< 느헤미야 13 >

1 그날에 모세의 책을 낭독하여 기록하기를 암몬 사람과 모압 사람은 영영히 하나님의 회에 들어 오지 못하리니
Tamin’ izany andro izany dia novakiana teo anatrehan’ ny olona ny teny tao amin’ ny bokin’ i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra mandrakizay,
2 이는 저희가 양식과 물로 이스라엘 자손을 영접지 아니하고 도리어 발람에게 뇌물을 주어 저주하게 하였음이라 그러나 우리 하나님이 그 저주를 돌이켜 복이 되게 하였는지라
satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak’ Isiraely izy, fa nanamby an’ i Balama hanozona azy; kanjo nampodin’ Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
3 백성이 이 율법을 듣고 곧 섞인 무리를 이스라엘 가운데서 몰수히 분리케 하였느니라
Ary rehefa ren’ ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin’ ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
4 이전에 우리 하나님의 전 골방을 맡은 제사장 엘리아십이 도비야와 연락이 있었으므로
Ary talohan’ izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika sady havan’ i Tobia akaikiny,
5 도비야를 위하여 한 큰 방을 갖추었으니 그 방은 원래 소제물과 유향과 또 기명과 레위 사람들과 노래하는 자들과 문지기들에게 십일조로 주는 곡물과 새 포도주와 기름과 또 제사장들에게 주는 거제물을 두는 곳이라
dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin’ ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an’ ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an’ ny mpisorona.
6 그 때에는 내가 예루살렘에 있지 아니하였었느니라 바벨론 왕 아닥사스다 삼십 이년에 내가 왕에게 나아갔다가 며칠 후에 왕에게 말미를 청하고
Fa tamin’ izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Babylona, no nahatongavako tany amin’ ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin’ ny mpanjaka aho;
7 예루살렘에 이르러서야 엘리아십이 도비야를 위하여 하나님의 전뜰에 방을 갖춘 악한 일을 안지라
ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon’ i Eliasiba ho an’ i Tobia tamin’ ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitra.
8 내가 심히 근심하여 도비야의 세간을 그 방 밖으로 다 내어 던지고
Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an’ i Tobia hiala tamin’ ny efi-trano.
9 명하여 그 방을 정결케 하고 하나님의 전의 기명과 소제물과 유향을 다시 그리로 들여 놓았느니라
Ary nasaiko nodiovin’ ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
10 내가 또 알아 본즉 레위 사람들의 받을 것을 주지 아니 하였으므로 그 직무를 행하는 레위 사람들과 노래하는 자들이 각각 그 전리로 도망하였기로
Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman’ ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.
11 내가 모든 민장을 꾸짖어 이르기를 `하나님의 전이 어찌하여 버린바 되었느냐?' 하고 곧 레위 사람을 불러 모아 다시 그 처소에 세웠더니
Dia nifandahatra tamin’ ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon’ Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin’ ny toerany avy.
12 이에 온 유다가 곡식과 새 포도주와 기름의 십일조를 가져다가 곳간에 들이므로
Dia nentin’ ny Joda rehetra ho ao amin’ ny trano firaketana ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
13 내가 제사장 셀레먀와, 서기관 사독과, 레위 사람 브다야로 고지기를 삼고 맛다냐의 손자 삭굴의 아들 하난으로 버금을 삼았나니 이는 저희가 충직한 자로 인정됨이라 그 직분은 형제들에게 분배하는 일이였느니라
Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin’ ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak’ i Zakora, zanak’ i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin’ ireo dia ny hizara ho an’ ny rahalahiny.
14 내 하나님이여, 이 일을 인하여 나를 기억하옵소서! 내 하나님의 전과 그 모든 직무를 위하여 나의 행한 선한 일을 도말하지 마옵소서
Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin’ ny tranon’ Andriamanitro sy ny amin’ ny raharaha tokony hatao ao.
15 그 때에 내가 본즉 유다에게 어떤 사람이 안식일에 술틀을 밟고 곡식단을 나귀에 실어 운반하며 포도주와 포도와 무화과와 여러 가지 짐을 지고 안식일에 예루살렘에 들어와서 식물을 팔기로 그날에 내가 경계하였고
Ary tamin’ izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin’ ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin’ ny andro nivarotany hanina.
16 또 두로 사람이 예루살렘에 거하며 물고기와 각양 물건을 가져다가 안식일에 유다 자손에게 예루살렘에서도 팔기로
Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin’ ny taranak’ i Joda sy tany Jerosalema tamin’ ny Sabata;
17 내가 유다 모든 귀인을 꾸짖어 이르기를 `너희가 어찌 이 악을 행하여 안식일을 범하느냐?
Dia nifandahatra tamin’ ireo manan-kaja amin’ ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
18 너희 열조가 이같이 행하지 아니 하였느냐? 그러므로 우리 하나님이 이 모든 재앙으로 우리와 이 성읍에 내리신 것이 아니냐? 이제 너희가 오히려 안식일을 범하여 진노가 이스라엘에게 임함이 더욱 심하게 하는도다' 하고
Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran’ Andriamanitsika amintsika sy amin’ ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin’ ny Isiraely amin’ ny andotoanareo ny Sabata.
19 안식일 전 예루살렘 성문이 어두워 갈 때에 내가 명하여 `성문을 닫고 안식일이 지나기 전에는 열지 말라' 하고 내 종자 두어 사람을 성문마다 세워서 안식일에 아무 짐도 들어오지 못하게 하매
Ary raha vao malomaloka ny vavahadin’ i Jerosalema talohan’ ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin’ ny andro Sabata.
20 장사들과 각양 물건 파는 자들이 한두번 예루살렘 성 밖에서 자므로
Ka dia nandry teo ivelan’ i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
21 내가 경계하여 이르기를 `너희가 어찌하여 성 밑에서 자느냐? 다시 이같이 하면 내가 잡으리라' 하였더니 그 후부터는 안식일에 저희가 다시 오지 아니하였느니라
dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin’ izany andro izany dia tsy tonga tamin’ ny Sabata intsony izy.
22 내가 또 레위 사람들을 명하여 `몸을 정결케 하고 와서 성문을 지켜서 안식일로 거룩하게 하라' 하였느니라 나의 하나님이여, 나를 위하여 이 일도 기억하옵시고 주의 큰 은혜대로 나를 아끼시옵소서!
Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben’ ny famindram-ponao.
23 그 때에 내가 또 본즉 유다 사람이 아스돗과 암몬과 모압 여인을 취하여 아내를 삼았는데
Ary tamin’ izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;
24 그 자녀가 아스돗 방언을 절반쯤은 하여도 유다 방언은 못하니 그 하는 말이 각 족속의 방언이므로
ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin’ ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy.
25 내가 책망하고 저주하며 두어 사람을 때리고 그 머리털을 뽑고 이르되 `너희는 너희 딸들로 저희 아들들에게 주지 말고 너희 아들들이나 너희를 위하여 저희 딸을 데려오지 않겠다고 하나님을 가리켜 맹세하라' 하고
Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’ Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
26 또 이르기를 `옛적에 이스라엘 왕 솔로몬이 이 일로 범죄하지 아니하였느냐? 저는 열국 중에 비길 왕이 없이 하나님의 사랑을 입은 자라 하나님이 저로 왕을 삼아 온 이스라엘을 다스리게 하셨으나 이방 여인이 저로 범죄케 하였나니
Tsy izany va no nanotan’ i Solomona, Mpanjakan’ i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ ny firenena maro, fa tian’ Andriamaniny izy ka nataon’ Andriamanitra ho mpanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain’ ny vehivavy hafa firenena.
27 너희가 이방 여인을 취하여 크게 악을 행하여 우리 하나님께 범죄하는 것을 우리가 어찌 용납하겠느냐
Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin’ Andriamanitsika amin’ ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
28 대제사장 엘리아십의 손자 요야다의 아들 하나가 호론 사람 산발랏의 사위가 되었으므로 내가 쫓아내어 나를 떠나게 하였느니라'
Ary vinanton’ i Sanbala Horonita ny anankiray amin’ ny zanak’ i Joiada, zanak’ i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
29 내 하나님이여, 저희가 제사장의 직분을 더럽히고 제사장의 직분과 레위 사람에 대한 언약을 어기었사오니 저희를 기억하옵소서
Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken’ ny fisoronana sy ny Levita.
30 이와 같이 저희로 이방 사람을 떠나게 하여 깨끗하게 하고 또 제사장과 레위 사람의 반열을 세워 각각 그 일을 맡게 하고
Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin’ ny tamin’ ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan’ ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin’ ny raharahany avy,
31 또 정한 기한에 나무와 처음 익은 것을 드리게 하였사오니 내 하나님이여, 나를 기억하사 복을 주옵소서!
ary ny amin’ ny fanaterana ny kitay hazo tamin’ izay fotoan’ androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.

< 느헤미야 13 >