< 사사기 3 >

1 여호와께서 가나안 전쟁을 알지 못한 이스라엘을 시험하려 하시며
Ary ny firenena navelan’ i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
2 이스라엘 자손의 세대 중에 아직 전쟁을 알지 못하는 자에게 그것을 가르쳐 알게 하려하사 남겨 두신 열국은
mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’ Isiraely izany amin’ ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
3 블레셋 다섯 방백과 가나안 모든 사람과 시돈 사람과 바알헤르몬 산에서부터 하맛 어구까지 레바논 산에 거하는 히위 사람이라
dia ireo andriana dimy tamin’ ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’ i Bala-hermona ka hatramin’ ny lalana mankany Hamata.
4 남겨두신 이 열국으로 이스라엘을 시험하사 여호와께서 모세로 그들의 열조에게 명하신 명령들을 청종하나 알고자 하셨더라
Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin’ i Jehovah, izay nasainy nandidian’ i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
5 이스라엘 자손은 마침내 가나안 사람과, 헷 사람과, 아모리 사람과, 브리스 사람과, 히위 사람과, 여부스 사람 사이에 거하여
Ary ny Zanak’ Isiraely nonina teo amin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
6 그들의 딸들을 취하여 아내를 삼으며 자기 딸들을 그들의 아들에게 주며 또 그들의 신들을 섬겼더라
Ary naka ny zanakavavin’ ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ ny zanakalahin’ ireny ka nanompo ny andriamaniny.
7 이스라엘 자손이 여호와 목전에 악을 행하여 자기들의 하나님 여호와를 잊어버리고 바알들과 아세라들을 섬긴지라
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.
8 여호와께서 이스라엘에게 진노하사 그들을 메소보다미아 왕 구산리사다임의 손에 파셨으므로 이스라엘 자손이 구산 리사다임을 팔년을 섬겼더니
Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
9 이스라엘 자손이 여호와께 부르짖으매 여호와께서 그들을 위하여 한 구원자를 세워 구원하게 하시니 그는 곧 갈렙의 아우 그나스의 아들 옷니엘이라
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ ny Zanak’ Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba.
10 여호와의 신이 그에게 임하셨으므로 그가 이스라엘 사사가 되어 나가서 싸울 때에 여호와께서 메소보다미아 왕 구산 리사다임을 그 손에 붙이시매 옷니엘의 손이 구산 리사다임을 이기니라
Ary ny Fanahin’ i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’ i Kosan-risataima.
11 그 땅이 태평한 지 사십년에 그나스의 아들 옷니엘이 죽었더라
Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak’ i Kenaza.
12 이스라엘 자손이 또 여호와의 목전에 악을 행하니라 이스라엘 자손이 여호와의 목전에 악을 행하므로 여호와께서 모압 왕 에글론을 강성케 하사 그들을 대적하게 하시매
Fa nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ny zanak’ Isiraely ary i Jehovah nampahery an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, hiady amin’ ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
13 에글론이 암몬과 아말렉 자손들을 모아가지고 와서 이스라엘을 쳐서 종려나무 성읍을 점령한지라
Dia nampiangona ny taranak’ i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.
14 이에 이스라엘 자손이 모압 왕 에글론을 십 팔년을 섬기니라
Dia nanompo an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, valo ambin’ ny folo taona ny Zanak’ Isiraely.
15 이스라엘 자손이 여호와께 부르짖으매 여호와께서 그들을 위하여 한 구원자를 세우셨으니 그는 곧 베냐민 사람 게라의 아들 왼손 잡이 에훗이라 이스라엘 자손이 그를 의탁하여 모압 왕 에글론에게 공물을 바칠 때에
Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely.
16 에훗이 장이 한 규빗 되는 좌우에 날선 칼을 만들어 우편 다리 옷 속에 차고
Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin’ ny fehin-kibony ambanin’ ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
17 공물을 모압 왕 에글론에게 바쳤는데 에글론은 심히 비둔한 자이었더라
Dia nitondra ny fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.
18 에훗이 공물 바치기를 마친 후에 공물을 메고 온 자들을 보내고
Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
19 자기는 길갈 근처 돌 뜨는 곳에서부터 돌아와서 가로되 `왕이여, 내가 은밀한 일을 왕에게 고하려 하나이다' 왕이 명하여 `종용케 하라' 하매 모셔 선 자들이 다 물러간지라
Fa nony tonga teo amin’ ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.
20 에훗이 왕의 앞으로 나아가니 왕은 서늘한 다락방에 홀로 앉아 있는 중이라 에훗이 가로되 `내가 하나님의 명을 받들어 왕에게 고할 일이 있나이다' 하매 왕이 그 좌석에서 일어나니
Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’ Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianana Eglona.
21 에훗이 왼손으로 우편 다리에서 칼을 빼어 왕의 몸을 찌르매
Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin’ ny kibon’ i Eglona izany;
22 칼자루도 날을 따라 들어가서 그 끝이 등뒤까지 나갔고 그가 칼을 그 몸에서 빼어내지 아니하였으므로 기름이 칼날에 엉기었더라
ary difotra mbamin’ ny zarany, ka voasaron’ ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ ny vodiny izany.
23 에훗이 현관에 나와서 다락문들을 닫아 잠그니라
Dia nivoaka teo amin’ ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran’ ny trano ka nanidy azy tao.
24 에훗이 나간 후에 왕의 신하들이 와서 다락문이 잠겼음을 보고 가로되 `왕이 필연 다락방에서 발을 가리우신다' 하고
Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’ i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
25 그들이 오래 기다려도 왕이 다락문을 열지 아니하는지라 열쇠를 취하여 열고 본즉 자기 주가 이미 죽어 땅에 엎드러졌더라
Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran’ ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin’ ny rihana ny tompony
26 그들의 기다리는 동안에 에훗이 피하여 돌 뜨는 곳을 지나 스이라로 도망하니라
Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seïrata.
27 그가 이르러서는 에브라임 산지에서 나팔을 불매 이스라엘 자손이 산지에서 그를 따라 내려오니 에훗이 앞서 가며
Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
28 무리에게 이르되 `나를 따르라! 여호와께서 너희 대적 모압 사람을 너희의 손에 붙이셨느니라' 하매 무리가 에훗을 따라 내려가서 모압 맞은편 요단강 나루를 잡아 지켜 한 사람도 건너지 못하게 하였고
Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
29 그 때에 모압 사람 일만명 가량을 죽였으니 다 역사요 용사라 한 사람도 피하지 못하였더라
Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’ izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
30 그날에 모압 사람이 이스라엘의 수하에 항복하매 그 땅이 팔십년 동안 태평하였더라
Dia resin’ ny tanan’ ny Isiraely ny Moabita tamin’ izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
31 에훗의 후에 아낫의 아들 삼갈이 사사로 있어 소 모는 막대기로 블레셋 사람 육백명을 죽였고 그도 이스라엘을 구원하였더라
Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak’ i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin’ ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.

< 사사기 3 >