< 미가 3 >

1 내가 또 이르노니 야곱의 두령들과 이스라엘 족속의 치리자들아 청컨대 들으라 공의는 너희의 알 것이 아니냐?
Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon’ i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak’ Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
2 너희가 선을 미워하고 악을 좋아하여 내 백성의 가죽을 벗기고 그 뼈에서 살을 뜯어
Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin’ ny taolany,
3 그들의 살을 먹으며 그 가죽을 벗기며 그 뼈를 꺾어 다지기를 남비와 솥 가운데 담을 고기처럼 하는도다
Eny, ianareo izay homana ny nofon’ ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin’ ny fahandroan-kena.
4 그 때에 그들이 여호와께 부르짖을지라도 응답지 아니하시고 그들의 행위의 악하던대로 그들 앞에 얼굴을 가리우시리라
Amin’ izany dia hitaraina amin’ i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin’ izany andro izany Izy Araka ny faharatsian’ ny nataon’ ireo.
5 내 백성을 유혹하는 선지자는 이에 물면 평강을 외치나 그 입에 무엇을 채워주지 아니하는 자에게는 전쟁을 준비하는도다 이런 선지자에 대하여 여호와께서 가라사대
Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin’ ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masìna:
6 그러므로 너희가 밤을 만나리니 이상을 보지 못할 것이요 흑암을 만나리니 점 치지 못하리라 하셨나니 이 선지자 위에는 해가 져서 낮이 캄캄할 것이라
Koa izany no hisian’ ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,
7 선견자가 부끄러워하며 술객이 수치를 당하여 다 입술을 가리울 것은 하나님이 응답지 아니하심이어니와
Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin’ Andriamanitra.
8 오직 나는 여호와의 신으로 말미암아 권능과 공의와 재능으로 채움을 얻고 야곱의 허물과 이스라엘의 죄를 그들에게 보이리라
Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin’ i Jehovah, Mbamin’ ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’ i Jakoba ny helony Sy amin’ Isiraely ny fahotany.
9 야곱 족속의 두령과 이스라엘 족속의 치리자 곧 공의를 미워하고 정직한 것을 굽게 하는 자들아 청컨대 이 말을 들을지어다
Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon’ ny taranak’ i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak’ Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,
10 시온을 피로, 예루살렘을 죄악으로 건축하는도다
Dia izay manangana an’ i Ziona amin’ ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin’ ny faharatsiana.
11 그 두령은 뇌물을 위하여 재판하며 그 제사장은 삯을 위하여 교훈하며 그 선지자는 돈을 위하여 점 치면서 오히려 여호와를 의뢰하여 이르기를 여호와께서 우리 중에 계시지 아니하냐 재앙이 우리에게 임하지 아니하리라 하는도다
Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.
12 이러므로 너희로 인하여 시온은 밭 같이 갊을 당하고 예루살렘은 무더기가 되고 성전의 산은 수풀의 높은 곳과 같게 되리라
Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.

< 미가 3 >