< 사사기 11 >

1 길르앗 사람 큰 용사 입다는 기생이 길르앗에게 낳은 아들이었고
Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
2 길르앗의 아내도 아들들을 낳았더라 아내의 아들들이 자라매 입다를 쫓아내며 그에게 이르되 `너는 다른 여인의 자식이니 우리 아버지 집 기업을 잇지 못하리라' 한지라
Ary ny vadin’ i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an’ i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin’ ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
3 이에 입다가 그 형제를 피하여 돕 땅에 거하매 잡류가 그에게로 모여와서 그와 함께 출입하였더라
Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin’ ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin’ i Jefta ka niaraka taminy.
4 얼마 후에 암몬 자손이 이스라엘을 치려 하니라
Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.
5 암몬 자손이 이스라엘을 치려 할 때에 길르앗 장로들이 입다를 데려 오려고 돕 땅에 가서
Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak’ i Amona, dia nandeha ny loholon’ i Gileada haka an’ i Jefta hiala any amin’ ny tany Toba.
6 입다에게 이르되 `우리가 암몬 자손과 싸우려 하나니 당신은 와서 우리의 장관이 되라'
Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin’ ny taranak’ i Amona.
7 입다가 길르앗 장로들에게 이르되 `너희가 전에 나를 미워하여 내 아버지 집에서 쫓아내지 아니하였느냐? 이제 너희가 환난을 당하였다고 어찌하여 내게 왔느냐?'
Fa hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
8 길르앗 장로들이 대답하되 `이제 우리가 당신을 찾아온 것은 우리와 함께 가서 암몬 자손과 싸우려 하게 함이니 그리하면 우리 길르앗 모든 거민의 머리가 되리라'
Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin’ ny taranak’ i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
9 입다가 길르앗 장로들에게 이르되 `너희가 나를 데리고 본향으로 돌아가서 암몬 자손과 싸우게 할 때에 만일 여호와께서 그들을 네게 붙이시면 내가 과연 너희 머리가 되겠느냐?'
Dia hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin’ ny taranak’ i Amona, ka hatolotr’ i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
10 길르앗 장로들이 입다에게 이르되 `여호와는 우리 사이의 증인이시니 당신의 말대로 우리가 반드시 행하리이다'
Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
11 이에 입다가 길르앗 장로들과 함께 가니 백성이 그로 자기들의 머리와 장관을 삼은지라 입다가 미스바에서 자기의 말을 다 여호와 앞에 고하니라
Dia nandeha Jefta niaraka tamin’ ny loholon’ i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’ i Jehovah tao Mizpa.
12 입다가 암몬 자손의 왕에게 사자를 보내어 이르되 `네가 나와 무슨 상관이 있기에 내 땅을 치러 내게 왔느냐?'
Dia naniraka olona Jefta nankamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin’ ny taniko ianao?
13 암몬 자손의 왕이 입다의 사자에게 대답하되 `이스라엘이 애굽에서 올라올 때에 아르논에서부터 얍복과 요단까지 내 땅을 취한 연고니 이제 그것을 화평히 다시 돌리라'
Dia hoy ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona tamin’ ny irak’ i Jefta: Satria nalain’ ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin’ ny fihavanana ary izany ankehitriny.
14 입다가 암몬 자손의 왕에게 다시 사자를 보내어
Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin’ ny mpanakan’ ny taranak’ i Amona
15 그에게 이르되 `입다가 말하노라 이스라엘이 모압 땅과 암몬 자손의 땅을 취하지 아니하였느니라
ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin’ i Moaba na ny tanin’ ny taranak’ i Amona.
16 이스라엘이 애굽에서 올라올 때에 광야로 행하여 홍해에 이르고 가데스에 이르러서는
Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin’ ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
17 이스라엘이 사자를 에돔 왕에게 보내어 이르기를 청컨대 나를 용납하여 네 땅 가운데로 지나게 하라 하였으나 에돔 왕이 이를 듣지 아니하였고 또 그같이 사람을 모압 왕에게 보내었으나 그도 허락지 아니함으로 이스라엘이 아데스에 유하였더니
Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan’ i Edoma. Ary naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
18 그후에 광야를 지나 에돔 땅과 모압 땅을 둘러 행하여 모압 땅 동편에서부터 와서 아르논은 모압 경계이므로 그 경내에는 들어가지 아니하였으며
Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’ i Moaba, ka nitoby teo an-dafin’ i Arnona, fa tsy niditra teo anatin’ ny faritanin’ i Moaba; fa Arnona no fari-tanin’ i Moaba.
19 이스라엘이 헤스본 왕 곧 아모리 왕 시혼에게 사자를 보내어 그에게 이르되 청컨대 우리를 용납하여 당신의 땅으로 지나 우리 곳에 이르게 하라 하였으나
Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay mpanjakan’ i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin’ ny fonenanay.
20 시혼이 이스라엘을 믿지 아니하여 그 지경으로 지나지 못하게 할뿐 아니라 그 모든 백성을 모아 야하스에 진 치고 이스라엘을 치므로
Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin’ ny Isiraely.
21 이스라엘의 하나님 여호와께서 시혼과 그 모든 백성을 이스라엘의 손에 붙이시매 이스라엘이 쳐서 그 땅 거민 아모리 사람의 온 땅을 취하되
Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an’ i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan’ ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon’ ny Isiraely ny tanin’ ny Amorita rehetra, mponina tany amin’ izany tany izany.
22 아르논에서부터 얍복까지와 광야에서부터 요단까지 아모리 사람의 온 지경을 취하었느니라
Dia nahazo ny tanin’ ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin’ ny efitra ka hatrany Jordana.
23 이스라엘 하나님 여호와께서 이같이 아모리 사람을 자기 백성 이스라엘 앞에서 쫓아내셨거늘 네가 그 땅을 얻고자 하는 것이 가하냐?
Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
24 네 신 그모스가 네게 주어 얻게 한 땅을 네가 얻지 않겠느냐? 우리 하나님 여호와께서 우리 앞에서 어떤 사람이든지 쫓아내시면 그 땅을 우리가 얻으리라
Moa tsy hotananao izay tany omen’ i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen’ i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
25 이제 네가 모압 왕 십볼의 아들 발락보다 나은 것이 있느냐? 그가 이스라엘로 더불어 다툰 일이 있었느냐? 싸운 일이 있었느냐?
Moa tsara noho Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
26 이스라엘이 헤스본과 그 향촌들과 아로엘과 그 향촌들과 아르논 연안에 있는 모든 성읍에 거한지 삼백년이어늘 그동안 너희가 어찌하여 도로 찾지 아니하였느냐?
Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin’ ny tanàna rehetra eny amoron’ i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’ izany andro izany?
27 내가 네게 죄를 짓지 아니하였거늘 네가 나를 쳐서 내게 악을 행하고자 하는도다 원컨대 심판하시는 여호와는 오늘날 이스라엘 자손과 암몬 자손의 사이에 판결하시옵소서' 하나
Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
28 암몬 자손의 왕이 입다의 보내어 말한 것을 듣지 아니하였더라
Nefa tsy nohenoin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona ny tenin’ i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
29 이에 여호와의 신이 입다에게 임하시니 입다가 길르앗과 므낫세를 지나서 길르앗 미스베에 이르고 길르앗 미스베에서부터 암몬 자손들에게로 나아갈 때에
Ary tonga tao amin’ i Jefta ny Fanahin’ i Jehovah, dia nandeha nitety an’ i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an’ i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
30 그가 여호와께 서원하여 가로되 `주께서 과연 암몬 자손을 내게 붙이시면
Ary Jefta nivoady tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak’ i Amona,
31 내가 암몬 자손에게서 평안히 돌아올 때에 누구든지 내 집 문에서 나와서 나를 영접하는 그는 여호와께 돌릴 것이니 내가 그를 번제로 드리겠나이다' 하니라
dia ho an’ i Jehovah Izay mivoaka amin’ ny varavaran’ ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ ny taranak’ i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
32 이에 입다가 암몬 자손에게 이르러 그들과 싸우더니 여호와께서 그들을 그 손에 붙이시매
Dia nandeha Jefta nankany amin’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ireo.
33 아로엘에서부터 민닛에 이르기까지 이십 성읍을 치고 또 아벨 그라밈까지 크게 도륙하니 이에 암몬 자손이 이스라엘 자손 앞에 항복하였더라
Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin’ i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.
34 입다가 미스바에 돌아와 자기 집에 이를 때에 그 딸이 소고를 잡고 춤추며 나와서 영접하니 그의 무남독녀라
Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
35 입다가 이를 보고 자기 옷을 찢으며 가로되 `슬프다, 내 딸이여! 너는 나로 하여금 참담케 하는 자요 너는 나를 괴롭게 하는 자 중의 하나이로다 내가 여호와를 향하여 입을 열었으니 능히 돌이키지 못하리로다'
Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin’ i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
36 딸이 그에게 이르되 `나의 아버지여! 아버지께서 여호와를 향하여 입을 여셨으니 아버지 입에서 낸 말씀대로 내게 행하소서 이는 여호와께서 아버지를 위하여 아버지의 대적 암몬 자손에게 원수를 갚으셨음이니이다'
Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’ i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak’ i Amona fahavalonao ho anao.
37 아비에게 또 이르되 `이 일만 내게 허락하사 나를 두 달만 용납하소서 내가 나의 동무들과 함께 산에 올라가서 나의 처녀로 죽음을 인하여 애곡하겠나이다'
Dia hoy koa izy tamin’ ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin’ ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin’ ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
38 이르되 `가라!' 하고 두달 위한하고 보내니 그가 동무들과 함께 가서 산 위에서 처녀로 죽음을 인하여 애곡하고
Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin’ ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
39 두달만에 그 아비에게로 돌아온지라 아비가 그 서원한 대로 딸에게 행하니 딸이 남자를 알지 못하고 죽으니라 이로부터 이스라엘 가운데 규례가 되어
Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin’ ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin’ ny Isiraely
40 이스라엘 여자들이 해마다 가서 길르앗 사람 입다의 딸을 위하여 나흘씩 애곡하더라
ny fandehanan’ ny zazavavin’ ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’ i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.

< 사사기 11 >