< 사사기 14 >

1 삼손이 딤나에 내려가서 거기서 블레셋 딸 중 한 여자를 보고
Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina.
2 도로 올라와서 자기 부모에게 말하여 가로되 `내가 딤나에서 블레셋 사람의 딸 중 한 여자를 보았사오니 이제 그를 취하여 내 아내를 삼게 하소서'
Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
3 부모가 그에게 이르되 `네 형제들의 딸 중에나 내 백성 중에 어찌 여자가 없어서 네가 할례받지 아니한 블레셋 사람에게 가서 아내를 취하려 하느냐?' 삼손이 아비에게 이르되 `내가 그 여자를 좋아 하오니 나를 위하여 그를 데려오소서' 하니
Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ ny zana-kavanao, na ato amin’ ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin’ ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
4 이 때에 블레셋 사람이 이스라엘을 관할한고로 삼손이 틈을 타서 블레셋 사람을 치려 함이었으나 그 부모는 이 일이 여호와께서 나온 것인 줄은 알지 못하였더라
Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’ i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin’ ny Filistina Izy; fa tamin’ izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
5 삼손이 그 부모와 함께 딤나에 내려가서 딤나의 포도원에 이른즉 어린 사자가 그를 맞아 소리지르는지라
Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
6 삼손이 여호와의 신에게 크게 감동되어 손에 아무 것도 없어도 그 사자를 염소 새끼를 찢음 같이 찢었으나 그는 그 행한 일을 부모에게도 고하지 아니하였고
Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak’ osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin’ ny rainy na tamin’ ny reniny izay efa nataony.
7 그가 내려가서 그 여자와 말하며 그를 기뻐하였더라
Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an’ i Samsona izy.
8 얼마 후에 삼손이 그 여자를 취하려고 다시 가더니 돌이켜 그 사자의 주검을 본즉 사자의 몸에 벌떼와 꿀이 있는지라
Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin’ ilay fatin’ ny liona.
9 손으로 그 꿀을 취하여 행하며 먹고 그 부모에게 이르러 그들에게 그것을 드려서 먹게 하였으나 그 꿀을 사자의 몸에서 취하였다고는 고하지 아니하였더라
Ary nalain’ i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin’ ny fatin’ ilay liona no nangalany ny tantely.
10 삼손의 아비가 여자에게로 내려가매 삼손이 거기서 잔치를 배설하였으니 소년은 이렇게 행하는 풍속이 있음이더라
Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain’ i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon’ ny zatovo.
11 무리가 삼손을 보고 삼십명을 데려다가 동무를 삼아 그와 함께 하게 한지라
Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
12 삼손이 그들에게 이르되 `이제 내가 너희에게 수수께끼를 하리니 잔치하는 칠일 동안에 너희가 능히 그것을 풀어서 내게 고하면 내가 베옷 삼십 벌과 겉옷 삼십 벌을 너희에게 주리라
Ary hoy Samsona tamin’ ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin’ ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.
13 그러나 그것을 능히 내게 고하지 못하면 너희가 내게 베옷 삼십벌과 겉옷 삼십 벌을 줄지니라' 그들이 이르되 `너는 수수께끼를 하여 우리로 듣게 하라'
Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
14 삼손이 그들에게 이르되 `먹는자에게서 먹는 것이 나오고 강한 자에게서 단 것이 나왔느니라' 그들이 삼일이 되도록 수수께끼를 풀지 못하였더라
Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin’ ny mpihinana no nivoahan’ ny hanina; Ary avy tao amin’ ny mahery no nivoahan’ ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin’ ny hateloana.
15 제 칠일에 이르러 그들이 삼손의 아내에게 이로되 `너는 네 남편을 꾀어 그 수수께끼를 우리에게 알리게 하라 그렇지 아니하면 너와 네 아비의 집을 불사르리라 너희가 우리의 소유를 취하고자하여 우리를 청하였느냐? 그렇지 아니하냐?'
Ary nony tamin’ ny andro fahafito, dia hoy izy tamin’ ny vadin’ i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin’ ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?
16 삼손의 아내가 그의 앞에서 울며 가로되 `당신이 나를 미워할 뿐이요 사랑치 아니하는도다 우리 민족에게 수수께끼를 말하고 그 뜻을 내게 풀어 이르지 아니하도다' 삼손이 그에게 대답하되 `보라 내가 그것을 나의 부모에게도 풀어 고하지 아니하였거든 어찌 그대에게 풀어 이르리요' 하였으나
Ary ny vadin’ i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?
17 칠일 잔치할 동안에 그 아내가 앞에서 울며 강박함을 인하여 제 칠일에는 그가 그 아내에게 수수께끼를 풀어 이르매 그 아내가 그것을 그 민족에게 고하였더라
Dia nitomany teo anatrehany tamin’ ny hafitoana izay nisian’ ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin’ ny andro fahafito dia nolazain’ i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneny.
18 제 칠일 해 지기 전에 성읍 사람들이 삼손에게 이르되 `무엇이 꿀보다 달겠으며 무엇이 사자보다 강하겠느냐?' 한지라 삼손이 그들에게 대답하되 `너희가 내 암송아지로 밭갈지 아니하였더면 나의 수수께끼를 능히 풀지 못하였으리라' 하니라
Ary nony tamin’ ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’ i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.
19 여호와의 신이 삼손에게 크게 임하시매 삼손이 아스글론에 내려가서 그곳 사람 삼십명을 쳐 죽이고 노략하여 수수께끼 푼 자들 에게 옷을 주고 심히 노하여 아비 집으로 올라갔고
Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ ireo ka nomeny ho an’ izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Samsona, ka niakatra nankany amin’ ny tranon-drainy izy.
20 삼손의 아내는 삼손의 친구되었던 그 동무에게 준바 되었더라
Ary ny vadiny dia lasan’ ny namany, izay efa nataony sakaizany.

< 사사기 14 >