< 여호수아 11 >

1 하솔 왕 야빈이 이 소식을 듣고 마돈왕 요밥과, 시므론 왕과, 악삽 왕과,
Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan’ i Hazora, dia naniraka tany amin’ i Jobaba, mpanjakan’ i Madona, sy ny mpanjakan’ i Simrona sy ny mpanjakan’ i Aksafa,
2 및 북방 산지와, 긴네롯 남편 아라바와, 평지와, 서방 돌의 높은 곳에 있는 왕들과,
ary ireo mpanjaka tany amin’ ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin’ ny tani-hay atsimon’ i Kinerota sy tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin’ ny havoan’ i Dora andrefana,
3 동서편 가나안 사람과, 아모리 사람과, 헷 사람과, 브리스 사람과, 산지의 여부스 사람과, 미스바 땅 헤르몬산 아래 히위 사람들에게 사람을 보내매
dia tamin’ ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin’ ny tany havoana, ary tamin’ ny Hivita tany am-bodin’ i Hermona, tany amin’ ny tany Mizpa.
4 그들이 그 모든 군대를 거느리고 나왔으니 민중이 많아 해변의 수다한 모래 같고 말과 병거도 심히 많았으며
Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
5 이 왕들이 모여 나아와서 이스라엘과 싸우려고 메롬 물가에 함께 진 쳤더라
Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin’ ny Isiraely ka nitoby teo anilan’ ny rano Meroma.
6 여호와께서 여호수아에게 이르시되 그들을 인하여 두려워 말라! 내일 이맘 때에 내가 그들을 이스라엘 앞에 붙여 몰살시키리니 너는 그들의 말 뒷발의 힘줄을 끊고 불로 그 병거를 사르라
Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin’ ny afo ny kalesiny.
7 이에 여호수아가 모든 군사와 함께 메롬 물가로 가서 졸지에 습격할 때에
Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron’ ny rano Meroma, dia namely azy.
8 여호와께서 그들을 이스라엘의 손에 붙이신 고로 그들을 격파하고 큰 시돈과 미스르봇 마임까지 쫓고 동편에서는 미스바 골짜기까지 쫓아가서 한 사람도 남기지 아니하고 쳐 죽이고
Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
9 여호수아가 여호와께서 자기에게 명하신 대로 행하여 그들의 말뒷발의 힘줄을 끊고 불로 그 병거를 살랐더라
Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy: ny soavalin’ ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin’ ny afo.
10 하솔은 본래 그 모든 나라의 머리였더니 그 때에 여호수아가 돌아와서 하솔을 취하고 그 왕을 칼날로 쳐 죽이고
Ary tamin’ izany dia niverina Josoa ka nahafaka an’ i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin’ ny sabatra, satria Hazora no lohan’ ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
11 그 가운데 모든 사람을 칼날로 쳐서 진멸하여 호흡이 있는 자는 하나도 남기지 아니하였고 또 불로 하솔을 살랐으며
Ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin’ ny afo.
12 여호수아가 그 왕들의 모든 성읍과 그 모든 왕을 취하여 칼날로 쳐서 진멸하여 여호와의 종 모세의 명한 것과 같이 하였으되
Ary ny tanàna rehetra izay an’ ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon’ i Josoa ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah.
13 여호수아가 하솔만 불살랐고 산 위에 건축된 성읍들은 이스라엘이 불사르지 아니하였으며
Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran’ ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran’ i Josoa.
14 이 성읍들의 모든 재물과 가축은 이스라엘 자손들이 탈취하고 모든 사람은 칼날로 쳐서 진멸하여 호흡이 있는 자는 하나도 남기지 아니하였으니
Ary ny fananana rehetra tao amin’ ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain’ ny Zanak’ Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
15 여호와께서 그 종 모세에게 명하신 것을 모세는 여호수아에게 명하였고 여호수아는 그대로 행하여 여호와께서 무릇 모세에게 명하신 것을 하나도 행치 아니한 것이 없었더라
Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy mpanompony no nandidian’ i Mosesy an’ i Josoa; ka dia izany no nataon’ i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
16 여호수아가 이같이 그 온 땅 곧 산지와 온 남방과 고센 온 땅과 평지와 아라바와 이스라엘의 산지와 그 평지를 취하였으니
Dia lasan’ i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan’ ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa,
17 곧 세일로 올라가는 할락산에서부터 헤르몬산 아래 레바논 골짜기의 바알갓까지라 그 모든 왕을 잡아 쳐죽였으며
hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seïra, ka hatrany Bala-gada eo amin’ ny lohasahan’ i Libanona am-bodin’ ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
18 여호수아가 그 모든 왕과 싸운 지는 여러 날이라
Ela no niadian’ i Josoa tamin’ ireny mpanjaka rehetra ireny.
19 기브온 거민 히위 사람 외에는 이스라엘 자손과 화친한 성읍이 하나도 없고 다 이스라엘 자손에게 쳐서 취한 바 되었으니
Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin’ ny ady avokoa izy rehetra.
20 그들의 마음이 강퍅하여 이스라엘을 대적하여 싸우러 온 것은 여호와께서 그리하게 하신 것이라 그들로 저주받은 자 되게 하여 은혜를 입지 못하게 하시고 여호와께서 모세에게 명하신 대로 진멸하려 하심이었더라
Fa avy tamin’ i Jehovah no nanamafian’ ireo ny fony hiady amin’ ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
21 그 때에 여호수아가 가서 산지와 헤브론과 드빌과 아납과 유다 온 산지와 이스라엘의 온 산지에서 아낙 사람을 멸절하고 그가 또 그 성읍들을 진멸하였으므로
Dia nandeha tamin’ izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin’ ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin’ ny tany havoan’ i Joda rehetra, ary tany amin’ ny tany havoan’ Isiraely rehetra: naringan’ i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
22 이스라엘 자손의 땅 안에는 아낙 사람이 하나도 남음이 없고 가사와 가드와 아스돗에만 약간 남았었더라
Tsy nisy sisa tany amin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
23 이와 같이 여호수아가 여호와께서 모세에게 이르신 말씀대로 그 온 땅을 취하여 이스라엘 지파의 구별을 따라 기업으로 주었더라 그 땅에 전쟁이 그쳤더라
Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.

< 여호수아 11 >