< 나훔 1 >

1 니느웨에 대한 중한 경고 곧 엘고스 사람 나훔의 묵시의 글이라
Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Ninive, dia ny bokin’ ny fahitan’ i Nahoma Elkosita.
2 여호와는 투기하시며 보복하시는 하나님이시니라 여호와는 보복하시며 자기를 대적하는 자에게 진노를 품으시며
Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
3 여호와는 노하기를 더디하시며 권능이 크시며 죄인을 결코 사하지 아니하시느니라 여호와의 길은 회리바람과 광풍에 있고 구름은 그 발의 티끌이로다
Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin’ ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’ i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
4 그는 바다를 꾸짖어 그것을 말리우시며 모든 강을 말리우시나니 바산과 갈멜이 쇠하며 레바논의 꽃이 이우는도다
Miteny mafy ny ranomasina izy ka mahatankina azy Ary mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana sy Karmela. Ary malazo koa ny vonin’ i Libanona.
5 그로 인하여 산들이 진동하며 작은 산들이 녹고 그의 앞에서는 땅 곧 세계와 그 가운데 거하는 자들이 솟아 오르는도다
Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
6 누가 능히 그 분노하신 앞에 서며 누가 능히 그 진노를 감당하랴 그 진노를 불처럼 쏟으시니 그를 인하여 바위들이 깨어지는도다
Iza no mahatoetra eo anoloan’ ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
7 여호와는 선하시며 환난 날에 산성이시라 그는 자기에게 의뢰하는 자들을 아시느니라
Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ ny andro fahoriana, Ka mahalala izay mialoka aminy.
8 그가 범람한 물로 그곳을 진멸하시고 자기 대적들을 흑암으로 쫓아내시리라
Fa amin’ ny riaka manafotra no anafoanany ny fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin’ ny maizina.
9 너희가 여호와를 대하여 무엇을 꾀하느냐? 그가 온전히 멸하시리니 재난이 다시 일어나지 아니하리라
Inona no heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.
10 가시덤불 같이 엉크러졌고 술을 마신 것 같이 취한 그들이 마른 지푸라기 같이 다 탈 것이어늘
Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton’ ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina izy.
11 여호와께 악을 꾀하는 한 사람이 너희 중에서 나와서 사특한 것을 권하는도다
Avy tao aminao no nivoahan’ ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an’ i Jehovah Sady mamoron-kevi-dratsy.
12 여호와께서 말씀하시기를 그들이 비록 강장하고 중다할지라도 반드시 멸절을 당하리니 그가 없어지리라 내가 전에는 너를 괴롭게하였으나 다시는 너를 괴롭게 하지 아니할 것이라
Izao no lazain’ i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
13 이제 네게 지운 그의 멍에를 내가 깨뜨리고 너의 결박을 끊으리라
Fa ankehitriny hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao.
14 나 여호와가 네게 대하여 명하였나니 네 이름이 다시는 전파되지 않을 것이라 내가 네 신들의 집에서 새긴 우상과 부은 우상을 멸절하며 네 무덤을 예비하리니 이는 네가 비루함이니라
Ary Jehovah efa nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy ho ao an-tranon’ ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa latsa-danja ianao.
15 볼지어다 아름다운 소식을 보하고 화평을 전하는 자의 발이 산 위에 있도다 유다야 네 절기를 지키고 네 서원을 갚을지어다 악인이 진멸되었으니 그가 다시는 네 가운데로 통행하지 아니하리로다
Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.

< 나훔 1 >