나 이틀이나 닷새나 열흘이나 이십일만 먹을 뿐 아니라
Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,
20 코에서 넘쳐서 싫어하기까지 일개월간을 먹게 하시리니 이는 너희가 너희 중에 거하시는 여호와를 멸시하고 그 앞에서 울며 이르기를 우리가 어찌하여 애굽에서 나왔던고 함이라 하라
fa hatramin’ ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
21 모세가 가로되 `나와 함께 있는 이 백성의 보행자가 육십 만명이온데 주의 말씀이 일개월간 고기를 주어 먹게 하겠다 하시오니
Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.
22 그들을 위하여 양떼와 소떼를 잡은들 족하오며 바다의 모든 고기를 모은들 족하오리이까?'
Moa ondry aman’ osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?
23 여호와께서 모세에게 이르시되 여호와의 손이 짧아졌느냐? 네가 이제 내 말이 네게 응하는 여부를 보리라
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nihafohy va ny tànan’ i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.
24 모세가 나가서 여호와의 말씀을 백성에게 고하고 백성의 장로 칠십인을 모아 장막에 둘러 세우매
Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin’ ny loholon’ ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
25 여호와께서 구름 가운데 강림하사 모세에게 말씀하시고 그에게 임한 신을 칠십 장로에게도 임하게 하시니 신이 임하신 때에 그들이 예언을 하다가 다시는 아니하였더라
Ary nidina teo amin’ ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin’ i Mosesy ka napetrany tao amin’ ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
26 그 녹명된 자 중 엘닷이라 하는 자와 메닷이라 하는 자 두 사람이 진에 머물고 회막에 나아가지 아니하였으나 그들에게도 신이 임하였으므로 진에서 예언한지라
Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ ny anankiray, ary Medada no anaran’ ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan’ izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin’ ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
27 한 소년이 달려와서 모세에게 고하여 가로되 `엘닷과 메닷이 진 중에서 예언하더이다' 하매
Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.
28 택한 자 중 한 사람 곧 모세를 섬기는 눈의 아들 여호수아가 말하여 가로되 '내 주 모세여 금하소서'
Dia namaly Josoa, zanak’ i Nona, izay nanompo an’ i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
29 모세가 그에게 이르되 `네가 나를 위하여 시기하느냐? 여호와께서 그 신을 그 모든 백성에게 주사 다 선지자 되게 하시기를 원하노라'
Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’ i Jehovah rehetra, ka halatsak’ i Jehovah aminy ny Fanahiny!
30 모세와 이스라엘 장로들이 진중으로 돌아왔더라
Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon’ ny Isiraely.
31 바람이 여호와에게로서 나와 바다에서부터 메추라기를 몰아 진곁 이편, 저편 곧 진 사방으로 각기 하룻길 되는 지면 위 두 규빗쯤에 내리게 한지라
Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin’ ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin’ ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin’ ny tany izy.
32 백성이 일어나 종일 종야와 그 이튿날 종일토록 메추라기를 모으니 적게 모은 자도 십 호멜이라 그들이 자기를 위하여 진 사면에 펴 두었더라
Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson’ iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby.
33 고기가 아직 잇사이에 있어 씹히기 전에 여호와께서 백성에게 대하여 진노하사 심히 큰 재앙으로 치셨으므로
Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin’ ny olona ny fahatezeran’ i Jehovah, ary namely ny olony tamin’ ny kapoka mafy indrindra Izy.
34 그곳 이름을 [기브롯 핫다아와]라 칭하였으니 탐욕을 낸 백성을 거기 장사함이었더라
Ary ny anaran’ izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana ny olona izay liana.
35 백성이 기브롯 핫다아와에서 진행하여 하세롯에 이르러 거기 거하니라
Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.

< 민수기 11 >